Safidio ny tolotra findramam-bola mety ho an’ny fetin’ny Fahaleovantena

Nivoaka ny 16/06/2026

Anisan’ny fotoana andrasan’ny maro indrindra eto Madagasikara ny fetin’ny Fahaleovantena. Eo ny fankalazana miaraka amin’ny fianakaviana, ny fivezivezena, ny fanomanana isan-karazany ary eo ihany koa ireo tetikasa na ara-barotra. Matetika mitaky fandaniana fanampiny izany rehetra izany.

Ho an’ny olontsotra na mpandraharaha, ny findramam-bola dia vahaolana haingana iray ahafahana manatanteraka tetikasa iray na mamaly filàna ara-bola maika. Na izany aza, alohan’ny hirosoana amin’ny findramana dia ilaina ny misafidy ny tolotra mifanaraka amin’ny toe-bola sy ny tanjona kendrena.

1. Farito mazava ny antony hilanao findramam-bola

Alohan’ny hanaovana fangatahana findramam-bola dia tsara ny mamantatra mazava ny filànao.

Te hampandroso ny asanao ve ianao ? Te hanitatra asa fivelomanao sa misy fandaniana manokana ?

Ny fandinihana izany dia hanampy anao hamantatra ny vola tena ilainao ary hisoroka ny fangatahana mihoatra noho izay tena ilaina. Ny findramam-bola mifanaraka amin’ny filàna dia manampy ihany koa hitantana tsara ny vola sy hamerim-bola am-pilaminana.

2. Misafidiana tolotra findramam-bola mifanaraka amin’ny filànao

Tsy mitovy ny tanjon’ny karazana tolotra findramam-bola rehetra. Miankina amin’ny tetikasanao ny safidy tokony hatao.

Ny fampindramam-bola ho an’ny olon-tsotra dia afaka manampy amin’ny famatsiana ireo fandaniana andavanandro na tetikasa ao an-tokantrano. Ny crédit PME kosa dia natao indrindra ho an’ireo mpandraharaha te hanitatra na hampiroborobo ny asany.

Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra dia makà fotoana hahafantarana ny mampiavaka ilay fampindramam-bola sy ireo fepetra mifandraika aminy.

3. Tombano ny fahafahanao mamerim-bola

Alohan’ny hanaovana fangatahana findramam-bola dia ataovy azo antoka fa mifanaraka amin’ny teti-bolanao sy ny vola miditra aminao ny vola aloanao isam-bolana.

Mba hanaovana izany dia diniho ny vola miditra isam-bolana, ny fandaniana mahazatra, ny adidy isan-karazanay ary ireo zavatra tsy maintsy efaina.

Ny fampindramam-bola mety dia ilay manana fe-potoana sy vola aloa mifanaraka amin’ny toe-bolanao. Izany dia ahafahanao mamerim-bola am-pitoniana sy mandanjalanja ny teti-bolanao.

4. Ampitahao ireo fepetra amin’ny tolotra

Alohan’ny hanaovana sonia ny fifanarahana dia makà fotoana hampitahana ireo fepetra samihafa: ny vola azo, ny fe-potoana famerenam-bola, ny daty sy fomba famerenam-bola.

Aza misalasala mametraka fanontaniana amin’ny masoivohonao mba hahazoanao tsara ny antsipiriany. Arakaraka ny maha mazava ny fepetra no maha mora kokoa ny misafidy vahaolana mety anao.

Ankafizo am-pitoniana ny 26 Jona !

Na te hampivelatra ny asanao, na hanatanteraka tetikasa iray akaiky ny fonao, dia afaka manampy anao hanatanteraka izany ny findramam-bola mifanaraka amin’ny filànao.

Jereo eto avokoa ireo tsidiho ireo tolotra fampindramam-bola atolotray ary mahazoa ny torohevitra avy amin’ireo ekipanay.