Ny mahakasika ny AKDN

Ny « Réseau Aga Khan de Développement » (AKDN) dia mampivondrona masoivoho maro samihafa: masoivoho momba ny fampandrosoana, sampan-draharaha, sy fandaharanasa izay miasa indrindra any amin’ny firenena mahantra any Azia sy Afrika. Ny mampiavaka ny fomba fiasan’ny AKDN amin’ny lafin’ny fampandrosoana dia ny famoronana sy fampiharana ny paikady, izay andraisan’ireo sampan-draharaha samihafa anjara ho fanampiana ireo olona hizaka tena sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny fiainana.
Ny tanjona ankapoben’ny ny tambazotra Aga Khan ho an’ny fampandrosoana dia ny hanatsarana ny kalitaon’ny fiainan’ireo mponina eo amin’ny faritra izay iasan’ireo mpikambana. Ny vina sy ny paikady napetraky ny AKDN dia mahasahana ny fanatsarana ny fenitra ara-materialy ny fiainana, ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Anisany koa ny fitambaran’ny soatoavina sy fitsipika ilaina amin’ny fandrindrana ny fiaraha-monina: fahasamihafan’ny olona sy ny fanajàna ny kolontsaina samihafa, ny toeran’ny lahy sy ny vavy, ny fitoviana ara-tsosialy, ny fandaminana ny fiarahamonim-pirenena sy ny fahaiza-mitantana.
Manana fomba fijery feno amin’ny ankapobeny ireo singa mandrafitra ny atao hoe fandrosoana ny AKDN. Tsy fomba fijery mihoatra ny tombontsoa ara-materialy na ny fihenan’ny fahantrana fotsiny ihany, fa mahafehy ny vina manakaiky ny traikefa sy ny fanirian’ny olombelona.
Miasa eo amin’ny firenena 30 mahery eran-tany ny AKDN ary mampiasa olona 80 000 eo no ho eo izay monina any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny ankamaroany. Mitentina eo amin’ny 925 tapitrisa dolara amerikana ny teti-bola ampiasain’ny AKDN isan-taona ho an’ny asa fampandrosoana izay tsy itadiavany tombony.
Ireo orinasa manao tetik’asa mpikambana ao amin’ny “Fonds Aga Khan pour le développement Economique” (AKFED) dia mampiditra vola mitentina eo amin’ny 4,1 lavitrisa dolara amerikana (ny ambim-bola rehetra dia averina ampiasaina amin’ny asa fampandrosoana hafa).
AKDN dia manana sehatr’asa antokony telo: ara-toekarena, ara-kolontsaina sy ara-tsosialy. Eo amin’ny sehatr’asa ara-tsosialy, ny AKAM izay misahana ny fampindramam-bola madinika (AKAM) dia mampivondrona ny asa fampindramam-bola madinika isan-karazany amin’ny firenena maneran-tany, anisan’izany ny “Première Agence de Microfinance” eto Madagasikara.