Tahiry amin’ny finday : zanabola 9% no atolotry ny PAMF sy Orange Money aminâny alalanâny Tahiry Be m-kajy

Tsy mitsahatra ny mampiroboro ny tahiry nomerika na tahiry amin’ny finday eto Madagasikara ny PAMF sy Orange Money Madagascar. Notanterahina tao aminâny Orange Digital Center Soarano ny valan-dresaka ho anâny mpanao gazety, izay nanambarana taminâny fomba ofisialy ny tahanâny zanabola vaovao 9 % aminâny Tahiry Be m-kajy.
Afaka mampitombo tsikelikely ny volany aminâny fomba tsotra sy azo antoka araka izany ny rehetra, aminâny Tahiry Be m-kajy aminâny alalanâny finday.
Tahiry amin’ny finday natao ho anâny rehetra
Ny tolotra Tahiry Be dia tolotra nomerika, aminâny alalanâny finday, novolavolainâny PAMF sy Orange Money.
Ny tanjonâny Tahiry Be dia ny ahafahanâny tsirairay mitahiry vola aminâny fomba tsotra sy tsy mila mivezivezy. Tsy voatery manatona masoivoho PAMF intsony ianao rehefa te hitahiry vola, fa azonao atao avy hatrany aminâny alalanâny finday ny dingana rehetra.
Tahanâny zana-bola tsara indrindra 9% be izao no azonao aminâny ny Tahiry Be m-kajy. Vahaolana tsotra sy mifanaraka aminâny filanâireo rehetra te hitahiry vola.
Fiaraha-miasa ho anâny vina iray

Notanterahina ny zoma 10 jolay lasa teo tao aminâny Orange Digital Center Soarano ny valan-dresaka ho anâny mpanao gazety mikasika ny tolotra Tahiry Be m-kajy. Fotoana iray ihany koa nanamafasina ny fiaraha-miasanâny PAMF sy Orange Money Madagascar izay nanomboka taminâny taona 2018, izay niforonanâny tolotra m-kajy.
Tokana ny vinanâny roa tonta aminâny tolotra Tahiry Be m-kajy : manamora ny fisitrahanâny rehetra tolotra ara-bola ary tahiry ilaina aminâny fiainana andavanandro.
Nanamafy izany nandritry ny valan-dresaka ny Tale Jeneralinâny Orange Money Madagascar, Ramatoa Marie-Victoire COMET :
« Tsy kisendrasendra izao fiaraha-miasa izao fa mifototra aminâny vina iray iombonana. (…) manamora ny fahafahanâny rehetra mitahiry vola sy mamporisika azy ireo hitahiry izany aminâny fomba mahomby ary handray anjara aminâny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. »
Etsy ankilany, nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny famolavolana vahaolana sy tolotra ara-bola mifanaraka aminâny filĂ nâireo mpanjifa, ny Tale Jeneralinâny PAMF, Andriamatoa Guy RATSIMBAZAFY.
Vahaolana natao ho anâny rehetra
Natao hamaly ny filĂ nâny rehetra ny tolotra Tahiry Be m-kajy. Ity tolotra 100% nomerika ity dia azo ampiasaina 24 ora/24 ora, 7 andro/7 andro, na aiza na aiza eto Madagasikara.
Afaka manomboka mitahiry vola ho fanatanterahana ny tetikasany ny tanora. Ny ray aman-dreny kosa afaka manomana ny fandaniana ao an-tokantrano na ny saram-pianaranâny zanany. Ireo mpivarotra, tantsaha ary mpandraharaha, afaka mitahiry volany aminâny fomba azo antoka.
Vahaolana natao ho anâny rehetra izy ity, na ho anâireo monina an-tanĂ n-dehibe ka te hisoroka ny filaharana eny aminâny masoivoho, na ho anâireo any ambanivohitra izay mety ho sahirana aminâny fivezivezena.
Ho anâireo manana tanjona maro tiana hotanterahina, dia afaka manokatra kaonty Tahiry Be telo indray miaraka, ka misafidy fe-potoana hitehirizana ny vola na 1 volana, 3 volana na 6 volana. Izany no natao mba ahafahanâny tsirairay mandamina ny tahiriny araka ny tetikasany sy ny tanjony.
Tahiry tsotra sy ahazoana tombony
Tsy mila antontan-taratasy, ary tsy misy sarany ny fampiasana ny tolotra Tahiry Be. Tsotra ny fampiasana azy manomboka aminâny fisoratana anarana ka hatraminâny fikirakirana.
Afaka manomboka mitahiry vola aminâny alalanâny finday manomboka aminâny 10 000 Ariary monja ny rehetra, rehefa miditra aminâny #144*4*1#, na mampiasa ny application mobile Max It.
Dingana vitsivitsy monja no arahana dia afaka mitahiry vola ny rehetra, na aiza na aiza toerana misy azy.
Tsy mitsahatra manavao ny tolotra ara-bola omeny ny PAMF mba hamaliana ny filĂ nnâny mpanjifa aminâny fiainana andavanandro.
Mitahiriza vola dieny izao !
Mitady fomba tsotra hitahirizana sy hampitomboana ny volanao ve ianao ?
Mampiasa ny tolotra Tahiry Be m-kajy aminâny alalanâny finday ary mahazoa zana-bola hatraminâny 9%.
Antsoy ny #144*4*1# na mampiasĂ ny application mobile Max It !











