PAMF Academy : Fifanaraham-piaraha-miasan’ny PAMF sy ny ESCM Business School

Nivoaka ny 09/02/2026

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny PAMF ny fanamorana ny fampidirana ireo tanora eo amin'ny sehatry ny asa. Ho fanohizana ny asa efa natombokay tamin’ny « programme d’alternance » dia miara-miasa amin’ny ESCM Business School izahay ankehitriny anatin’ny fandaharanasa « PAMF Academy ». Izao fiaraha-miombon’antoka vaovao izao dia mampifandray ny lafiny fampianarana, ny fidirana an-tsehatra eo anivon’ny orinasa, ary ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra.

Fiaraha-miasa stratejika hanohanana ireo tanora

Ny PAMF sy ny ESCM Business School, izay sekoly ambony manofana momba ny fitantanam-bola, dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa miompana amin’ny « programme d’alternance ». Izao fandaharanasa izao dia anatin’ny « PAMF Academy » ary natao hampiarahana ny fampianarana sy ny fampiharana, mba hizarana fahazai-manao matihanina sy mahomby eo amin’ny sehatry ny asa ho an’ireo mpianatra.

Notanterahana anio teny amin’ny foiben’ny ESCM Business School ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana, izay hitondra hitondra voka-tsoa ho an’ny mpianatra sy ny tontolon’ny asa amin’ny ankapobeany. Afaka hidite eo amin’ny sehatry ny asa amim-pahatokisan-tena sy amim-pahasahiana arak’izany ireo tanora noho ity fiaraha-miasa ity.

Fandaharanasa feno mampifandray ny fampianarana sy ny asa matihanina

Ireo mpianatra manomana Master (efa manana ny mari-pahaizana Licence) no hisitraka ity fandaharanasa ity. Mandritry ny « programme d’alternance » dia hanaraka lalam-piofanana mampifandray ny fampianarana ara-pedagojika omen’ny ESCM Business School sy ny fampiharana mivantana eo anivon’ny PAMF izy ireo.

Horaisinay eto anivon’ny PAMF ireo mpianatra ireo mandritry ny roa volana ary hiditra an-tsehatra amin’ny tontolon’ny « microfinance », izay fototry ny asanay. Hisy mpitantsoroka hiahy sy hizara traikefa amin’izy ireo mba hampivelatra ny fahaiza-manao amin’ny asa.

Ity « programme d’alternance » ity dia novolavolaina mba hampivoatra ny fahaiza-manaon’ny mpianatra sy hanomanana ny fidirany amin’ny tontolon’ny asa. Fahaiza-manao izay mifanaraka tanteraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa amin’izao fotoana izao.

👉 Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fandaharanasanay ho an’ny tanora ve ianao ? Jereo ato ireo hetsika ataonay ho fampiroboroboana ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa !