
Maneho ny fandraisany andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina ny orinasa iray rehefa miseho amin’ny alalan’ny asa mivaingana ho an’ireo olona tena mila fanohanana izany. Ho fanamarihana ny Iray volan’ny ankizy sy ny fankalazana ny Asaramanitra, dia nanolotra fanohanana ho an’ny Centre Nouveau Relais des Jeunes (NRJ) Andavamamba ho an’ireo ankizy sahirana manodidina ny 300 mipetraka ao.
Ity hetsika ity dia manamafy indray ny fanirianay hametraka ny soatoavina maha olombelona ho ivon’ny asa rehetra ataonay, ary hanohananay isan’andro ireo fiarahamonina.
Fanohanana mivaingana ho an’ireo ankizy marefo indrindra
Nandritr’ity hetsika ity, dia natolotra kojakoja ilaina andavanandro, bodofotsy ary akanjo mafana ho an’ireo ankizy ao amin’ny NRJ izahay. Tafiditra anatin’izany ireo ankizy mipetraka ao amin’ny ivo-toerana sy ireo tanora raisina ao amin’ny trano fandraisana vonjimaika.
Niasa ho an’ireo ankizy miaina an-dalambe na ao anatin’ny fahasahiranana lalina, nandritry ny taona maro, ny Centre NRJ. Ireo ivon-toerana ao Andavamamba sy Mandroseza, dia manome fanohanana sy fanabeazana ho an’ireo ankizy, izay matetika iharan’ny fanilikilihana, tsy fandriampahalemana ary fahasahiranana ara-pianakaviana.
Ankoatra ny fanampiana ara-materialy, dia mitondra hafatra tsotra nefa manan-danja ity hetsika ity : ny ankizy tsirairay dia mendrika ho hita, ho arovana, ho henoina ary ho tohanana amin’ny lalam-piainana diaviny.
Andraikitra RSE an’ny orinasa

Ny politika RSE na ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina dia tsy mijanona eo amin’ny rafitra ara-pitantanana fotsiny ihany. Miseho amin’ny alalan’ny asa mivaingana izany, izay natao hanatsarana maharitra ny fiainan’ireo olona marefo indrindra.
Nanomboka ny taona 2006, miasa isan’andro izahay mba hanamorana ny fisitrahan’ny rehetra ireo tolotra ara-bola sy hampihenana ny fahantrana eto Madagasikara. Saingy tsy mijanona amin’ny asanay fototra izany fanoloran-tena izany. Heverinay fa andraikitray ihany koa ny mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy mamaly, araka izay azo atao, ireo filàna fototry.
Ny vinanay dia mifototra amin’ny hoe : tsy misy fampandrosoana maharitra raha tsy misy firaisankina, fihainoana ary fanohanana ireo olona marefo.
Ny fampiatiana ho soatoavina fototra
Matetika ny “fampiatiana” dia heverina ho fanamorana ny fisitrahana tolotra ara-bola ihany. Saingy manomboka amin’ny fanajana ny hasin’ny olona tsirairay sy ny finiavana tsy hanilika olona izany.
Ny fanohananay ny Centre NRJ, dia manamafy ny fandraisanay andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina, izay ahafahan’ny tsirairay mahita ny toerany, na inona na inona fahasahiranany na tantarany. Mino izahay fa zava-dehibe ny fanohanana ireo vondrom-piaraha-monina marefo indrindra sy mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fiainan’izy ireo.
Fandraisana andraikitra eo anivon’ny fiaraha-monina
Indraindray, fihetsika kely iray dia afaka manova zavatra mihoatra lavitra noho izay vita anatin’ny iray andro. Ny fanomezana dia mampahatsiahy antsika fa ny hetsika iray dia mitondra hafatra mafonja : ny fandraisana andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina no iray amin’ireo singa manan-danja indrindra mitondra fiovana.
Santionany amin’ireo hetsika ataonay, fa manasa anao hijery ireo hetsika hafa nataonay teo aloha.