
Amin’izao fotoana izao dia mandeha haingana avokoa ny zava-drehetra. Toy izany koa ny fitantanam-bola. Manoloana ny fivezivezena, ny filaharana lava ary ny adidy isan’andro, dia samy mitady vahaolana tsotra, mora ampiasaina ary azo antoka isika rehetra.
Vaovao tsara ! Nohon’ny fivoaran’ny teknolojia ara-bola dia mora kokoa ny fisitrana ny tolotra ara-bola nomerika.
Izahay ato amin’ny PAMF dia namorona tolotra nomerika mba hanamorana ny fiainanao andavanandro. Toy ny WhatsApp/Messenger banking miaraka amin’ny chatbot “AI-na”, ny application mobile “Net-tsara”, ary koa ny Wallet To Bank sy Bank To Wallet, izay manampy anao hitantana ny volanao na aiza na aiza misy anao.
Chatbot AI-na manampy anao amin’ny fitantanam-bola amin’ny andavanandro
Ny fampiasana ny chatbot « AI-na » dia toy ny manana mpanolotsaina ara-bola ao anaty findainao, vonona hanampy anao amin’ny fotoana rehetra, tsy mila miandry ny fisokafan’ny masoivoho.
Amin’ny alalan’ny Messenger sy WhatsApp, ny chatbot AI-na dia ahafahanao :
- mijery ny vola ao amin’ny kaontinao
- maka « mini-relevé »
- mamindra vola amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny kaonty PAMF
- manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
- miresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra
- mijery ireo masoivoho PAMF rehetra
Mitsitsy fotoana kokoa, tsy mila mandeha any amin’ny masoivoho, ary mbola afaka manara-maso tsara ny volanao. Tsy izay ihany fa tsotra kokoa ny fikirakirana ny chabot AI-na.
Ny application mobile Net-tsara manamora ny fitantana ny toe-bolanao
Saika atao amin’ny finday avokoa ny zavatra rehetra amin’izao fotoana izao. Toy izay ihany koa ny fitantana ny toe-bola.
Ny application mobile Net-tsara dia ahafahanao:
- mijery ny vola ao amin’ny kaontinao amin’ny fotoana rehetra
- maka « mini-relevé »
- mamindra vola amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny kaonty PAMF
- manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
- mijery ireo masoivoho PAMF rehetra
Afaka manara-maso tsara ny toe-bolanao amin’ny fotoana tena rehetra ianao amin’ny alalan’ity tolotra nomerika ity ary mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa.
Izany no tanjon’ny tolotra ara-bola nomerika: manamora sy manafaingana fitantanam-bola ho an’ny olona rehetra.
Ny tombontsoa amin’ny fampiasana Wallet to Bank sy Bank to Wallet
Sarobidy tokoa ny fotoana amin’ny fiainana andavanandro. Tsy ilaina intsony ny mandany fotoana amin’ny fivezivezena.
Amin’ny alalan’ny tolotra Wallet To Bank sy Bank To Wallet, dia lasa mora sy haingana kokoa ny famindrana vola.
- Bank to Wallet
Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny Orange Money-nao ianao ao anatin’ny fotoana fohy.
→ Tsotra, haingana ary tsy mila mivezivezy.
Ho tonga avy hatrany ao amin’ny kaontinao ny vola. Natao indrindra raha mila maka vola, mandoa vola maika na mila vola tampoka ianao.
Tsindrio fotsiny ny : #144#42#
- Wallet to Bank
Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty Orange Money na MVola mankany amin’ny kaonty PAMF-nao ianao.
Azonao atao amin’ny finday avokoa raha mila mandefa vola ao amin’ny kaonty ianao, na te hanampy ny tahirinao na koa hanao famerenam-bola ao amin’ny kaonty PAMF.
→ Tolotra 100% nomerika sy azo antoka, natao hanamorana ny fiainanao andavanandro.
Raha mampiasa Orange Money : tsindrio ny #14415*6#
Raha mampiasa MVola : tsindrio ny #1111823#
Ireo vahaolana ireo dia mampiseho tsara ny fivoaran’ny tolotra ara-bola nomerika, amin’ny fanomezana tolotra azo antoka sy mora ampiasaina.
Hamoray ny fomba fitantanam-bolanao miaraka amin’ireo tolotra nomerikanay !
Alaivo ao amin’ny App Store na Playstore ny application mobile Net-tsara