TOLOTRA NOMERIKA MIAVAKA !

Tolotra 100% nomerika izay hahafahanao mitahiry vola sy mindram-bola ao anatin’ny fotoana fohy amin’ny alalan’ny findainao. Ity tolotra ity dia azonao alaina sy ampiasaina amin’ny fotoana rehetra, 24/7 andro, manerana an’i Madagasikara
Ny tolotra m-kajy pro

Natokana ho an’ireo mpaninjara Orange Money madinika mba hahafahan’izy ireo misitraka fampindramam-bola hahafahany manodina ny asany. Mila manana karatra SIM “micro-cash” ary mampiditra ny #145# ary misoratra anarana ao amin’ny tolotra m-kajy pro.

NB : Tsy afaka misoratra anarana ireo izay mpaninjara tsy manaraka ny fepetra.

Tombony amin’ny fampiasana ny tolotra
  • Tsotra ny fidirana amin’ny tolotra, tsy mila mivezivezy ary afaka manao ny fikirakirana an-kalalahana
  • Afaka mangataka famatsiana 7j/7, 24h/24
  • Azo antoka ary haingana. Itanao avy hatrany ao amin’ny kaonty Orange Money anao.
  • Mora ampiasaina ary hahafahanao manodina ny fitadiavam-bolanao
Fidirana amin’ny tolotra
      Ireto avy nyfepetra amin’ny fampiasana ny tolotra

 

    • 18 taona mihoatra
    • Mila manana kaonty misokatra miaraka amin’ny karam-panondrom-pirenena (CIN)
    • Tsy anaty lisitra mainty OMM et PAMF
    • tsy manana fangatahana fisoratana anarana mihantona

NB : Tsy afaka mampiasa ny tolotra ny mpanjifa izay tsy mahafeno fepetra

fepetra mikasika ny fanjifana ny tolotra Eto