Pack Boost Affaires : pack tokana mampiroborobo ny orinasanao

Nivoaka ny 29/06/2026

Miantomboka amin’ny fitiavana, fahasahiana ary fahavononana ny asa fandraharahana. Rehefa mandefa anefa ny fotoana dia mitombo sy mivelatra izany.

Mitombo ny fangatahana, maro kokoa ny tetikasa, ary miha-mitombo ihany koa ny filàna. Rehefa tonga eo amin’izay dingana izay, dia tsy ampy intsony ny miasa mafy, fa ilaina ny mitady ny vahaolana ho an’ny orinasa sy ny mpandraharaha mba hampivoatra hatrany ny asa.

Noho izany indrindra no namoronan’ny PAMF ny Pack Boost Affaires, vahaolana natao hanohanana ny PME, ny mpandraharaha, ny matihanina amin’ny sehatra tsy miankina, ny orinasa, ary ireo olontsotra manana tetikasa lehibe sy maniry hampiroborobo izany.

Pack feno mampandroso ny asanao

Ny Pack Boost Affaires dia tolotra manampy anao hampivoatra bebe kokoa ny asanao.

Izy io dia ahitana kaonty fampiasa amin’ny andavanandro ho fanamorana ny fitantanam-bola, ary koa fampindramam-bola ho an’ny PME manomboka amin’ny 20 000 000 Ariary, hanomezana famatsiana ara-bola sy hanafainganana ny fivelaran’ny asanao.

Afaka misitraka tolotra fitahirizam-bola amin’ny zana-bola tsara indrindra ihany koa ianao, mba hanomanana ny tetikasa ho avy sy hanamafisana ny fitantanam-bola.

Satria ny fivoarana maharitra dia mila fiarovana ihany koa. Tafiditra ao anatin’ny pack ny fiantohana Ma-ARO, manampy anao handroso am-pitoniana manoloana ireo tranga tsy ampoizina.

Izany tombontsoa rehetra izany no mahatonga ny Pack Boost Affaires ho vahaolana mifanaraka amin’ny filàn’ny orinasa mivelatra.

Mitsitsy fotoana mba hifantohana amin’ny asa

Manjary sarobidy ny fotoana rehefa mitombo ny asa.

Ny Pack Boost Affaires dia manamora ny andavanandronao amin’ny alalan’ny tolotra nomerikan’ny PAMF. Azonao atao ny mitantana ny volanao amin’ny findainao, amin’ny alalan’ny chatbot AI-na ao amin’ny Messenger sy WhatsApp na ny application mobile Net-Tsara.  

Afaka mampiasa ny tolotra Bank to Wallet ihany koa ianao raha te handefa vola avy amin’ny kaontinao PAMF mankany amin’ny kaonty Orange Money.

Tsy mila manatona masoivoho intsony ianao rehefa hanao petra-bola. Mitsitsy fotoana sarobidy izany, ary hahafahanao mijery manokana ny mpanjifanao, ny ekipanao, na miompana bebe kokoa ny fampandrosoana ny orinasanao.

Fitaovana manafaingana ny fivoaran’ny orinasa

Mila fitaovana mifanaraka amin’ny fotoana ilana azy ny fampivoarana ny orinasa.

Mba hanohanana anao amin’izany dia manolotra vahaolana hiarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro izahay.

Ho an’ny fitaterana na fanitarana ny asanao, afaka mahazo fiara sy fitaovam-pitaterana isan-karazanay ianao amin’ny alalan’ny tolotra iarahan’ny GMM, Madauto, CT Motors ary Dada Tama Motors, izay hanampy amin’ny fivezivezena sy ny fampandrosoana ny asanao.

Satria tsy maintsy mitohy ny asa na dia misy aza fahatapahan-jiro, dia manolotra vahaolana amin’ny angovo maitso ny Heri, Inergy Solutions, Jiro Ve ou Total Energies, izay ahafahanao miasa amin’ny fotoana rehetra sy mandray mpanjifa.

Tsy hadino ihany koa ny fitaovana nomerika: ny finday sy powerbank avy amin’ny Itel sy Infinix dia manampy ny ekipanao amin’ny fifandraisana isan’andro.

Farany, miaraka amin’ny Vitogaz, dia mahazo famatsiana entona azo antoka sy maharitra ianao, izay ilaina amin’ny asa maro amin’ny andavanandro. Ny famatsiana angovo tsy tapaka dia manampy anao hiasa tsy tapaka sy hamokatra hatrany.

Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny nofinao sy ny firoborobon’ny asanao

Ao ambadiky ny orinasa mivelatra rehetra dia misy safidy maty paika sy vahaolana mifanaraka amin’izany.

Ny Pack Boost Affaires dia manambatra anaty pack tokana ny findramam-bola, ny fitehirizam-bola, ny fiantohana, ireo vahaolana nomerika sy ireo tolotra iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ilaina amin’ny andavanandro.

Satria mendrika tohanana amin’ny vahaolana mifanaraka aminy ny tetikasa tsirairay. Ity pack ity dia manampy anao hanatanteraka ny vinanao.

Alefaso dieny izao ny fangatahanao raha te hisitraka ny tolotra !