Fahazarana tsotra 5 hanampy anao hitahiry vola amin’ny fomba tsotra

Nivoaka ny 30/10/2025

Rehefa mitahiry vola dia tsy midika akory hoe tsy maintsy mihafy. Ny zava-dehibe dia ny fahazarana tsara sy ny fanarahana fitsipika tsotra izay afaka mitondra fiovana lehibe.

Nohon’ny fisian’ny tolotra ara-bola nomerika sy ireo tolotra fitahirizam-bola isan-karazany, dia afaka manomana ny hoaviny ara-bola ny tsirairay nefa tsy misy fanerena.

Ireto ary misy torohevitra 5 omenay anao, izay hanampy anao hitahiry vola am-pilaminana !

1. Ataovy "automatique" ny tahirinao

Ny dingana voalohany raha te hanamora ny fitahirizam-bola dia ny fandefasanavola « automatique » ao amin’ny kaonty.

Ohatra, afaka mandamina famindrana vola tsy tapaka avy amin’ny kaonty ampiasainao isan’andro mankany amin’ny kaonty tahiry ianao. Amin’izay fotoana izao dia lasa fahazarana tsotra ny mitahiry vola.

Na dia vola kely apetraka isam-bolana aza dia afaka mitondra fiovana lehibe rehefa mandeha ny fotoana.

Ankoatra izany, miaraka amin’ny Wallet to Bank sy ny tahiry amin’ny finday, dia mbola mora kokoa izany satria afaka mitantana ny tahirinao mivantana amin’ny findainao ianao, amin’ny fotoana mety aminao.

2. Mametraha tanjona mazava

Ny mitahiry vola tsy misy tanjona dia toy ny mandeha an-dranomasina tsy misy tari-dalana.

Noho izany dia zava-dehibe ny mametraka drafitra mazava: mety ho fialantsasatra, fanorenana trano, na tahiry ho an’ny ankizy.

Manampy anao hitazona ny fahavononana izany ary hahita mazava ny vokatr’ireo ezaka ataonao ianao.

Rehefa mametraka tanjona azo tanterahina anatin’ny fe-potoana voafaritra ianao dia lasa zavatra mampientanentana ny fitahirizam-bola vola fa tsy fanerena.

3. Araho maso ireo fandaniana madinika

Indraindray ireo fandaniana madinika isan’andro no mety hampihena be ny teti-bola : kafe isan-maraina, sakafo aterina, na famandrihan-toerana tsy ampiasaina intsony.

Rehefa fantatrao ireo fandaniana ireo dia afaka mampihena izany ianao ka tehirizanao ny vola.

Afaka mampiasa « application »na fafana fanaovana kajy tsotra ianao hanarahanao maso ireo fandaniana rehetra.

Ny tanjona dia tsy ny hihafy, fa ny hampiasa amim-pahendrena ny volanao amin’ny zavatra tena ilaina.

Ny fitantanana tsara ny vola isan’andro arak’izany dia manampy amin’ny fananganana tahiry maharitra.

4. Manokafa kaonty tahiry samihafa

Aza atambatra anaty kaonty iray ny volanao rehetra !

Mitehiriza vola amin’ny kaonty samihafa mba hahafahanao manana tahiry maharitra :

  • Tahiry tsotra ho an’ny vola kirakiraina amin’ny andavanandro
  • Tahiry voafetra anatin’ny fotoana mba hampitomboana ny volanao
  • Kaonty « Dépôt à terme »ho an’ny tetikasa lavitra ezaka

Voaaro ny volanao amin’izay fotoana izay, ary afaka mahazo tombony bebe kokoa ianao.

5. Misafidiana mpiara-miombon’antoka azo antoka

Ny tahirinao dia mendrika fahatokisana sy vokatra tsara.

Zana-bola tsara indrindra eto amin’ny tsena no atolotray ato amin’ny PAMF rehefa mitahiry vola ianao. Afaka mahazo zanabola hatramin’ny 7,5 % be izao ianao amin’ireo tolotra fitahirizam-bola omenay. Tsotra ny fanokafana kaonty ary natao hifanaraka amin’ny filànao ireo tolotra misy. Afaka manokatra kaonty ianao eny amin’ny masoivoho PAMF na amin’ny alalan’ny finday miaraka amin’ny m-kajy.

💡 Vonona ary ve ianao ?

Tanteraho ny tetikasanao ! Fantaro ireo tolotra fitahirizam-bola hanampy anao hanangana tahiry maharitra sy milamina.

👉 Jereo ato amin’ny tranokalanay ireo tolotra rehetra misy.