FAMPINDRAMAM-BOLA MADINIKA

FAMATSIAM-BOLA HATRAMIN’NY 30 000 000 Ar

FOTOANA HAMERENANA NY VOLA HATRAMIN’NY 36 VOLANA

Mila famatsiam-bola ve ianao hividianana izay kojakoja ilaina ho fampitaovana sy ho fampitomboana ny vola entina miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, varotra, fanjifana, famokarana na ny fanodinana akora na vokatra?
Manome toky anao izahay fa manana vahaolana ara-bola mifanaraka amin’izay filànao mba hanohanana anao amin’ny fanatanterahana izay tanjona tianao hotratrarina.
Ireo tombontsoaFepetra ilainaAntontan-taratasy ilaina
  • Fikirakirana manokana sy tsotra ny fangatahana natao
  • Tahan’ny zana-bola tsy mena-mitaha amin’ny hafa ary saram-pikarakarana mangarahara
  • Fotoana famerenam-bola mifanaraka amin’ny fahafahan’ny mpanjifa mamerim-bola
  • Fikirakirana ny fangatahana ao anatin’ny fotoana haingana indrindra
  • Teratany malagasy manana kara-panondrom-pirenena manan-kery na teratany vahiny monina eto Madagasikara ka manana ny taratasy fahazoan-dalana manan-kery mipetraka maharitra eto Madagasikara.
  • 21 ka hatramin’ny 65 taona
  • Tsy manana findramam-bola amin’ireo Orinasa mpampindram-bola hafa amin’ny fotoana fangatahana findramam-bola ato amin’ny PAMF
  • Ireto ny antontan-taratasy ilaina ho an’ny mpindram-bola sy ny mpiara-miombon’antoka
  • Dika mitovy ny karapanondrom-pirenena na ny karatra fahazoan-dalana mipetraka maharitra eto Madagasikara
  • Taratasy fanamarinam-ponenana latsaky ny 3 volana
  • Sary tapaka (02) (4 x 4)

Manatona ny masoivoho akaiky anao indrindra raha hanao findramam-bola na mila fanazavana fanampiny eto.