
Te hanana hoavy milamina kokoa ve ianao, nefa tsy te hanasarotra ny fiainanao ? Ny kaonty fitahirizam-bola dia fomba tsotra sy mora hahafahanao manatanteraka ny tetikasanao.
Ato amin’ny PAMF, mpisehatra lehibe amin’ny sehatry ny « microfinance » eto Madagasikara, ny fitahirizana dia fomba tsotra manampy anao hanomana ny hoavinao ara-bola.
1. Fitahirizana azo antoka ho an’ny tetikasanao rehetra
Ny fanokafana kaonty fitahirizam-bola dia manampy anao hiaro ny volanao. Ato amin’ny PAMF, voaaro tsara ny vola apetrakao ary afaka mitahiry am-pahatokisana ianao.
Misy karazana kaonty fitahirizana maro azonao isafidianana ao amin’ny masoivoho :
- « Epargne classique » : tsotra sy azon’ny rehetra atao ;
- « Epargne Avenir Enfant – Education » hanomanana ny hoavin’ny zanakao ;
- « Epargne Tahiry-Nakà » sy « Epargne Boost Affaire » ho an’ny mpandraharaha, olon-tsotra ary orinasa ;
- « Epargne Femme Plus » natokana ho an’ny vehivavy ;
- « Epargne Retraite Plus » hanomanana ny fisotroan-dronono ;
- « Epargne Logement » hananganana ny tranonao amin’ny hoavy.
Misy kaonty fitahirizana mifanaraka amin’ny filanao hatrany na tetikasa maika na lavitra ezaka no tianao ho tanterahana. Tsy izay ihany fa tsotra ny fitehirizam-bola eny amin’ny masoivoho PAMF ary manampy anao hampivoatra amin’ny tetikasanao.
2. Zana-bola tsara indrindra hampitomboana ny volanao
Tsy fitahirizana fotsiny ihany ny kaonty ato amin’ny PAMF fa mampitombo ny volanao ihany koa. Zana-bola hatramin’ny 7,5% be izao no atolotray eny amin’ny masoivoho, izay anisan’ny zana-bola tsara indrindra. Na kaonty tahiry tsotra na tahiry mandritry ny fotoana voafetra no safidianao, dia mitombo hatrany ny volanao. Mandroso kokoa makany amin’ny tanjonao sy ny nofinofinao rehefa mazoto mitahiry vola.
3. Fitahirizana tsotra sy mifanaraka amin’ny filanao
Tsotra ny dingana arahana raha te hitahiry vola eny amin’ny masoivohonay. Vonona hatrany ireo ekipanay hanampy anao hisafidy ny kaonty fitahirizam-bola mifanaraka amin’ny fidiram-bolanao sy ny tanjonao.
Ho anao tanora, ray aman-dreny, mpandraharaha, na orinasa te hisitraka fitahirizam-bola azo antoka, manatona ny masoivohonay. Manana tolotra mifanaraka amin’ny tetikasanao izahay ary vonona handray anao.
Ahoana no atao raha te hanokatra kaonty fitahirizam-bola ?
Tsotra be :
👉 Sokafy mivantana eto amin’ny tranokalanay
NA
👉 Manatona ny masoivoho PAMF akaiky anao