MA-ARO, fiantohana natao ho an’ny fianakaviana malagasy

Nivoaka ny 04/03/2026

Ny maka fiantohana ho an’ny fianakaviana dia tsy midika hoe miandry loza, fa fiomanana mialoha.

Mety hisy trangan-javatra tampoka ao an-trano, mety ho aretina, mety ho loza mitranga any an-tsekoly. Tsy misy mahalala mialoha izany. Fa rehefa mitranga ny tsy ampoizina dia mety handany vola be, ka manakorontana ny teti-bolan’ny tokantrano.

Inona ary ny fomba atao hiarovana ny fianakaviana raha misy tampoka ?

Izany indrindra no namoronanay ny « Assurance MA-ARO », izay hiarahanay miasa amin’ny Assurance ARO. Vahaolana tsotra, natao hifanaraka amin’ny fiainan’ny fianakaviana malagasy.

« Micro-assurance », manamora ny fiantohana ho an’ny rehetra

Ny « micro-assurance » dia manamora ny fahafahana misitraka tolotra fiantohana amin’ny fomba tsotra sy mora aloa. Notontosaina ny alatsinainy 02 martsa lasa teo, tato amin’ny foiben’ny PAMF, ny fanaovan-tsonia ity fifanaraham-piasa miaraka amin’ny Assurance ARO ity.

Manome fiarovana telo lehibe ny tolotra MA-ARO :

  • « Assurance Prévoyance » : Fiarovana raha misy fahafatesana noho ny aretina na loza tsy nahy, ary koa ny tsy fahafahana miasa intsony. Izany fiarovana izany dia manampy amin’ny fandaniana ilaina.
  • « Responsabilité Civile Vie Privée » : fiantoana ny vokatry ny hetraketraka nataon'ny hafa tamin'iray ao anatin'ny ankohonana na koa ny hetraketraka nataon'ny mpikambana anatin'ny ankohonana amin'ny hafa.
  • « Assurance Vie Scolaire » : fiarovana ny ankizy raha sendra loza any an-tsekoly na eny an-dalana ho any an-tsekoly.

Tsotra ny tanjona amin’ity tolotra ity : miahy ny filaminan’ny tokantrano rehefa misy tranga tsy ampoizina. Satria ny fisitrahana fiantohana azo antoka dia tokony ho mora ho an’ny rehetra.

Iza avy no afaka misitraka ny fiantohana ?

Ho an’ny olona 21 ka hatramin’ny 64 taona izy ity, ary azo havaozina hatramin’ny 70 taona.

Afaka misitraka izany ny ankohonana, ny olona miray trano, ny ankizy mpianatra, ary hatramin’ny biby fiompy ao an-tokatrano aza.

Tafiditra ao anatin’ny Crédit Education ny tolotra MA-ARO mba hahafahan'ny ray aman-dreny miantoka ny hoavin’ny ankohonana, ankoatra ny fandaniana amin’ny ny fampianarana ny zanany.

Araka izany, ny ray aman-dreny, ny mpiasa amin’ny sehatra rehetra, ary koa ny mpandraharaha madinika dia afaka misitraka ity tolotra ity mora foana, ary tsy mila dingana sarotra. Mazava sy tsotra ny fanaovana fanambarana raha misy loza, ary natao ho takatry ny rehetra ny sarany isan-taona.

Satria ny fiarovana ny fianakaviana dia tsy tokony ho mora ary tokony ho safidy tsotra sy mazava.

Te hilamin-tsaina ve ianao ?

Manatona ny masoivoho PAMF akaiky anao indrindra hahafantaranao bebe kokoa raha te hisitraka tolotra MA-ARO.
Azonao jerena eto ny lisitry ny masoivoho rehetra !