FAMPINDRAMAM-BOLA HO AMIN’NY FANJIFANA

FAMATSIAM-BOLA HATRAMIN’NY 20 000 000 Ar

FOTOANA HAMERENANA NY VOLA HATRAMIN’NY 24 VOLANA

Mpiasam-panjakana amin’ny sehatra tsy miankina ve ianao ary maniry hindram-bola ho amin’ny filàna manokana na ho fanatanterahana ireo nofinofinao? Ity misy tolotra fampindramambola natao manokana ho amin’izany, manampy anao hahatratra ireo tanjona napetrakao.

Manolotra ny vahaolana ara-bola tsara indrindra mba ahafahanao mividy ireo fitaovana ilaina ao an-tokantrano izahay (fanaka, fampitaovana hi-fi, frigo, fatana gaz, fiara …), mamatsy ireo fandaniana ara-pahasalamana, ara-panabeazana, amin’ny fitsangantsanganana, ireo hetsika sosialy (mariazy, didi-poatra …).

Ireo tombontsoaFepetra ilainaAntontan-taratasy ilaina
  • Fikirakirana manokana sy tsotra ny fangatahana natao
  • Tahan’ny zana-bola tsy mena-mitaha amin’ny hafa ary saram-pikarakarana mangarahara
  • Fihainoana sy fandraisana ireo filàn’ny mpanjifa
  • Fikirakirana ny fangatahana ao anatin’ny fotoana haingana indrindra
  • Teratany malagasy manana kara-panondrom-pirenena manan-kery na teratany vahiny monina eto Madagasikara ka manana ny taratasy fahazoan-dalana manan-kery mipetraka maharitra eto Madagasikara.
  • 21 ka hatramin’ny 65 taona
  • Tsy manana findramam-bola amin’ireo Orinasa mpampindram-bola hafa amin’ny fotoana fangatahana findramam-bola ato amin’ny PAMF
  • Ireto ny antontan-taratasy ilaina ho an’ny mpindram-bola sy ny mpiara-miombon’antoka
  • Dika mitovy ny karapanondrom-pirenena na ny karatra fahazoan-dalana mipetraka maharitra eto Madagasikara
  • Taratasy fanamarinam-ponenana latsaky ny 3 volana
  • Sary tapaka (02) (4 x 4)

Manatona ny masoivoho akaiky anao indrindra raha hanao findramam-bola na mila fanazavana fanampinyeto.