Sehatry ny asa : antony lehibe 5 hisafidianana ny PAMF
Te hiasa amin’ny orinasa sy hivoatra eo amin’ny sehatry ny asa ve ianao ? Te hitondra ny anjara birikinao ho an’ny fanovana isan’andro ?
Rehefa misafidy toeram-piasana ianao dia tsy misafidy asa fotsiny ihany, fa misafidy tontolo iray manana soatoavina, sy hahafahanao mivoatra bebe kokoa.
Ireto misy antony 5 tokony hisafidiananao ny PAMF.

1. Miasa ho an’ny fiovana
Miompana amin’ny fanatrarana tanjona lehibe ny asanao isanandro. Tsy inona izany fa ny fanamorana ny fisitrahana tolotra ara-bola ho an’ireo fianakaviana, mpandraharaha ary fiaraha-monina maro eto Madagasikara.
Na miasa ao amin’ny masoivoho ianao na ao amin’ny foibe, dia mandray anjara mivantana amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mpanjifa. Ato amin’ny PAMF, manan-danja ny andraikitra tsirairay ary ny fiaraha-miasan’ny rehetra no mitondra fahombiazana.
2. Mivoatra anatin’ny orinasa manana ny toerany

Niasa teto Madagasikara nandritry ny 20 taona mahery ny PAMF, ka anisan’ireo mpisehatra manana ny toerany eo amin’ny fanomezana tolotra ara-bola.
Midika izany fa afaka mivelatra anatin’ny tontolo mirindra ireo mpiara-miasa ao anatiny.
Rehefa miasa ato amin’ny PAMF ianao dia tafiditra anatin’ny ekipa iray miara-mandroso, mifampitsinjo ary manatratra tanjona iray. Manan-danja ho an’ny rehetra ny fifaneraserana sy ny fiaraha-miasa amin’ny andavanandro.
Satria ny fahombiazana lehibe indrindra dia avy amin’ny fiaraha-miasan’ny rehetra.
3. Miasa anatin’ny orinasa manome vahana ny fampananan’asa

Mandray anjara lehibe amin’ny fampananana asa ireo tanora ny PAMF mba hanamorana ny fidiran’ireo tanora amin’ny sehatry ny asa. Tafiditra anatin’izany indrindra ny fiaraha-miasa amin’ireo oniversite lehibe toy ny Oniversiten’Antananarivo (Fakioliten’ny EGS, Fakioliten’ny siantsa) , ny IT University, ny Oniversite ASJA ary ny ESCM Business School, izay miompana amin’ny fampiofanana sy fizarana asa ho an’ireo mpianatra.
Tsy izay ihany fa manome fampiofanana ireo mpiasa ao aminy izy mba hampiroboroboana ny fahalalana sy ny fivoaran’izy ireo amin’ny sehatry ny asa.
Ny PAMF dia mamporisika ny tsirairay hampivelatra ny fahaiza-manaony sy ny fahalalana, handray andraikitra vaovao ary hanatsara hatrany ny fiainany arak’asa
4. Miara-mivoatra amin’ny orinasa

Miova arakaraky ny fivoarana misy ny filan’ny mpanjifa.
Manome tolotra ara-bola vaovao sy vahaolana nomerika hatrany ny PAMF, mba hanamorana ny fiainan’ireo mpanjifa. Izany kolontsaina izany dia mamporisika ny mpiara-miasa handray anjara amin’ireo tetikasa vaovaon’ny orinasa.
Ny hevitry ny tsirairay mantsy dia mitondra fanatsarana ho an’ny tolotra omenay sy mampivelatra ny sehatry ny tolotra ara-bola.
5. Manana fiainana arak’asa mamiratra
Rehefa mandeha ny fotoana, tsy ny toerana iasanao ihany no zava-dehibe, fa ny lalana nodiavinao sy ny traikefa azonao ihany koa.
Rehefa miasa ato amin’ny PAMF ianao dia miasa anatin’ny orinasa izay mametraka ny fandraisana andraikitra, ny maha-matihanina ary ny fifanajana ho fototry ny fifandraisana.
Midika izany hoe miasa ao anatin’ny tontolo iray ahafahan’ny tsirairay mandray anjara, mampivelatra ny fahaizany ary manampy amin’ny fanatrararana tanjona iray.
Satria ny fiainana arak’asa mamiratra dia izay mitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny hafa.
Sorito ny fiainanao arak’asa miaraka amin’ny PAMF !
Samy manana ny lalana diaviny ny tsirairay eo amin’ny sehatry ny asa. Mety hitondra anao ato amin’ny PAMF izany lalana izany !
Te hiasa amin’ny orinasa ahafahanao mivoatra ve ianao ? Tsidio ireo tolotr’asa rehetra ato aminay ary alefaso ny antotan-taratasinao.