
Anatin’ny fianakaviana maro, misy lohahevitra iray mbola zara raha resahina: ny vola.
Indraindray resahina amin’ny feo malefaka izy io, ary matetika aza tsy resahina mihitsy. Toy ny hoe lohahevitra saropady na tsy tokony horesahina. Kanefa, ao ambadik’io fahanginana io dia matetika misy fanontaniana sy fisalasalana… ary indrindra koa faniriana hahatakatra bebe kokoa.
Ary ahoana raha ovaina izany ?
Alaivo sary an-tsaina anie ny fotoana hahafahana miresaka malalaka momba ny tetibola, ny tahiry na koa ny safidy ara-bola. Resaka tsotra, nefa manampy ny tsirairay hahafantatra ny fomba fitantanam-bola isan’andro.
Izany indrindra no tanjon’ny Global Money Week 2026, hetsika iraisam-pirenena natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola. Amin’ity taona ity, mazava ny lohahevitra : « Andao hahasahy hiresaka momba ny vola ».
Satria raha ny marina, tsy tokony ho fady ny miresaka vola. Ny fifampizarana, ny fanontaniana ary ny fianarana no manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ho an’ny hoavintsika ara-bola.
Maninona no zava-dehibe ny miresaka momba ny vola ?
Mampiasa vola foana isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro : rehefa miantsena, rehefa mandoa faktiora, na rehefa mitahiry vola ho an’ny tetikasa iray. Kanefa, anatin’ny tokantrano maro dia mbola vitsy ny miresaka momba azy.
Tsy hoe tsy mahaliana ny resa-bola, fa tsy nampianarina hiresaka momba izany isika. Lasa lohahevitra ialàna na avela mangina fotsiny.
Kanefa indraindray dia resaka tsotra monja dia afaka manova ny fomba fijerintsika. Rehefa manomboka miresaka vola ny fianakaviana iray, dia misy fahalalana sarobidy ampitaina.
Mianatra tsikelikely ny ankizy fa ny vola tsy natao holaniana fotsiny ihany, fa mila tantanana amim-pitandremana. Mianatra mandamina fandaniana, misoroka ny fividianana tampoka, ary mieritreritra ny tahiry ho an’ny ho avy.
Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy lohahevitra saropady intsony ny vola. Lasa fitaovana manampy antsika hitantana tsara kokoa ny volantsika.
Ny fanabeazana ara-bola, lakilen’ny hoavy mamiratra
Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hahafantatra bebe kokoa ny fomba fiasan’ny vola. Manampy ihany koa izy io hananganana fiarovana ara-bola ho an’ny hoavy.
Ny dingana voalohany dia ny fanaraha-maso ny fandaniana. Rehefa fantatra izany dia mora kokoa ny mandamina ny tetibola sy ny tahiry.
Na dia tahiry kely aza dia mety hitondra fiovana lehibe. Afaka manampy hiatrehana toe-javatra tsy ampoizina izy ireny, ary manampy koa amin’ny fanatanterahana tetikasa.
Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hitantana ny vola amin’ny fomba mahomby kokoa ary handray fanapahan-kevitra mazava.
« Microfinance » : manampy amin’ny fampiatiana ara-bola
Manana anjara toerana lehibe, ho an’ny firenena maro, ny « microfinance » amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra ara-bola.
Tafiditra anatin’izany ny tahiry, ny fampindramam-bola ho an’ny tetikasa, na koa ny fanomezana torohevitra ara- bola. Manampy ny fianakaviana sy ny mpandraharaha hitantana tsara ny volany izy ireo arak’izany.
Amin’ny maha mpisehatra amin’ny fampiatiana ara-bola, ny PAMF dia handray anjara mavitrika amin’ny fankalazana nhy Global Money Week 2026.
Hisy hetsika maro hotanterahina amin’izany : toy ny fanentanana any amin’ny toerana isan-karazany, lahadinika, fifanakalozan-kevitra, ary hetsika hanentanana ny olona hiresaka bebe kokoa momba ny fanabeazana ara-bola sy ny fitantanana vola.
Araho akaiky ny fankalazana ny Global Money Week 2026 !
Jereo eto ireo vaovao rehetra zarainay mba hahafantaranao ireo hetsika, torohevitra ary fanentanana hozarainay mandritr’ity fankalazana natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola ity.