FAMPINDRAMAM-BOLA HO AN’NY FITEHIRIZAN’ENTANA

FAMATSIAM-BOLA HATRAMIN’NY 150 000 000 Ar

FOTOANA HAMERENANA NY VOLA HATRAMIN’NY 12 VOLANA

Ny tolotra ara-bola natokana ho an’ny fitehirizan’entana na GCV dia tolotra natao ho an’ny « collecteurs”, mpamokatra, na mpivarotra, izay maniry hangataka « avance » ividianana entana tsy mora simba sy maina atao « stocks » (vary akotry, vary voatoto, voamaina, legioma maina…).
Vahaolana ara-bola izay ahafahanao mitahiry entana mandritra ny fotoam-pijinjana mba ahafahana mamarotra azy amin’ny fotoana mahatsara ny vidim-bokatra. Omen’ny PAMF anao ny famatsiam-bola ilaina mandritra ny fotoana itahirizana ny entana sy ny magazay fitehirizana entana. Malalaka ny fampiasana ny vola indramina, afaka ampiasaina amin’ny fandaniana mahazatra na amin’ny asa mampidi-bola.

Ireo tombontsoaFepetra ilainaAntontan-taratasy ilaina
  • Fikirakirana manokana sy tsotra ny fangatahana natao
  • Tahan’ny zana-bola tsy mena-mitaha amin’ny hafa ary saram-pikarakarana mangarahara
  • Fotoana famerenam-bola mifanaraka amin’ny fahafahan’ny mpanjifa mamerim-bola
  • Fikirakirana ny fangatahana ao anatin’ny fotoana haingana indrindra
  • Teratany malagasy manana kara-panondrom-pirenena manan-kery na teratany vahiny monina eto Madagasikara ka manana ny taratasy fahazoan-dalana manan-kery mipetraka maharitra eto Madagasikara.
  • 21 ka hatramin’ny 65 taona
  • Tsy manana findramam-bola amin’ireo Orinasa mpampindram-bola hafa amin’ny fotoana fangatahana findramam-bola ato amin’ny PAMF
  • Ireto ny antontan-taratasy ilaina ho an’ny mpindram-bola sy ny mpiara-miombon’antoka
  • Dika mitovy ny karapanondrom-pirenena na ny karatra fahazoan-dalana mipetraka maharitra eto Madagasikara
  • Taratasy fanamarinam-ponenana latsaky ny 3 volana
  • Sary tapaka (02) (4 x 4)

Manatona ny masoivoho akaiky anao indrindra raha hanao findramam-bola na mila fanazavana fanampiny eto.