
Nitohy tao Analavory ny fankalazana ny Global Money Week 2026. Nisy ny hetsika nokarakaraina nandritr’izany mba hanentanana ny olona momba ny fitantanam-bola sy ny maha-zava-dehibe ny tahiry.
Manodidina ny 50 teo ho eo ny olona nandray anjara tamin’izany. Nisy ny fanentanana niaraka tamin’ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Analavory, ary koa ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Vondrona Tahiry Ifotony na « Groupe d’Épargne Communautaire » ao an-toerana.
Fanentanana ireo mpianatra tao amin’ny Lycée Analavory

Inona no fomba atao hahatonga ny tanora ho liana amin’ny fitantanam-bola sy ny tahiry ? Tsotra ny valiny : sady mianatra no milalao.
Ny tanjon’ity fanentanana ity dia ny hampahafantatra ireo mpianatra ny fahalalana fototra amin’ny fitantanana teti-bola sy ny tahiry.
Mba hisarihana ny sain’izy ireo dia natao tamin’ny endrika lalao sy fanoharana avy amin’ny fiainana andavanandro ny fampianarana. Nianatra ny fomba fitantanana teti-bola kely izy ireo, ny lanjan’ny vola, ary koa ny fitahirizam-bola voalohany.
Izany no maneho fa na dia vola kely aza dia afaka mitondra fiovana, ary afaka manampy amin’ny fanomanana ny hoavy.
Fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ny Groupe d’Épargne Communautaire

Nisy ihany koa ny hetsika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Groupe d’Épargne Communautaire ao an-toerana.
Natao tamin’ny endrika fampahafantarana narahina fifanakalozan-kevitra ny fihaonana.
Niresahana lohahevitra maro momba ny fitantanam-bola, toy ny :
- fandaminana ny teti-bola,
- maha-zava-dehibe ny mitahiry vola tsy tapaka,
- ary ireo fomba tsara hanomanana mialoha ny fandaniana.
Nandritr’izany fotoana izany dia afaka nametraka fanontaniana ireo mpandray anjara ary nahazo torohevitra azo ampiharina hanatsarana ny fahazarana mitahiry vola.
Fanamafisana ny kolontsaina ara-bola eo anivon’ny fiarahamonina

Ireo hetsika natao tao Analavory ireo dia mifanaraka tanteraka amin’ny tanjon’ny Global Money Week2026: ny hanampy ny olona hitantana amin’ny fomba mahomby kokoa ny volany.
Nampiray ny tanora ny tanora sy ny olon-dehibe ny hetsika ireo ary nanamafy ny fahalalana ara-bola sy ny kolontsaina ara-bola ho an’ny fiaraha-monina manontolo.
Izao hetsika izao dia mampahatsiahy ihany fa ny fianarana momba ny fitantanam-bola dia afaka manomboka hatramin’ny fahazazana ary mitohy mandritra ny fiainana manontolo.