
Amin’izao fotoana izao, ny fitantam-bola dia tsy mifantoka amin’ny tombony fotsiny ihany. Mihamaro ny olona liana amin’ny fanontaniana hoe: “Inona no fiantraikan’ny fampiasako vola amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana ?”
Izany indrindra no atao hoe « finance responsable ». Mampiasa vola amin’ny fomba mahomby sy maharitra, sady manampy ny hafa. Andeha hojerentsika ny dikan’izany, ny maha-zava-dehibe azy, ary ny anjara asan’ny PAMF Madagascar.
Mikasika ny « finance responsable »
Ny « finance responsable » dia fomba fitantanana vola izay mandinika ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana, ny fiarahamonina ary ny fitantanana.
Izy io dia mifototra amin’ny fenitra ESG :
- Environnement (Tontolo iainana) : manohana ny angovo azo havaozina sy ny fambolena maharitra.
- Social (Fiarahamonina) : manampy ny olona sy ny vondrom-piarahamonina hivoatra.
- Gouvernance (Fitantanana) : miantoka ny fangaraharana sy ny fahamendrehana amin’ny fitantanana.
Amin’ny ankapobeny, ny volanao dia afaka mitondra tombony ho anao sy ho an’ny hafa.
Nahoana no zava-dehibe ho an’ny rehetra izany
Ny finance responsabledia mitana andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana lovainjafy.
- Ho anao : mampihena ny tahan’ny fampiasam-bola tsy azo antoka.
- Ho an’ny fiarahamonina : manohana ny tetikasa mampandroso ny olona sy ny toekarena.
- Ho an’ny tontolo iainana : miaro ny harena voajanahary sy mampiroborobo ny vahaolana maharitra.
Noho izany, ny vola ampiasainao dia lasa fitaovana hanovana ny ho avy.
Ny anjara asan’ny PAMF Madagascar
Ny PAMF Madagascar dia mpisehatra lehibe amin’ny microfinance eto Madagasikara, ary mampihatra mivantana ny « finance responsable » amin’ny asa ataony isan’andro.
Fanohanana ireo mpandraharaha madinika
Manome tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filan’ireo mpandraharaha madinika misehatra amin’ny tontolon’ny fambolena sy fiompiana, ny varotra ary ny tolotra isan-karazany izahay. Ankoatra izany, ny PAMF dia manolotra trano fitahirizam-bokatra (grenier communautaire villageois) ho an’ireo mpanangom-bokatra sy mpandraharaha amin’ny fambolena. Ireo fotodrafitrasa ireo dia manampy amin’ny fitahirizana sy fanatsarana ny vokatra, sady mamorona fahafahana ara-toekarena eo an-toerana.
Tolotra ara-bola tompon’andraikitra
Mihoatra lavitra noho ny tolotra mahazatra ny tolotra atolotray. Mitondra ny vokatsoa ara-tsosialy sy tontolo iainana izy ireo :
- Ara-tsosialy : manampy ny mpanjifa hanatsara ny vola miditra sy ny fari-piainany amin’ny alalan’ireto tolotra findramam-bola sy fitahirizam-bola ho an’ny trano, ny fanabeazana, ny vehivavy sy ny ankizy.
- Tontolo iainana : miara-miasa amin’ny HERi Madagascar, Inergy Solutions ary TotalEnergies izahay mba hanamorana ny fahazoana angovo azo avy amin’ny masoandro, indrindra ho an’ireo mponina any ambanivohitra.
Ny « finance responsable » dia manampy anao hanana tombony ara-bola sady mandray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra.
👉 Fantaro ary ireo tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filanao !