Manolotra vahaolana ara-bola izahay mba hahafahan’ireo mpanjifa rehetra manatanteraka sy mitrandraka ny tetikasany mifanaraka amin’ny filany.

Ny « Première Agence de Microfinance (PAMF) » Madagasikara dia orinasa izay eo ambany fiahian’ny « Agence Aga Khan pour la Microfinance (AKAM) ». Mirehareha izahay amin’ireo anjara biriky nentinay izay manana fiantraikany maneran-tany, noho ny asan’ny « Réseau Aga Khan de développement(AKDN) ». Tanjonay ny hanome fahafahana ireo mpanjifa hanatanteraka ny tetikasany araka izay mampety azy.
Manana filamatra izay mampiavaka azy ny « Réseau Aga Khan de Développement (AKDN) » ary maniry ny hamongotra ny fahantrana maneran-tany amin’ny alàlan’ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo olona sahirana sy marefo ara-pivelomana. Ny « Agence Aga Khan pour la Microfinance (AKAM) » dia iray amin’ireo sampan-draharaha ao anatin’ny tambazotra AKDN izay mikendry hatrany ny fanatanterahana izany fanamby izany. Tambazotra banky lehibe sy toerana fampindramam-bola madinika maro no napetraka manerana ny kaontinanta efatra sy amin’ireo firenena 10, koa isan’izany ny « Première Agence de Microfinance » (PAMF) Madagasikara.

m-kajy

Fantaro ireo tolotra vaovao misy amin’ny alalan’ny finday

Laham-pahamehana ho anay ianao mpanjifa. Fantaro ary ireo mpanjifa izay nahazo tombontsoa tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny PAMF

FA INONA

NO MAMPIAVAKA ANAY?

Toeram-piasana manana ny maha izy azy ny PAMF ka sarotiny amin’ny fahalalahana sy fivelaran’ny mpiasa tsirairay ara-kasa. Isan’ny mampiroborobo ny orinasa ny fanana mpiara-miasa mazoto. Noho izany indrindra no nametrahana ny politika mijery ny mahaolona izay mipetraka amin’ny fitoviana, fanazarana ary fampazotoana
MISY IZAHAY SATRIA TE HANAMPY ANAREO HANATRATRA
NY TANJONAO SY NY TOSIKA ARA-BOLA IZAY ILAINAO

+

Mpanjifa

+

Asa noforonina

+

Tetikasa novatsiana vola

+ 400 000 ny mpanjifa
+ 1 143 ny asa noforonina
+ 250 000 ny Tetikasa novatsiana