i-ndrana 643, mpanohana ny Fosa Energy Drag Racing

Nivoaka ny 04/05/2026

Fotoana iray feno fihetseham-po ho an’ireo mpankafia hafainganam-pandeha ny Fosa Energy Drag Racing. Ary fotoana iray ihany koa handraisan’ny an’i i-ndrana 643 anjara.

Tsotra ny antony hanohananay ny hetsika : tsy eny an-dalana ihany no anehoana ny fahombiazana fa amin’ny alalan’ny fanohanana ary famaliana ny filàn’ny tsirairay.

Fijery iombonana : fomba fiasa haingana sy tsara

Nanomboka tamin’ny taona 2024, i-ndrana 643 dia manohana ny fanatanjahantena ara-motera ary mino fa ny hafainganam-pandeha sy ny fahombiazana dia tsy afa-misaraka amin’ny kalitao.

Ato anatin’ny tontolon’ny racing, tena zava-dehibe ny segondra tsirairay. Toy izany koa ny amin’ny fikarakarana ny fampindramam-bola. Izany fitiavana fahombiazana izany no manosika ny  i-ndrana 643 hanome tolotra findramam-bola haingana sy azo antoka. Satria ao ambadik’izay fangatahana iray dia misy tetikasa, tanjona ary fanantenana.

Fiaraha-miasa mitohy miaraka amin’i Runmada

Ho an’ity taom-pifaninanana 2026 ity, mitohy ny fiaraha-miasa amin’i Runmada, mpikarakara efa fanta-daza anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ara-motera eto Madagasikara. Nanomboka tamin’ny 2025 ity fiaraha-miasa ity ary mbola mitohy hatramin’izao sy mihamafy hatraay. Tsy miova ny tanjona : mikarakara hetsika mampiray sy feno fahatsiarovana.

Andro iray feno fihetseham-po tao Arivonimamo

Natao ny alahady teo tao amin’ny Base 213 Arivonimamo ny hetsika, ary tena nahafa-po tanteraka.

Tao anatin’ny fandaharam-potoana : ny dingana voalohany amin’ny Fifaninana ho tompon-dakan’i Madagasikara amin’ny run 400m, ny dingana voalohany amin’ny Motorbike Drag Trophy 400m, ary koa ny sprint interclub niaraka tamin’ny hetsika fanentanana toy ny show girl sy queen parade.

Nafana ny hetsika na ho an’ny mpanamory fiarakodia na ho an’ireo mpijery tonga mavitrika.

Nofaranana tamin’ny fanolorana amboara ny hetsika iray feno fihetseham-po ity.

Ary raha ny tetikasanao indray no hafainganana dieny izao ?