
Nitohy tao Analavory ny fankalazana ny Global Money Week 2026. Nisy ny hetsika nokarakaraina nandritrâizany mba hanentanana ny olona momba ny fitantanam-bola sy ny maha-zava-dehibe ny tahiry.
Manodidina ny 50 teo ho eo ny olona nandray anjara taminâizany. Nisy ny fanentanana niaraka taminâireo mpianatra ao aminâny LycĂ©e Analavory, ary koa ny fifanakalozan-kevitra niarahana taminâireo mpikambana ao aminâny Vondrona Tahiry Ifotony na « Groupe dâĂpargne Communautaire » ao an-toerana.
Fanentanana ireo mpianatra tao aminâny LycĂ©e Analavory

Inona no fomba atao hahatonga ny tanora ho liana aminâny fitantanam-bola sy ny tahiry ? Tsotra ny valiny : sady mianatra no milalao.
Ny tanjonâity fanentanana ity dia ny hampahafantatra ireo mpianatra ny fahalalana fototra aminâny fitantanana teti-bola sy ny tahiry.
Mba hisarihana ny sainâizy ireo dia natao taminâny endrika lalao sy fanoharana avy aminâny fiainana andavanandro ny fampianarana. Nianatra ny fomba fitantanana teti-bola kely izy ireo, ny lanjanâny vola, ary koa ny fitahirizam-bola voalohany.
Izany no maneho fa na dia vola kely aza dia afaka mitondra fiovana, ary afaka manampy aminâny fanomanana ny hoavy.
Fifanakalozan-kevitra niarahana taminâny Groupe dâĂpargne Communautaire

Nisy ihany koa ny hetsika niarahana taminâireo mpikambana ao aminâny Groupe dâĂpargne Communautaire ao an-toerana.
Natao taminâny endrika fampahafantarana narahina fifanakalozan-kevitra ny fihaonana.
Niresahana lohahevitra maro momba ny fitantanam-bola, toy ny :
- fandaminana ny teti-bola,
- maha-zava-dehibe ny mitahiry vola tsy tapaka,
- ary ireo fomba tsara hanomanana mialoha ny fandaniana.
Nandritrâizany fotoana izany dia afaka nametraka fanontaniana ireo mpandray anjara ary nahazo torohevitra azo ampiharina hanatsarana ny fahazarana mitahiry vola.
Fanamafisana ny kolontsaina ara-bola eo anivonâny fiarahamonina

Ireo hetsika natao tao Analavory ireo dia mifanaraka tanteraka aminâny tanjonâny Global Money Week2026: ny hanampy ny olona hitantana aminâny fomba mahomby kokoa ny volany.
Nampiray ny tanora ny tanora sy ny olon-dehibe ny hetsika ireo ary nanamafy ny fahalalana ara-bola sy ny kolontsaina ara-bola ho anâny fiaraha-monina manontolo.
Izao hetsika izao dia mampahatsiahy ihany fa ny fianarana momba ny fitantanam-bola dia afaka manomboka hatraminâny fahazazana ary mitohy mandritra ny fiainana manontolo.