Pack Ny Ho Avy : omany anio ny hoavin’ny zanakao

Nivoaka ny 25/06/2026

Misy fanapahan-kevitra tsy natao ho an’ny androany ihany fa ho hiankin’ny fiainana manontolo. Anisan’izany ireo fanapahan-kevitra raisina ho an’ny zanaka.
Satriamijery lavitra hatrany ny ray aman-dreny, ny Pack Ny Ho Avy an’ny PAMF dia natao hanampy ireo te hanomana hoavy milamina sy maharitra ho an’ny zanany.

Fihetsika kely iray dia afaka manorina ny hoavy

Matetika dia manomboka amin’ny hevitra tsotra izany : mitahiry vola tsikelikely hanomanana ny hoavy.

Amin’ny alalan’ny Pack Ny Ho Avy, afaka manokatra kaonty « Épargne Avenir Enfant » ho an’ny zanakao ianao. Natao manokana ho an’ny ankizy izy, amin’ny taha-jana-bola tsara indrindra 7,5 %.

Tsy tahiry fotsiny izany fa fomba iray hananganana fahazarana tsara sy fiarovana ara-bola. Ary koa manampy anao amin’ny fanomanana ny hoavin’ny zanakao.

Ho fanamorana ny fitantanam-bola andavanandro ihany koa, dia ahitana kaonty fikirakira isan’andro ny Pack Ny Ho Avy.

Satria tsy afaka miandry ny fanabeazana

Tsy tokony hitondra tebiteby ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra.

Ho fanampiana anao amin’izany, ny Pack Ny Ho Avy dia manolotra Crédit Éducation, tolotra findramam-bola hanampy anao amin’ny saram-pianarana, mba tsy hanelingelina ny fianaran’ny zanakao.

Afaka manomana mialoha ny zavatra tena manan-danja ho an’ny fahombiazan’izy ireo ianao.

Miaro izay tena sarobidy aminao

Ny hoe ray aman-dreny dia midika ihany koa ho fiarovana ny zanaka amin’ny fotoana rehetra.

Tafiditra ao anatin’ny Pack Ny Ho Avy ny fiantohana Ma ARO, izay  ahitana :
• fiantohana any an-tsekoly : miaro ny ankizy raha misy loza na tranfa tsy ampoizina any an-tsekoly na eny an-dalana
• andraikitra sivily amin’ny fiainana andavanandro, raha sendra misy fahavoazana tsy nahy natao tamin’ny olon-kafa

Satria manan-danja ny fiarovana, ny fiantohanadia mitondra tombony goavana raha misafidy ity Pack ity.

Mitantana ny kaontinao na aiza na aiza

Amin’izao fotoana izao, tokony ho tsotra sy haingana ny fitantanana ara-bola.

Amin’ny alalan’ireo tolotra nomerikan’ny PAMF, afaka mikirakira sy mandefa vola avy amin’ny kaontinao PAMF mankany amin’ny kaonty tahirin’ny zanakao ianao. Azonao atao amin’ny alalan’ny chatbot AI-na ao amin’ny Messenger sy WhatsApp na ny application mobile Net-Tsara izany.

Ary amin’ny alalan’ny Bank to Wallet, afaka mandefa vola mora foana avy ao amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny Orange Money ianao, amin’ny fotoana rehetra.

Manokatra varavarana maro ho an’ny fianakaviana

Ny Pack Ny Ho Avy dia mihoatra lavitra noho ny tolotra ara-bola. Satria ahafahanao misitraka ireo tolotra avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hanamorana ny fiainana andavanandro.

Raha mila fitaovam-pitaterana, dia afaka misitaka ireo tolotra isan-karazanay avy amin’ny GMM, Madauto, CT Motors na Dada Tama Motors ianao.

Ho an’ny fitaovana sy jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro kosa dia maro azo isafidianana ireo tolotra miaraka amin’ny Heri, Inergy Solutions, Jiro Ve ary Total Energies, izay ahafahan’ny ankizy mianatra na dia misy fahatapahan-jiro aza.

Manome toky anao ny fiaraha-miasa amin’ny Vitogaz raha te hampiasa entona fandrehitra ao an’ny tokantrano.

Ho an’ny teknolojia kosa dia afaka mandoa tsikelikely ireo finday sy powerbank avy amin’ny Itel sy Infinix ianao amin’ny Pack Ny Ho Avy.

Pack natao ho an’ireo manan-danja aminao

Mihoatra lavitra noho ny tolotra ara-bola ny Ny Pack Ny Ho Avy.

Fomba iray hanomanana ny hoavin’ny zanakao anio : hanohana ny fianarana, miaro azy amin’ny alalan’ny fiantohana, miantoka ny hoaviny ara-bola.

Satria ny ray aman-dreny tsirairay dia efa manorina ny hoavin’ny zanany amin’ny alalan’ny fihetsika tsotra isan’andro.

Manatona ny masoivoho PAMF akaiky anao hisitrahanao ny Pack Ny Ho Avy sy hanomanao hoavy mamiratra ho an’ny zanakao.