Mitombo isa ny masoivoho PAMF any amin’ny faritra avaratra

Nivoaka ny 07/04/2026

Manamafy ny fisiany ao amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara ny PAMF, amin’ny fanokafana masoivoho vaovao sy fanatsarana ireo masoivoho teo aloha.

Mitohy hatrany ny ezaka ataonay hanakaiky ny mpanjifa, amin’ny fametrahana masoivoho amin’ny endriny vaovao ao Antsiranana, Antsohihy ary Mandritsara.

Ny tanjona amin’izany dia tokana ihany : hanamora ny fisitrahana tolotra ara-bola ho an’ny rehetra sy handray anjara amin’ny ny fampandrosoana eny ifotony.

Fanokafana ny masoivoho PAMF faha 22 ao Antsiranana

Dingana vaovao ho an’ny PAMF ity fanokafana ny masoivoho vaovao ao Antsiranana ity, izay manamafy ny fisianay ao amin’ny faritra DIANA.

Nosokafana sy notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 30 martsa lasa teo tao Tanambao Atsimo izany. Notanterahina teo ambany fiahian’ny Lehiben’ny Faritra sy teo ambany fanohanan’ny Prefet an’Antsiranana ny lanonana. Voninahitra lehibe ho anay ny nandray ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ireo mpiara-miombon’antoka, sy ireo mpandraharaha ara-toekarena tao an-toerana nandritr’izany fotoana izany.

Raha tsiahivina dia efa misy masoivoho ao Ambanja sy Ambilobe, fa ankehitriny kosa dia manamafy ny fiorenanay any Avaratra izahay amin’ny alalan’ny masoivoho Antsiranana.

Antsiranana, izay tanàna manana ny lazany ara-toekarena, ary mendrika tolotra mifanaraka amin’izany.

Ankoatra ny fotodrafitrasa maoderina, ny fitaovana ary ny teknolojia ampiasainay, dia vonona hanome fahafaham-po ny mpanjifa izahay amin’ity masoivoho vaovao ity.

Antsohihy : masoivoho nohavaozina ho fanatsarana ny tolotra

Ho fanohizana ny ezaka fanatsarana izay imasoanay, dia nohavaozina tanteraka ny masoivoho ao Antsohihy, ao Ambalabe Andrefana.

Anisan’ireo masoivoho PAMF voalohany nisy teto Madagasikara izy io ary fanta-daza ao amin’ny faritra SOFIA. Rariny sy hitsiny araka izany raha hasiam-panavaozana. Ny fanatsarana dia natao hanomezana tontolo maoderina kokoa sy mamaly ny filan’ny mpanjifa.

Notokanana tamin’ny 28 martsa, teo ambany fiahian’ny Governoran’ny faritra SOFIA, ity masoivoho ity. Ny lanonana dia natrehin’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana, ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo mpanjifa mahafatra-po.

Ankoatra ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana, dia manasongadina ny fandraisanay anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ity masoivoho ity. Mampiasa angovo azo avy amin’ny masoandro izahay mba hampihenana ny fandaniana sy ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana.

Rivo-baovao ho an’ny masoivoho Mandritsara

Anisan’ireo toerana manan-danja amin’ny tantaranay i Mandritsara. Efa niorina nandritr’izay 20 taona nisian’ny PAMF Madagasikara izay ity masoivoho Mandritsara mantsy. Niova endrika sy niova toerana ao Ambalabe Mandritsara izy amin’izao fotoana izao.

Ny foto-drafitrasa vaovao dia natao hanomezana tontolo mahafinaritra kokoa sy mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa.

Notanterahina ny 27 martsa lasa teo, teo ambany fiahian’ireo solombavambahoaka voafidy ao Mandritsara sy niaraka tamin’ny fanohanan’ny Lehiben’ny Distrika, ny lanonam-pitokanana. Vahiny maro no tonga nanome voninahitra izany.

Mihoatra noho ny fanovana trano, dia fanapahan-kevitra mazava : hanolotra toerana iray hahafahanareo mahatsiaro ho voaray tsara, henoina ary tohanana.

Mbola akaiky kokoa anareo, anio sy rahampitso

Amin’ny alalan’ireo fanokafana telo ireo, manamafy indray ny iraka ijoroan’ny PAMF : hanamora ny fahazoana tolotra ara-bola ary hanohana ny dian’ny tsirairay, ny tetikasa tsirairay ary ny nofinofy tsirairay.

📲 Te hanaraka ny vaovao farany sy hahafantatra ny hetsika ataonay ve ianao ? Araho tsy tapaka ny tranokalanay mba tsy ho diso anjara ianao !