She Leads The Game : maneho ny finiavan’ny vehivavy ny basketball

Nivoaka ny 23/03/2026

Ny volana martsa, natokana ho an’ny vehivavy, dia fotoana iray manan-danja hanasongadinana ireo hetsika miavaka. Tafiditra anatin’izany ny hetsika « She Leads The Game », izay notanterahina ny 22 martsa tao amin’ny Gymnase Mahamasina. Fifaninana basketball izay nahavory vehivavy tanora sy lehibe an-jatony.

Tsy fifaninanana basketball 3x3 fotsiny izy ity, fa sehatra iray ahafahan’ireo mpandray anjara maneho ny maha izy azy. Sehatra iray ahafahany mihoitra, matoky tena kokoa ary mitondra ny nofinofiny sy ny tanjony, na eny an-kianja na eo amin’ny fiainana andavanandro.

Hetsika iray manasongadina ny talenta sy ny fahavononan’ny vehivavy

Maherin’ny 300 ireo mpilalao vehivavy nandray anjara tamin’ny « She Leads The Game ». Nahitana sokajy valo, izay nampivondrona ankizy, tanora sy lehibe avy amin’ny toerana samihafa.

Mazava ny tanjon’ny hetsika : mamporisika ny vehivavy haneho ny heriny sy hatoky ny fahaizany. Araka ny nambaran’ny filohan’ny Amazons Ballers :
« Mamporisika ny tovovavy sy ny vehivavy izahay hilalao, na eny an-kianja izany na eo amin’ny fanatrarana ny tanjony. »

Tao anatin’ny fahavononana tanteraka no niatrehan’ireo mpilalao ireo lalao nifandimby. Ny fiaraha-mientana sy ny finiavana no nampiavaka ny lalao tsirairay, ka nampiseho mazava ny herim-pon’ireo mpilalao.

Fandraisana andraikitra mivaingana hanohanana ny vehivavy

Ho an’i i-ndrana 643, ny fanohanana ny « She Leads The Game » amin’ny maha mpanohana ofisialy dia tsy fiaraha-miasa tsotra fotsiny ihany. Izany dia maneho ny fanoloran-tenanay hanohana ny vehivavy amin’ny tetikasany sy hanamafy ny fizakantenany.

Arak’izany, dia nanolotra loka « chèque épargne » mitentina 1 000 000 Ar ho an’ireo ekipa mpandresy tamin’ireo sokajy valo izahay. Ny tanjona amin’izany dia ny hamporisika azy ireo hitahiry vola, hanohana ny nofinofy sy tanjon’izy ireo, ary koa hanamora ny fisitrahan’izy ireo tolotra ara-bola.

Satria ao ambadiki’ny fandresena ara-panatanjahantena tsirairay dia misy tetikasa tiana ho hotanterahina sy vina tiana ho tratrarina.

Fotoana iray feno hafaliana tokoa ny lanonana fanolorana amboara. Ankoatra ny fahazoana loka, dia fotoana nankalazana ny fahasahian’ny vehivavy sy ny herim-pony ity fotoana ity.

Te hahafantatra ireo hetsika hafa nandraisanay anjara ve ianao ?

Araho hatrany ireo vaovao zarainay mba tsy ho diso anjara amin’ireo hetsika rehetra ianao.