Ny fambolen-kazo dia hetsika tsotra. Saingy rehefa averina inâarivony izany, dia lasa hery lehibe ho anâny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampihenana ny entona karbonina avoakantsika.
Ny fambolen-kazo dia asa mivaingana ho fiarovana ny tontolo voajanahary. Tsy izay ihany fa manatsara ny fahavokaranâny tany ary mitondra fampandrosoana maharitra mifanaraka aminâny zava-misy eny ifotony.
Ambatomalaza : miaro ny tany, manohana ny fiarahamonina
Tao Ambatomalaza, olona manodidina ny 500 â mpiasa, fianakaviana, mpikambana ao aminâny Vondrona Tahiry Ifotony (Groupement dâEpargne Communautaire) ary mponina eny an-toerana â no niray hina hiaro ny tany fambolena sy ny tontolo voajanahary eo an-toerana.
Niara-niasa taminâny vondrom-piarahamonina Ismaili sy ny Organisation de Soutien pour le DĂ©veloppement Rural Ă Madagascar (OSDRM), zana-kazo 4 000 no novolena, ahitana frĂȘne sy karazana hazo mifanaraka aminâny toetrâandro sy ny tany ao an-toerana.
Satria miankina aminâny fambolena ny fiainanâny mponina ao an-toerana, dia mitana anjara toerana lehibe ny fanarenana ala :
âą manatsara ny fahavokaranâny tany
âą mampihena ny fihotsahanâny tany
âą miaro ny voly
Natomboka taminâny taona 2021 ity fandaharanasa ity, ary efa nahafahana namboly hazo maherinâny 20 000 tany aminâny faritra dimy manerana anâi Madagasikara. Nahazoana vokatra tsara izany satria manodidina ny 90 % ny taha-pahavelomanâny hazo, noho ny fanaraha-maso iarahana aminâny fiarahamonina eny an-toerana.




Mitohy ny fiaraha-mientana any aminâny faritra
Nitohy manerana ny nosy ny hetsika, taminâny fambolena hazo fihinam-boa, frĂȘne, akasia ary mantaly, voafidy araka ny filĂ nâny faritra tsirairay.
âą Faritra Avaratra : Antsohihy, Befandriana ary Marovoay â hazo manodidina ny 1 000 no novolena
âą Faritra Andrefana : Mahajanga, indrindra tao Marohogo â nambolena zana-kazo vaovao
âą Faritra Atsimo : Antsirabe sy Fianarantsoa â nitohy ny asa fanarenana ala
Ireo hetsika ireo dia notanterahina niaraka taminâny ireo Vondrona Tahiry Ifotony, fikambanana any an-toerana, tomponâandraikitram-panjakana ary ny mponina.
Raha atambatra, hazo maherinâny 8 000 no novolena nandritra ity hetsika ity. Izany dia maneho fahavononana mazava sy maharitra aminâny fiarovana ny tontolo iainana.







Andao tohizana ny asa !
Ny fambolen-kazo dia tsy hetsika indray mandeha fotsiny. Fiaraha-mientana maharitra izy io, izay mitombo lanja isaky ny misy mandray anjara.
Ny fiarovana ny tontolo iainana dia paikady hiarovana sy hanatsarana ho anâny hoavinâny taranaka rahatrizay.
Andao hanohy ny ezaka efa natao !