Fahazarana ilaina ny miresaka momba ny vola !
Hetsika iray mandritry ny fankalazana ity herinandro manerantany momba ny vola ity ny « Salon GMW 2026 ». Tontosaina eny amin’ny Fakiolite EGS, ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo izany ary mampivondrona ireo mpianatra sy mpisehatra ao amin’ny sehatra ara-bola maro.
Mazava ny tanjona : hamporisika ny fifanakalozan-kevitra sy hanala ny sakana amin’ny firesahana momba ny vola.
Sehatra iray mampifandray ny mpisehatra ara-bola sy ny mpianatra

Mandritry ny telo andro, ny 17 hatramin’ny 19 martsa, dia niova ho toerana fampiratiana amin’ny sehatra ara-bola ny Fakiolite EGS. Ahitana tranoheva maro sy famelaberan-kevitra.
Mandray anjara amin’izany ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ireo mpisehatra amin’ny fampiatiana ara-boka. Ny tanjona iombonana dia hanamorana ny fahazoana sy ny fitantanana vola ho an’ny rehetra.
Voninahitra lehibe ho anay nanatrika ny lanonana fanokafana ofisialy sy nandray ireo solotenam-panjakana teo amin’ny tranohevanay.
Zava-dehibe tokoa izany fa ny tena mandanja dia ny fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ireo tanora sy mpianatra.
Fifanakalozan-kevitra mivantana amin’ny mpianatra

Ny tranohevanay, eo ivelan’ny Fakiolite EGS dia lasa toerana fifampiresahana sy fifanatonana amin’ireo mpianatra.
Nandeha ho azy ny resaka amin’ireo tanora. Nametraka fanontaniana izy ireo, Nizara ny ahiahiny, ary nahita fa azo atao tsara ny miresaka momba ny vola amin’ny fomba tsotra sy tsy misy henatra.
Ny antony hijoronay eny an-toerana dia ny hanamorana ny fanentanana ireo tanora. Satria matetika dia resaka tsotra no mitarika ny fahalalana momba ny vola.
Fotoana ihany koa izany nanoloranay vahaolana mifanaraka amin’ny tanora, toy ny tolotra « Épargne Avenir enfant/Éducation », natao hanohanana ny tetikasa sy hanampy azy ireo hanorina ny hoaviny am-pitoniana.
Tahiry : dingana mankany amin’ny fahaleovantena

Ny firesahana momba ny vola dia midika ihany koa ho fizarana torohevitra azo ampiharina momba ny vola.
Izany no antony andraisanay anjara amin’ny famelaberan-kevitra « Tahiry, antoka ho an’ny fahaleovantena », izay natao ho an’ny tanora sy ny mpianatra.
Ny hafatra lehibe ampitainay dia hoe : ny mitahiry vola dia tsy mametraka vola fotsiny ihany, fa fomba iray miantoka ny hoavy.
Tianay porofoina amin’ny tanora fa ny fahazarana mitahiry vola dia mitondra vokatra lehibe, ary ny tahiry dia fitaovana iray ahafahana manatanteraka tetikasa.
Ny fahaleovantena ara-bola dia tsy miankina amin’ny habetsaky ny vola anananao, fa amin’ny fahazarana apetrakao isan’andro.
Araho tsy tapaka ireo vaovao zarainay !
👉 Araho eto amin’ny tranokala ireo hetsika rehetra ataonay mandritry ny GMW 2026. Tsidio ihany koa ireo torohevitra omenay hanampy anao hitantana ny volanao amin’ny fomba mahomby.