Te hitantana tsara ny volanao ve ianao ? Na te hanatanteraka ny tetikasanao, na koa te hampiasa tolotra ara-bola mora ampiasaina amin’ny andavanandro ?
Manana vahaolana mety aminao izahay na olontsotra ianao, na mpiasa amin’ny orinasa, na mpandraharaha na ihany koa tantsaha.
Ny “Pack Misandratra” dia tolotra feno ahitana tahiry, findramam-bola, fiarovana ary tolotra nomerika.
Tolotra natao ho an’ny andavanandronao
Ny fitantam-bola mahomby dia midika ho fahaizana mikajy ny fandaniana andavanandro sy ny tahiry ho an’ny hoavy.
Ny Pack Misandratra dia ahafahanao mikirakira ny volanao amin’ny andavanandro amin’ny alalan’ny « Compte à vue », ary ihany koa manampy anao hampitombo ny tahirinao ho fanomanana ny tetikasanao.
Rehefa misafidy ny Pack Misandratra ianao dia afaka mitantana tsara ny volanao sy mampitombo izany tsikelikely hiantohana ny hoavinao.
Findramam-bola mifanaraka amin’ny tanjonao
Satria miavaka ny tetikasa tsirairay, ny Pack Misandratra dia manampy anao hanatanteraka izany amin’ny alalan’ny tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filanao.
Na mpandraharaha ianao, na mpiasa, na tantsaha, na mpivarotra na koa mpiasa matihanina, dia afaka misitraka tolotra findramam-bola mifanaraka amin’ny filanao. Na findramam-bola hanitarana asa izany na fanohanana tetikasa manokana, ny Pack Misandratra dia natao hanampy anao hivoatra.

Fiantohana manome fitoniana
Ny Pack Misandratra dia ahitana ihany koa ny fiantohana Ma-ARO. Ity tolotra ity dia manampy anao hiatrika ny tetikasanao am-pitoniana sady mahazo fiarovana fanampiny.
Tolotra nomerika PAMF azo ampiasaina na aiza na aiza
Mba hanamora ny fitantananao vola, miaraka amin’ny Pack Misandratra, afaka misitraka ireo tolotra nomerika PAMF ianao.
Afaka misafidy ianao na hampiasa ny chatbot AI-na amin’ny Messenger sy WhatsApp na ny koa ny « application mobile » Net-Tsara. Ireo fitaovana ireo dia ahafahanao mitantana ny kaontinao sy manao ny mandefa vola ao amin’ny kaontinao, na aiza na aiza misy anao.
Fisintonam-bola amin’ny Orange Money
Ny tolotra Bank to Wallet dia ahafahanao mandefa vola mora foana avy amin’ny kaontinao PAMF mankany amin’ny Orange Money. Tsy mila manatona masoivoho ianao, fa afaka mandray ny vola avy hatrany ao amin’ny kaontinao amin’ny finday.
Tolotra iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka
Rehefa misafidy ny Pack Misandratra ianao dia afaka misitraka ireo tolotra isan-karazany iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, izay azonao hisafidianana.
Ho an’ny fivezivezena, misy ireo tolotra iarahana amin’ny GMM, Madauto, CT Motors ary Dada Tama Motors. Tsy adino koa ireo finday mitondra ny marika Itel sy Infinix raha te hampiasa teknolojia avo lenta ianao.
Raha ho an’ny fampiasana angovo madio, dia misy ny ireo tolotra avy amin’ny Heri, Inergy Solutions, Jiro Ve ary Total Energies.
Ho an’ny entona fampiasa an-trano kosa dia afaka misitraka ny tolotra avy amin’ny Vitogaz ianao.
Vahaolana feno manampy anao isan’andro
Ny Pack Misandratra dia ahitana ireo tolotra rehetra ilainao, manampy anao hitantana ny andavanandronao sy hanatanteraka ny tanjonao.
Manatona ny masoivoho PAMF akaiky anao hahafantaranao bebe kokoa ny Pack Misandratra sy hisitrahanao ireo tolotra ao anatiny.