Manomana ireo tetikasa ho an’ny tapany faharoa amin’ny taona

Nivoaka ny 06/05/2026

Matetika dia tonga haingana kokoa noho ny eritreretina ny tapany faharoa amin’ny taona. Eo anelanelan’ireo tanjona napetraka tany am-piandohana sy ny zava-misy andavanandro, dia indraindray ny mahatsapa tena ho tara na very lalana. Kanefa, fotoana lehibe ity ahafahana mandinika indray, mandamina ary manohy ireo tetikasa amin’ny fomba mazava kokoa.

Ireto misy dingana tsotra hanampy anao handamina indray ny tanjonao sy handroso am-pitoniana hatramin’ny faran’ny taona.

1. Manao tombana ny tapany voalohan’ny taona

Alohan’ny hanombohana indray dia ilaina aloha ny manao jery todika.

Inona avy ireo zavatra efa nahomby ? Inona kosa no mbola niandry na nihisatra ? Ary indrindra, inona no antony nahatonga izany ?

Tsy natao hitsarana tena io tombana io, fa natao hahafantarana tsara ny dingana misy anao. Manampy hahita ny tanjaka sy ireo sakana mety nisy izany, ary koa ny zavatra tena tokony hifantohana.

Matetika aza dia tsapantsika fa efa betsaka ihany ny zavatra vita, na dia tsy araka ny noeritreretina tany am-piandohana aza.

2. Mametraka indray ireo laharam-pahamehana

Rehefa misasaka ny taona dia matetika isika no te hamita indray miaraka ireo zava-drehetra tsy vita. Kanefa, ny fahombiazana dia matetika miainga fahafantarana mazava izay tena zava-dehibe.

Ny mety indrindra dia ny mandamina.

Inona avy ireo tanjona 2 na 3 tena manan-danja ho tratrarina mandritra ny tapany faharoa amin’ny taona ? Ireo no tokony hifantohana kokoa, na eo amin’ny fiainana manokana izany na eo amin’ny asa.

Indraindray koa dia ilaina ny mampiato vetivety tetikasa sasany, mba hahafahana mandroso tsara amin’izay tena ilaina.

3. Mamadika ny tanjona ho asa azo tanterahina

Ny tanjona tsy misy drafitra mazava dia mijanona ho faniriana fotsiny.

Mba hahafahana mandroso dia azo atao ny mitsinjara ny tanjona ho dingana madinika sy mora tanterahina. Tsy voatery hatao indray mandeha avokoa ny zava-drehetra : ny fitohizana sy ny faharetana no tena zava-dehibe.

Ity misy fanontaniana tsotra afaka manampy anao amin’izany : “Inona no dingana kely azoko atomboka dieny izao ?”

Izany fomba izany no manampy hisorohana ny faharerahana sy hitazonana ny fahavitrihana.

4. Manaiky ny toe-java misy ary mitazona ny fahavitrihana

Na dia manana drafitra tsara aza dia tsy voatery mandeha araka ny nomanina avokoa ny zavatra rehetra.Mety hisy zavatra tsy ampoizina, fiovan’ny laharam-pahamehana tampoka na faharerahana indraindray.

Tsy atao mahakivy izany. Ny zava-dehibe dia tsy ny hifehy ny zava-drehetra, fa ny fahaizana manaraka ny toe-javatra.

Manao tombana ny fandrosoana vita, mankalaza ireo dingana madinika tratra ary ny fananana toe-tsaina miabo dia manampy betsaka hitazonana ny fahavitrihana hatramin’ny faran’ny taona.

Raha fintinina

Ny tapany faharoa amin’ny taona dia tsy hazakazaka manohitra ny fotoana, fa fotoana iray ahafahana manao tsara kokoa, amin’ny fomba mazava sy voalamina kokoa.

Tombana, laharam-pahamehana, asa mazava ary fanarahana ny toe-java-misy : ireo no andry efatra hanampy handroso am-pitoniana sy amim-pahombiazana. Ary raha toa ka ity tapany faharoa amin’ny taona ity no lasa fotoana tena ahafahanao manatanteraka zavatra lehibe ?