IREO MPIARAMIOMBON’ANTOKA

Fiarahamiasa miaraka amin’ny HERI-Go

Nosoniavina ny 17 Febroary 2021 ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny PAMF sy ny orinasa HERI-Go. Tanjon’ny fiahamiasa ny fanamorana ny fahazoana angovo sy herinaratra mb hanatsarana ny farim-piainan’ny mpanjifa. Mandritra ny fifanarahana andrana, ny PAMF dia hanamora ny fahazoana ny vokatra izay tsinjarain’ny orinasa HERI-Go Madagascar amin’ny alalan’ny fampindramam-bola ho an’ny mpanjifa. Tsara ny mampatsiahy fa ny HERI-Go dia orinasa maninjara vokatra sy tolotra vaovao, mandeha amin’ny herin’ny masoandro ary natao ho an’ireo olona marefo fidiram-bola.

Fiarahamiasa amin’ny JiroVe

Ho fampiroboroboana ny fampiasana ny tolotra ara-bola m-kajy sy ny famatsiam-bola hahafahana mividy ny tolotra sy vokatra JiroVe. Nosoniavina ny alakamisy 4 febroary 2021 tao amin’ny PAMF ny fifanaraham-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta. Tanjona amin’ity fifanarahana ity ny hanamora ny fahazoan’ireo mpanjifa ny angovo ilainy any amin’ny toerana misy azy. Tanjona hatrany ny hanome fahafahampo azy ireo amin’ny alalan’ny vokatra mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ny vidiny mirary. Raha fintinina dia ny JiroVe no maninjara ireo vokatra eny an-tsena ary ny PAMF kosa no manao ny famatsiam-bola amin’ny alalan’ny tolotra m-kajy.

Fiarahamiasa miaraka amin’ny PROSPERER

PROSPERER dia programa misehatra amin’ny fanomezana tosika ho an’ireo Orinasa madinika eny amin’ny tontolo ambanivohitra (MER/PER). Ireo olona sahirana izay tsy afaka mindram-bola any amin’ireo ivon-toerana findramam-bola no misitraka izany tohana izany. Manome tohana ara-teknika ary manampy amin’ny fananganana tetikasa ny programa PROSPERER.

Nanomboka ny taona 2011 no niara-niasa ny PAMF sy ny PROSPERER tao amin’ny faritra Analamanga, Atsinanana, Itasy, Sofia ary Boeny. Tamin’ny alalan’ny PAMF no nanamorana ny fanomezana tosika ho an’ireo tanora izay vao avy nahavita fiofanana.