
Mihoatra lavitra noho fandraisana ireo tanora hanao fizaranasa na asa fotsiny ihany ny fanamorana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Miseho amin’ny fanofana sy fampitana fahaiza-manao izany mba ahafahan’ireo tanora miditra eo amin’ny sehatra matihanina. Mandray anjara mavitrika amin’izany lafiny izany izahay ary manamora fampidirana ireo mpianatra sy ireo tanora vao nahazo diplaoma eo amin’ny tontolon’ny asa.
Fanofana amin’ny alalan’ny fampiharana amin’ny alalan’ny « programme d’alternance »
Noforonina manokana ny fandaharan’asa alternance mba hanamorana ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny « microfinance »
Mandritry ny enim-bolana dia miditra an-tsehatra amin’ny asan’ny eny anivon’ny masoivohonay ireo tanora misitraka ity fandaharan’asa ity. Miara-miasa amin’ireo mpiasa za-draharaha izy ireo, mampivelatra ny fahaiza-manaony, mahafantatra ny zava-misy eny an-kianja ary manamafy ny fahafahany mahazo asa.
Tamin’ny taona 2025, tanora 10 no nandray anjara tamin’ity fandaharan’asa ity ary tafiditra ho mpiara-miasa avokoa izy ireo rehefa vita ny fiofanana.
Fampivoarana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny « programme d’incubation »
Satria misy ireo mpianatra mila sehatra manokana hivelarana, dia nametraka ny « programme d’incubation » izahay, izay mifanaraka amin’ny fivoaran’ny tontolon’ny asa ankehitriny.
Misy ny sokajy miompana amin’ny sehatry ny teknolojia (IT) sy ny fitantanam-bola ara-kajy mirindra (finance digitale) izay iarahana amin’ny « Mention Informatique et Technologie » ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny IT University ary ny Oniversite ASJA. Ao ihany koa ny fandaharanasa momba ny asa fampindramam-bola madinika miaraka amin’ny sampana EGS (Economie, Gestion, Sociologie).
Ireo sokajy ireo dia manolotra fanofanana, fanaraha-maso (mentorat) ary fidirana eo amin’ny sehatra matihanina ho an’ny tanora, mba hanamorana ny fidiran’izy ireo eo amin'ny tontolon'ny asa.
Tamin’ny taon-dasa, tanora 7 no nandray anjara tamin’ity fandaharanasa ity ary niditra ho mpiasa raikitra tato amin’ny orinasa.
Ny fizaranasa : dingana voalohany mankany amin’ny asa
Mandray mpianatra mizatra asa avy amin’ny sehatra samihafa amin’ny amin’ny oniversitem-panjakana sy tsy miankina izahay isan-taona. Ny fizaranasa dia dingana lehibe hahazoana traikefa voalohany sy hanamafisana ny fahafahana mahazo asa.
Tamin’ny taona 2025, mpianatra nizatra asa 23 no noraisinay, ka 5 tamin’izy ireo no tafiditra ato amin’ny PAMF rehefa vita ny fizaranasa.
Fihaonana mivantana amin’ireo tanora
Miezaka hatrany izahay manakaiky ireo tanora mba hanamorana ny fidiran’izy ireo amin’ny sehatry ny asa. Izany indrindra no antony andraisanay anjara matetika amin’ireo hetsika maro samihafa toy ny « salons de recrutement et d’orientation », mba hihaonana mivantana amin’izy ireo sy hiresahana momba ny hoaviny. Anisan’ireo hetsika ireo ny « Journées portes ouvertes » nokarakarain’ny Fakiolte EGS, ny « Salon de l’étudiant » tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny herinandron'ny fitarihana tao amin’ny « Institut Supérieur des Sciences », ary ny « Forum Stages » niarahana tamin’ny ISCAM Business School.
Fandraisana anjara tamin’ny « Forum Stages » nokarakarain’ny ISCAM Business School
Ny 30 janoary lasa teo, dia nandray anjara tamin’ny « Forum Stages » izahay. Izy ity dia hetsika nokarakarain’ny ISCAM Business School mba hampifandraisana ny mpianatra, ny tanora vao nahazo diplaoma ary ny orinasa. Nisy ny fifanakalozana niaraka tamin’ireo tanora nandritr’io fotoana io ka nampahafantatra momba ny asa eo amin’ny sehatry ny « microfinance » izahay ary koa ireo fandaharanasanay. Ny fahaliana sy ny fahavonon’izy ireo dia manamafy zavatra iray: vonona ny hivoatra sy hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ny tanora.