
Tsy tokony ho lohahevitra saropady ny vola. Ny fianarana mitantam-bola, ny fananana kolontsaina ara-bola sy mitahiry vola dia tena ilaina hananganana hoavy milamina.
Izany indrindra no tanjon’ny « Global Money Week » na « Herinandro manerantany ho an’ny vola » amin’ity taona ity. Mandritry ny roa herinandro ny fankalazana izay miompana amin’ny lohahevitra hoe « Andao hahasahy hiresaka momba ny vola. »
Ity hetsika ity dia natao hampiroboroboana ny fanabeazana ara-bola, indrindra ho an’ny tanora, mba hanampy azy ireo amin’ny ny fitantanam-bola sy hanamafisana ny fampiatiana ara-bola eto Madagasikara.
Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Global Money Week 2026 tao Antsirabe
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany tao Antsirabe, teo anoloan’ny Gara, ny fankalazana ny « Global Money Week 2026 ». Izany dia manamarika ny fiandohan’ny roa herinandro natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola sy ny fanentanana momba ny fitantanam-bola.
Ny Coordination Nationale de la Finance Inclusive (CNFI) no mikarakara izao hetsika izaoeto Madagasikara, izay ivondronan’ireo mpisehatra samihafa amin’ny fampiatiana ara-bola.
Nanomboka tamin’ny diabeniainga avy tao amin’ny Lycée André Resampa ny fankalazana. Nivondrona tao ny mpianatra, ny mpiara-miombon’antoka ary ny mpisehatra samihafa mba hankalaza ny maha-zava-dehibe ny kolontsaina ara-bola ary hampahatsiahy fa tokony hanomboka hatramin’ny fahazazana ny fianarana mitantana vola.
Nandritry ny lanonam-panokafana dia nifamdimby nandray fitenenana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy mpiara-miombon’antoka mandray anjara amin’ity hetsika ity. Nandritr’izany fotoana izany, no nizaranay ny asanay momba ny fampiatiana ara-bola sy nanambaranay ireo hetsika hotanterahinay mandritr’ity « Global Money Week ity ».
Maro ireo hetsika sy fanentanana momba ny fanabeazana ara-bola izay notontosaina nandritry ny tontolo andro. Tsotra ny tanjona amin’izany : mizara fahalalana ho an’ny tanora mba hahazain’izy ireo hitantana tsara ny volany.
Fanamafisana ny kolontsaina ara-bola ho an’ny tanora sy ny fiarahamonina
Nanomboka talohan’ny lanonana ofisialy ny hetsika fanabeazana ara-bola, izay nataonay, tamin’ny alalan’ny fitsidihana sy fanentanana eny ifotony.
Nitsidika ny Lycée FJKM Filadelfia tao Antsirabe ny ekipanay mba hampahafantatra ny mpianatra ny fototry ny kolontsaina ara-bola. Nizara ny maha-zava-dehibe ny fitahirizam-bola syny fitantanam-bola tamin’ireo tanora izy ireo.
Tao anatin’izany fifampizarana izany ihany koa, nandray ny fitsidihan’ny CNFI sy ireo mpianatra avy amin’ny Oniversite ASJA ny masoivoho PAMF Antsirabe. Ity fihaonana ity dia nahafahan’ny besinimaro nahafantatra bebe kokoa ny asanay izay miompana amin’ny fampiatiana ara-bola.
Zava-dehibe aminay ny fizarana fahalalana sy traikefa, satria mino izahay fa ny fahalalana no lakilen’ny fanapahan-kevitra ara-bola tsara sy ny fitantanana vola am-pahendrena.
Nitohy tao Ambohimandroso ihany koa ny hetsika, izay nanatanterahan’ny ekipanay. Nisy ny fanentanana ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Ambohimandroso sy ireo Vondrona Tahiry Ifotony. Izany no natao mba hanamafisana ny fahalalana sy hanohanana ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fitahirizam-bola.
Ireo fotoana fifanakalozana ireo dia mampiseho fa fitaovana mahery vaika ny fanabeazana ara-bola amin’ny fanohanana ny tanora sy ny fiarahamonina ho amin’ny fahaleovantena ara-bola.
Vao manomboka ny Global Money Week 2026 !
Mandritry ny roa herinandro ho avy dia hizara torohevitra mahasoa momba ny fitantanam-bolasy hetsika maro miompana amin’ny fanabeazana ara-bola izahay.
👉 Araho hatrany ny tranonkalanay mba tsy ho diso anjara ianao amin’ireo vaovao zarainay, izay hanampy anao hitantana ny volanao amin’ny andavanandro.