Ny tantaran-dRamatoa Murielle : mpanjifa nahazo loka goavana

Nivoaka ny 21/04/2026

Ahoana raha fahazarana tsotra iray dia afaka manokatra varavarana ho anao na koa manova tanteraka ny fiainanao andavanandro ?

Tao Antsiranana, mpanjifa iray mahatoky, mpampiasa ny tolotra m-kajy no nahazo fanomezana tsy nampoiziny.

Fanararaotra nahazoana loka

Ramatoa ARSICK Murielle Chryslaine, renim-pianakaviana monina ao Antsiranana, dia isan’ireo vehivavy mandroso amin’ny fahavononana, vonona hatrany handray ireo fanararaotra manoloana azy.

Mpampiasa matetika ny tolotra Orange Money i Ramatoa Murielle. Nahita ny tolotra m-kajy izy tamin’ny taona 2020 ary nanapa-kevitra hanandrana izany.

5 000 Ariary no vola azony nindramina tamin’ny tolotra tamin’izany fotoana. Na dia kely aza izany, dia tena nanampy azy tamin’ny filana ara-bola tampoka.

Rehefa nandeha ny fotoana, noho ny fahazotoany sy ny famerenam-bola ara-potoana nataony, dia nitombo tsikelikely ny vola azony nindramina. Mihoatra lavitra noho ny fanampiana vonjimaika ny m-kajy : vahaolana azo antoka, tsotra sy haingana, ary azo hitokisana isan’andro.

Resy lahatra amin’ny tombontsoa entin’ny tolotra izy, ka tsy nisalasala nizara izany tamin’ny manodidina azy. Nahita izany ireo namany sy havany, ka lasa nampiasa ny tolotra ihany koa.

“Ampiasao ity tolotra ity fa afaka manampy anao raha sendra mila vola tampoka,” hoy izy niteny ireo akaiky azy.

Amin’ny maha mpanjifa mahatra-po an-dRamatoa Murielle dia manome ohatra tsara : mandoa ara-potoana hatrany ny vola nindraminy izy ary manentana ny manodidina azy hanao toy izany koa. Ho azy, ny tolotra m-kajy dia vahaolana tsoatra, manampy amin’ny filàna andavanandro ary afaka manohana ny asa fivelomana ihany koa.

Fanomezana tsy nampoizina nanova fiainana

Tamin’ny faran’ny taona 2025, nikarakara lalao izahay ho fankasitrahana ireo mpanjifa m-kajy mavitrika mpampiasa ny tolotra m-kajy. Tsotra ny fitsipika : isaky ny mamerim-bola ara-potoana ianao dia mahazo tapakila fandraisana anjara.

Fihetsika tsotra andavanandro izay mety hitondra fiovana goavana.

Herinandro vitsy taty aoriana, naneno ny findain-dRamatoa Murielle. Tsy nampoiziny ny vaovao henony : izy no mpandresy voalohany tamin’ilay lalao.

Akory ny hafaliany saika tsy nino mihitsy izy.
“Tena tsy nino aho… efa nanampy ahy be ny tolotra m-kajy, fa tena tsy nampoiziko ilay loka!”

Nahazo ny loka voalohany : finday Samsung Galaxy S25 Ultra, vokatry ny fahatokisany sy ny fahazotoany mampiasa ny tolotra.

Mihoatra lavitra noho ny findramam-bola tsotra ny m-kajy

Ankoatra ny findramam-bola, dia mampiasa ny tolotra fitehirizam-bola amin’ny m-kajy ihany koa i Ramatoa Murielle. Mitahiry vola matetika amin’ny Tahiry izy, izay nahafahany nitsinjo ny vodiandromerika.

“Manao tahiry manodidina ny 900 000 Ariary hatramin’ny 1 500 000 Ariary eo ho eo aho. Vao tsy ela akory izay, narary ny dadako. Nifanampy izahay mpiray tampo nandoa ny fitsaboana azy isam-bolana. Izaho no nanangona ny vola ary napetrako tao amin’ny kaonty Tahiry ilay izy, ka nahazo zanabola tsara”

Rehefa sendra zava-tsarotra tsy ampoizina, dia tena manampy be ny fanaovana tahiry. “Narary koa ny mamako taorian’izay. Afaka naka ny vola notehiriziko hatrizay aho hanefana ny fitsaboana azy.”

Ity tantaran-dRamatoa Murielle ity dia maneho fa tsy mijanona ho famahana olana vetivety fotsiny ny m-kajy, fa fitaovana manampy sy miaro amin’ny fiainana andavanandro.

Ao ambadik’ny findramam-bola tsirairay, ny tahiry tsirairay… dia misy tantara.

Ny tantaran-dRamatoa Murielle no porofo fa : rehefa mazoto sy manana fahazarana tsara ara-bola, dia mitondra vokatra lehibe ny zavatra kely atao isan’andro.

Ary ianao ? Mety ho ny fanapahan-kevitrao manaraka no hanova ny zava-drehetra.

Fantaro ny fomba hisoratana anarana amin’ny m-kajy !