PAMF sy MADAUTO manamora ny fahazoana fiara sy kodiarandroa

Nivoaka ny 18/02/2026

Eto Madagasikara, ny fananana fiara na kodiarandroa (moto) dia tsy haitraitra fotsiny ihany. Fitaovana ilaina ho an’ny fivezivezena sy amin’ny asa izany. Ho an’ny olona maro, na olon-tsotra na mpandraharaha, mbola sakana lehibe ny fahazoana famatsiam-bola ho an’ny fiara sy kodiarandroa.

Mba hamaliana izany filàna izany indrindra no nipoiran’ny fiaraha-miasan’ny PAMF sy MADAUTO. Ny tanjona dia ny hanamorana sy hanafainganana kokoa ny fahazoana fiara na kodiarandroa. Tsotra ny vahaolana omenay ary natao hanohanana ireo tetikasa rehetra.

Tolotra mifanaraka amin’ny hetahetanao

Ity fiaraha-miasa ity dia manolotra vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny tsirairay. Na mpiasa, na mpandraharaha mahaleo tena, na tompon’orinasa ianao, dia mora kokoa ny ny fisitrahana ireo fiara sy kodiarandroa ao amin’ny MADAUTO.

Tsotra ny vahaolana omenay : manome tolotra fampindramam-bola sy manamora ny fahazoana misitraka fiara na kodiarandroa am-pitoniana. Natao ho mazava sy fohy ny dingana arahana, mba hanatanterahanao ny vinanao am-pilaminana.

Vahaolana tsotra sy azo antoka hahazoana fiara sy kodiarandroa

Noho ity tolotra ity, lasa mora sy haingana ny dingana arahana raha te hahazo fiara sy kodiarandroa. Afaka manao ny fangatahana avy hatrany eny amin’ny toeram-pivarotan’ny MADAUTO ianao. Anatin’ny fotoana fohy ny fikarakarana ary voaaro kokoa ny mpanjifa mandritr'izany fotoana izany.

Afaka misafidy malalaka ny fiara na kodiarandroa mety aminao ianao. Misy tompon’andraikitra mandray an-tananao ny fangatahanao sy manampy anao amin’ny fikarakarana rehetra. Satria ny fahafahamponao no imasoanay.

Manamafy ny fandraisany anjara ho an’ny fampiatiana ara-bola sy ny fandrosoana maharitra ny PAMF sy ny MADAUTO amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity. Ny fahazoana fampindramam-bola ho an’ny fiara sy kodiarandroa dia fitaovana tena ilaina hanampiana ny olon-tsotra sy ny mpandraharaha hampivoatra ny fiainany sy ny asany isanandro.

Te hanamora ny fahazoana fiara na kodiarandroa ve ianao ?
Mifandraisa aminay raha mila fanampim-panazavana ianao.