Ireo fahadisoana 5 mahatonga antsika tsy mahavita mitahiry vola

Nivoaka ny 30/04/2026

Efa nisy fotoana ve ianao niteny hoe : “Amin’ity volana ity aho tena hitahiry vola e !”

Nefa dia tsy nisy tohiny ? Mandeha ny andro, mitombo ny fandaniana, lany ilay vola.
Ary ilay hoe “hitahiry” ? Mijanona ho resaka fotsiny.

Fa izao no marina, tsy resaka vintana na habetsahan’ny vola miditra no antony. Matetika dia fahazarana andavanandro no tena manakana.

Andeha hojerentsika ireo fahadisoana mahazatra manakana ny fitahirizam-bola sy ny vahaolana mifanaraka amin’izany na dia kely aza ny vola anananao.

1. Tsy manana teti-bola mazava

Anisan’ny fahadisoana mahazatra amin’ny fitantanam-bola ny mandeha tsy misy planina.

Rehefa tsy arahinao ny fandanianao, dia toa very fotsiny ny vola nefa tsy fantatra hoe nankaiza.
Vokany : tsy mahomby ny fitantanana teti-bola.

Heverinao fa mandany vola “ara-dalàna” ianao nefa ireo fandaniana madinika rehefa mitambatra dia be ihany.

Torohevitra tsotra :
Soraty ny fandanianao isan’andro, na dia kely aza. Rehefa hitanao mazava dia mora kokoa ny mifehy.

2. Miandry ny vola ambiny tavela vao mitahiry

Fahazarana mahazatra ny hoe mandoa ny fandaniana rehetra, avy eo vao miezaka mitahiry izay sisa ambiny eo.

Fa ny marina ? Matetika tsy misy ambiny mihitsy.

Izany no mahatonga ny fitahirizana lasa latsa-danja, na tsy misy akory aza.

Inona ny vahaolana amin’izany ?
Atokany dieny mialoha ny vola tahirizana. Raha vao mahazo vola ianao, dia asio ampahany ho tahiry, na dia kely aza.

3. Tsy manana tanjona ara-bola mazava

Ny mitahiry vola tsy misy tanjona dia toy ny mandeha anjambany.

Raha tsy mazava ny tanjona, dia very haingana ny fahavononana.
Io no iray amin’ireo fahadisoana lehibe manakana ny fitahirizam-bola.

Ahoana ary no atao ?
Mametraha tanjona mazava :
– hiantohana ny hoavy
– hanatanterahana tetikasa
– hoampiasaina hanohanana asa any aoriana

Ny tanjona mazava dia manome dikany ny ezaka rehetra.

4. Fandaniana tampoka

Mahita zavatra tsara tampoka eny an-tsena, na fihenam-bidy na zavatra tiana tsotr’izao. Ireo fandaniana ireo dia tsy dia tsikaritra eo noho eo, fa rehefa miangona dia lasa fandaniana be.

Eto no miseho ny tsy fahampian’ny fifehezana ara-bola.

Torohevitra mahomby : Alohan’ny hividianana zavatra tsy tena ilaina, miandrasa 24 ora. Matetika, rehefa afaka iray andro, tsy ilaina intsony ilay izy.

5. Mandany mihoatra noho ny vola miditra

Fahadisoana kely nefa mahery vaika izy ity.

Rehefa mihoatra ny vola miditra ny fandaniana, dia tsy ho afaka hitahiry mihitsy ianao.
Miteraka tsy fifandanjana maharitra amin’ny fitantanana teti-bola izany.

Ahoana no hitehirizana vola isam-bolana raha izany ?
Fantaro ny fandaniana azo ahena (abonnement tsy ilaina, fivoahana matetika…) ary avadiho ho tahiry izany.

Mila fifehezana tsikelikely !

Raha nahita ny tenanao tamin’ireo toe-javatra ireo ianao, aza manahy : tsy ianao irery no efa niaina izany.

Ampiharo ireo torohevitra nomenay ireo ambony, dia ho hitanao fa afaka hitahiry vola amin’ny fomba tsotra ianao.

Safidio ny tolotra mety aminao ary sokafy eto amin’ny tranokala avy hatrany ny kaonty tahirinao.