Famaranana ny GMW 2026 amin’ny teny vitsivitsy

Nivoaka ny 24/03/2026

Tanatin’ny roa herinandro, olona marobe no nivondrona nankalaza ny Global Money Week 2026  tanatin’ny hafanam-po sy fientanana. Nifarana tamin’ny fomba miavaka ity fankalazana ity, izay narahana hetsika ara-panatanjahantena. Nisy ny lanonana fankasitrahana ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika, izay nandray anjara feno tamin’ny fanabeazana ara-bola.

Trail des Mille escaliers : famaranana ara-panatanjahantena nampivondrona olona maro

Ny Trail des Mille Escaliers no namarana ny hetsika rehetra tamin’ity andiany ity. Notanterahina ny alahady 22 janoary izay, ary toy ny mahazatra dia nandray anjara tamin’izany ny ekipanay.

Manodidina ny telopolo ny mpiara-miasa mavitrika nandray anjara tamin’ity hetsika ara-panatanjahantena ity. Niainga teo Antaninarenina ny hazakazaka, nihazo an’i Mahamasina sy Andohalo, ary nifarana teo amin’ny toerana niaingana.

Ezaka sy faharetana no hita nisoritra teny amin’ireo mpandray anjara nandritr’ity hazakazaka, izay nokarakarain’ny UltraTrek des Collines Sacrées (UCTS) ity.

Ity hetsika ity dia mampiseho ny soatoavina ifotoranay : ny fandraisana andraikitra, ny fahavononana ary ny fahombiazana.

Ankoatra ny ezaka ara-batana, nanamafy ny firaisankinan’ny ekipa ary naneho ny fahavononanay handray anjara mavitrika amin’ireo hetsika eo anivon’ny fiarahamonina ity hetsika ity.

GMW Awards : fankasitrahana ireo mpandray anjara

Taorian’ny roa herinandro niompana tamin’ny fanentanana sy fanabeazana, dia nahazo mari-pankasitrahana ny PAMF nandritry ny « Global Money Week Awards ».

Ity fankasitrahana ity dia manome lanja ireo hetsika rehetra nataonay ho an’ny tanora sy ny fiarahamonina, mba hanamorana ny fanabeazana ara-bola.

Ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra rehetra dia nahafahanay nampita fahalalana azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro. Ny tanjona tamin’izany dia ny hanampy ny tsirairay hitantana tsara ny volany.

Ity mari-pankasitrahana ity dia maneho indrindra ny ezaka sy ny fahavononan’ireo ekipanay eny an-kianja. Manamafy ihany koa izany ny finiavanay hanohy sy hanamafy hatrany ny asa ataonay ho an’ny fanabeazana ara-bola.

Ny Global Money Week 2026 no tapitra fa ny fandraisana anjara amin’ny fampiatiana ara-bola kosa dia mitohy hatrany.

👉 Araho eto amin’ny tranokala avokoa ireo hetsika ataonay ho an’ny fanabeazana ara-bola ho an’ny rehetra.