Tahiry amin’ny finday: zanabola 9% no atolotry ny PAMF sy Orange Money amin’ny alalan’ny Tahiry Be m-kajy

Nivoaka ny 13/07/2026

Tahiry amin’ny finday : zanabola 9% no atolotry ny PAMF sy Orange Money amin’ny alalan’ny Tahiry Be m-kajy

Tsy mitsahatra ny mampiroboro ny tahiry nomerika na tahiry amin’ny finday eto Madagasikara ny PAMF sy Orange Money Madagascar. Notanterahina tao amin’ny Orange Digital Center Soarano ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, izay nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny tahan’ny zanabola vaovao 9 % amin’ny Tahiry Be m-kajy.

Afaka mampitombo tsikelikely ny volany amin’ny fomba tsotra sy azo antoka araka izany ny rehetra, amin’ny Tahiry Be m-kajy amin’ny alalan’ny finday.

Tahiry amin’ny finday natao ho an’ny rehetra

Ny tolotra Tahiry Be dia tolotra nomerika, amin’ny alalan’ny finday, novolavolain’ny PAMF sy Orange Money.

Ny tanjon’ny Tahiry Be dia ny ahafahan’ny tsirairay mitahiry vola amin’ny fomba tsotra sy tsy mila mivezivezy. Tsy voatery manatona masoivoho PAMF intsony ianao rehefa te hitahiry vola, fa azonao atao avy hatrany amin’ny alalan’ny finday ny dingana rehetra.

Tahan’ny zana-bola tsara indrindra 9% be izao no azonao amin’ny ny Tahiry Be m-kajy. Vahaolana tsotra sy mifanaraka amin’ny filan’ireo rehetra te hitahiry vola.

Fiaraha-miasa ho an’ny vina iray

Notanterahina ny zoma 10 jolay lasa teo tao amin’ny Orange Digital Center Soarano ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety mikasika ny tolotra Tahiry Be m-kajy. Fotoana iray ihany koa nanamafasina ny fiaraha-miasan’ny PAMF sy Orange Money Madagascar izay nanomboka tamin’ny taona 2018, izay niforonan’ny tolotra m-kajy.

Tokana ny vinan’ny roa tonta amin’ny tolotra Tahiry Be m-kajy : manamora ny fisitrahan’ny rehetra tolotra ara-bola ary tahiry ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Nanamafy izany nandritry ny valan-dresaka ny Tale Jeneralin’ny Orange Money Madagascar, Ramatoa Marie-Victoire COMET :

« Tsy kisendrasendra izao fiaraha-miasa izao fa mifototra amin’ny vina iray iombonana. (…) manamora ny fahafahan’ny rehetra mitahiry vola sy mamporisika azy ireo hitahiry izany amin’ny fomba mahomby ary handray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. »

Etsy ankilany, nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny famolavolana vahaolana sy tolotra ara-bola mifanaraka amin’ny filàn’ireo mpanjifa, ny Tale Jeneralin’ny PAMF, Andriamatoa Guy RATSIMBAZAFY.

Vahaolana natao ho an’ny rehetra

Natao hamaly ny filàn’ny rehetra ny tolotra Tahiry Be m-kajy. Ity tolotra 100% nomerika ity dia azo ampiasaina 24 ora/24 ora, 7 andro/7 andro, na aiza na aiza eto Madagasikara.

Afaka manomboka mitahiry vola ho fanatanterahana ny tetikasany ny tanora. Ny ray aman-dreny kosa afaka manomana ny fandaniana ao an-tokantrano na ny saram-pianaran’ny zanany. Ireo mpivarotra, tantsaha ary mpandraharaha, afaka mitahiry volany amin’ny fomba azo antoka.

Vahaolana natao ho an’ny rehetra izy ity, na ho an’ireo monina an-tanàn-dehibe ka te hisoroka ny filaharana eny amin’ny masoivoho, na ho an’ireo any ambanivohitra izay mety ho sahirana amin’ny fivezivezena.

Ho an’ireo manana tanjona maro tiana hotanterahina, dia afaka manokatra kaonty Tahiry Be telo indray miaraka, ka misafidy fe-potoana hitehirizana ny vola na 1 volana, 3 volana na 6 volana. Izany no natao mba ahafahan’ny tsirairay mandamina ny tahiriny araka ny tetikasany sy ny tanjony.

Tahiry tsotra sy ahazoana tombony

Tsy mila antontan-taratasy, ary tsy misy sarany ny fampiasana ny tolotra Tahiry Be. Tsotra ny fampiasana azy manomboka amin’ny fisoratana anarana ka hatramin’ny fikirakirana.

Afaka manomboka mitahiry vola amin’ny alalan’ny finday manomboka amin’ny 10 000 Ariary monja ny rehetra, rehefa miditra amin’ny #144*4*1#, na mampiasa ny application mobile Max It.

Dingana vitsivitsy monja no arahana dia afaka mitahiry vola ny rehetra, na aiza na aiza toerana misy azy.

Tsy mitsahatra manavao ny tolotra ara-bola omeny ny PAMF mba hamaliana ny filànn’ny mpanjifa amin’ny fiainana andavanandro.

Mitahiriza vola dieny izao !

Mitady fomba tsotra hitahirizana sy hampitomboana ny volanao ve ianao ?

Mampiasa ny tolotra Tahiry Be m-kajy amin’ny alalan’ny finday ary mahazoa zana-bola hatramin’ny 9%.

Antsoy ny #144*4*1# na mampiasà ny application mobile Max It !