
Anatinâny fianakaviana maro, misy lohahevitra iray mbola zara raha resahina: ny vola.
Indraindray resahina aminâny feo malefaka izy io, ary matetika aza tsy resahina mihitsy. Toy ny hoe lohahevitra saropady na tsy tokony horesahina. Kanefa, ao ambadikâio fahanginana io dia matetika misy fanontaniana sy fisalasalana⊠ary indrindra koa faniriana hahatakatra bebe kokoa.
Ary ahoana raha ovaina izany ?
Alaivo sary an-tsaina anie ny fotoana hahafahana miresaka malalaka momba ny tetibola, ny tahiry na koa ny safidy ara-bola. Resaka tsotra, nefa manampy ny tsirairay hahafantatra ny fomba fitantanam-bola isanâandro.
Izany indrindra no tanjonâny Global Money Week 2026, hetsika iraisam-pirenena natokana ho anâny fanabeazana ara-bola. Aminâity taona ity, mazava ny lohahevitra : « Andao hahasahy hiresaka momba ny vola ».
Satria raha ny marina, tsy tokony ho fady ny miresaka vola. Ny fifampizarana, ny fanontaniana ary ny fianarana no manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ho anâny hoavintsika ara-bola.
Maninona no zava-dehibe ny miresaka momba ny vola ?
Mampiasa vola foana isika eo aminâny fiainantsika andavanandro : rehefa miantsena, rehefa mandoa faktiora, na rehefa mitahiry vola ho anâny tetikasa iray. Kanefa, anatinâny tokantrano maro dia mbola vitsy ny miresaka momba azy.
Tsy hoe tsy mahaliana ny resa-bola, fa tsy nampianarina hiresaka momba izany isika. Lasa lohahevitra ialĂ na na avela mangina fotsiny.
Kanefa indraindray dia resaka tsotra monja dia afaka manova ny fomba fijerintsika. Rehefa manomboka miresaka vola ny fianakaviana iray, dia misy fahalalana sarobidy ampitaina.
Mianatra tsikelikely ny ankizy fa ny vola tsy natao holaniana fotsiny ihany, fa mila tantanana amim-pitandremana. Mianatra mandamina fandaniana, misoroka ny fividianana tampoka, ary mieritreritra ny tahiry ho anâny ho avy.
Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy lohahevitra saropady intsony ny vola. Lasa fitaovana manampy antsika hitantana tsara kokoa ny volantsika.
Ny fanabeazana ara-bola, lakilenâny hoavy mamiratra
Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hahafantatra bebe kokoa ny fomba fiasanâny vola. Manampy ihany koa izy io hananganana fiarovana ara-bola ho anâny hoavy.
Ny dingana voalohany dia ny fanaraha-maso ny fandaniana. Rehefa fantatra izany dia mora kokoa ny mandamina ny tetibola sy ny tahiry.
Na dia tahiry kely aza dia mety hitondra fiovana lehibe. Afaka manampy hiatrehana toe-javatra tsy ampoizina izy ireny, ary manampy koa aminâny fanatanterahana tetikasa.
Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hitantana ny vola aminâny fomba mahomby kokoa ary handray fanapahan-kevitra mazava.
 « Microfinance » : manampy aminâny fampiatiana ara-bola
Manana anjara toerana lehibe, ho anâny firenena maro, ny « microfinance » aminâny alalanâny fanomezana tolotra ara-bola.
Tafiditra anatinâizany ny tahiry, ny fampindramam-bola ho anâny tetikasa, na koa ny fanomezana torohevitra ara- bola. Manampy ny fianakaviana sy ny mpandraharaha hitantana tsara ny volany izy ireo arakâizany.
Aminâny maha mpisehatra aminâny fampiatiana ara-bola, ny PAMF dia handray anjara mavitrika aminâny fankalazana nhy Global Money Week 2026.
Hisy hetsika maro hotanterahina aminâizany : toy ny fanentanana any aminâny toerana isan-karazany, lahadinika, fifanakalozan-kevitra, ary hetsika hanentanana ny olona hiresaka bebe kokoa momba ny fanabeazana ara-bola sy ny fitantanana vola.
Araho akaiky ny fankalazana ny Global Money Week 2026 !
Jereo eto ireo vaovao rehetra zarainay mba hahafantaranao ireo hetsika, torohevitra ary fanentanana hozarainay mandritrâity fankalazana natokana ho anâny fanabeazana ara-bola ity.