Miasa ato amin’ny PAMF : manorina ny hoavinao ara-kasa

Ny miasa ato amin’ny PAMF dia tsy hoe manana asa fotsiny.
Rehefa miasa ato ianao dia tafiditra ao anatin’ny vondrona izay manome lanja ny maha-olona sy mino fa ny fahombiazan’ny asa dia avy amin’ny olona ao aminy. Ao ambadiky ny asa rehetra ataonay sy ny vokatra hita maso aterak’izany eny ifotony, dia misy olona miasa am-pahavitrihana isan’andro hanatanteraka ny vinan’ny PAMF.

Soatoavina sy kolotsaina iombonana

Ny soatoavin’ny PAMF no voizinay amin’ny asa ataonay isan’andro. Izany dia miorina amin’ny fanajana, ny fifampitokisana ary ny fiaraha-miasan’ny tsirairay ato aminay. Tsy teny filamatra fotsiny ihany ny fiaraha-miasan’ny ekipa, fa zava-misy iainanay isan’andro, na any amin’ny masoivoho izany na any amin’ny foibe.

Manome lanja ny hevitry ny tsirairay izahay ary mamporisika ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanatrana ny tanjona. Manome sehatra ihany koa ahafahan’ny tsirairay maneho ny talentany.

Fampivoarana ny fahaiza-manao sy ny asa

Zava-dehibe ho anay ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa. Ny fanofanana dia singa manan-danja hanampiana ny tsirairay hivoatra, hianatra bebe kokoa ary hanatsara ny traikefany.

Amporisihina ihany koa ny fandrosoana eo amin’ny asa amin’ny alalan’ny fahazoana andraikitra vaovao sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Azonao atao tsara ny mitombo sy mandroso miaraka amin’ny PAMF.

Miasa amin’ny sehatry ny microfinance mba hitondra fiovana

Ny miasa amin’ny sehatry ny microfinance dia manampy ny olona sy ny fianakaviana amin’ny fanatsarana ny fiainany.  Ato amin’ny PAMF, mandray anjara mivantana amin’ny fampianarana ara-bola ny ekipanay, ary ny manohana ireo mpandraharaha, ny olon-tsotra ary ny fianakaviana amin’ny alalan’ireo tolotra marobe ato aminay.

Ny asa ataon’ny tsirairay dia manampy ny olona amin’ny fanatanterahana tetikasa, ny fampandrosoana ary ny fanatsarana ny fiainan’ny olona maro. Io lafiny maha-olona io no manamafy ny fanoloran-tenanay isan’andro.

Orinasa mametraka ny maha olona ho laharam-pahamehana

Ny miasa ato amin’ny PAMF dia midika ho miditra ao amin’ny orinasa iray mino ny mpiasany, manohana azy ireo ary miara-mandroso aminy. Orinasa iray miezaka hatrany hanatsara ny fomba fiasany sy ny tontolo iasany.

Satria ny herinay dia ny ekipanay.

PAMF, Stronger together !

👉Te ho isan’ny ekipanay ve ianao ?
Jereo ireo tolotr’asa rehetra ato amin’ny tranokala ary mandefasa antotan-taratasy dieny izao !

Ny andraikitray amin’ny fampidirana ireo tanora eo amin’ny sehatry ny asa

Mihoatra lavitra noho fandraisana ireo tanora hanao fizaranasa na asa fotsiny ihany ny fanamorana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Miseho amin’ny fanofana sy fampitana fahaiza-manao izany mba ahafahan’ireo tanora miditra eo amin’ny sehatra matihanina. Mandray anjara mavitrika amin’izany lafiny izany izahay ary manamora fampidirana ireo mpianatra sy ireo tanora vao nahazo diplaoma eo amin’ny tontolon’ny asa.

Fanofana amin’ny alalan’ny fampiharana amin’ny alalan’ny « programme d’alternance »

Noforonina manokana ny fandaharan’asa alternance mba hanamorana ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny « microfinance »

Mandritry ny enim-bolana dia miditra an-tsehatra amin’ny asan’ny eny anivon’ny masoivohonay ireo tanora misitraka ity fandaharan’asa ity. Miara-miasa amin’ireo mpiasa za-draharaha izy ireo, mampivelatra ny fahaiza-manaony, mahafantatra ny zava-misy eny an-kianja ary manamafy ny fahafahany mahazo asa.

Tamin’ny taona 2025, tanora 10 no nandray anjara tamin’ity fandaharan’asa ity ary tafiditra ho mpiara-miasa avokoa izy ireo rehefa vita ny fiofanana.

Fampivoarana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny « programme d’incubation »

Satria misy ireo mpianatra mila sehatra manokana hivelarana, dia nametraka ny « programme d’incubation » izahay, izay mifanaraka amin’ny fivoaran’ny tontolon’ny asa ankehitriny.

Misy ny sokajy miompana amin’ny sehatry ny teknolojia (IT) sy ny fitantanam-bola ara-kajy mirindra (finance digitale) izay iarahana amin’ny « Mention Informatique et Technologie » ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny IT University ary ny Oniversite ASJA. Ao ihany koa ny fandaharanasa momba ny asa fampindramam-bola madinika miaraka amin’ny sampana EGS (Economie, Gestion, Sociologie).

Ireo sokajy ireo dia manolotra fanofanana, fanaraha-maso (mentorat) ary fidirana eo amin’ny sehatra matihanina ho an’ny tanora, mba hanamorana ny fidiran’izy ireo eo amin’ny tontolon’ny asa.

Tamin’ny taon-dasa, tanora 7 no nandray anjara tamin’ity fandaharanasa ity ary niditra ho mpiasa raikitra tato amin’ny orinasa.

Ny fizaranasa : dingana voalohany mankany amin’ny asa

Mandray mpianatra mizatra asa avy amin’ny sehatra samihafa amin’ny amin’ny oniversitem-panjakana sy tsy miankina izahay isan-taona. Ny fizaranasa dia dingana lehibe hahazoana traikefa voalohany sy hanamafisana ny fahafahana mahazo asa.

Tamin’ny taona 2025, mpianatra nizatra asa 23 no noraisinay, ka 5 tamin’izy ireo no tafiditra ato amin’ny PAMF rehefa vita ny fizaranasa.

Fihaonana mivantana amin’ireo tanora

Miezaka hatrany izahay manakaiky ireo tanora mba hanamorana ny fidiran’izy ireo amin’ny sehatry ny asa. Izany indrindra no antony andraisanay anjara matetika amin’ireo hetsika maro samihafa toy ny « salons de recrutement et d’orientation », mba hihaonana mivantana amin’izy ireo sy hiresahana momba ny hoaviny. Anisan’ireo hetsika ireo ny « Journées portes ouvertes » nokarakarain’ny Fakiolte EGS, ny « Salon de l’étudiant » tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny herinandron’ny fitarihana tao amin’ny « Institut Supérieur des Sciences », ary ny « Forum Stages » niarahana tamin’ny ISCAM Business School.

Fandraisana anjara tamin’ny « Forum Stages » nokarakarain’ny ISCAM Business School

Ny 30 janoary lasa teo, dia nandray anjara tamin’ny « Forum Stages » izahay. Izy ity dia hetsika nokarakarain’ny ISCAM Business School mba hampifandraisana ny mpianatra, ny tanora vao nahazo diplaoma ary ny orinasa. Nisy ny fifanakalozana niaraka tamin’ireo tanora nandritr’io fotoana io ka nampahafantatra momba ny asa eo amin’ny sehatry ny « microfinance » izahay ary koa ireo fandaharanasanay. Ny fahaliana sy ny fahavonon’izy ireo dia manamafy zavatra iray: vonona ny hivoatra sy hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ny tanora.

Mpianatra ve ianao na tanora vao nahazo diplaoma? Andao hiara-hanangana ny hoavinao ara-kasa. Alefaso mivantana eto amin’ny tranokala ny fangatahanao raha maniry ho isan’ny ekipanay ianao.