Mahandro sakafo, mampafana rano na manomana sakafo ho an’ny fianakaviana iray manontolo. Anisan’ny fiainana andavanandro ireo, kanefa indraindray dia mandany fotoana sy manasarotra ny fandaminana ny tontolo andro.
Ary raha vahaolana tsotra tahaka ny fahafahana mampiasa entona fandrehitra no afaka manova zavatra ?
Haingam-pandeha ny fiainana ankehitriny ka maro ireo fianakaviana mitady vahaolana tsotra sy mora kokoa hanamorana ny andavanandro. Ary indraindray, fiovana kely ao an-dakozia dia mety hitondra fiovana lehibe eo amin’ny fiainana.
Fihetsika kely tsy dia tsikaritra isan’andro
Matetika ireo lazaina ho pitsopitson-javatra no tena mandamina fiainana.
Toy izany ny fampiasana entona fandrehitra. Afaka mahandro haingana kokoa maraina alohan’ny hiasana. Manomana sakafo tsy mila miandry ela. Tsy mila mandrehitra afo sy manomana arina fandrehitra intsony.
Ireo zavatra madinika ireo dia afaka manova tanteraka ny fandaminana ny andro iray. Ary rehefa mihamora ny asa sasany, dia mihamaivana ihany koa ny fandaminana ao an-trano.

Fitsitsiana fotoana isan’andro
Zava-dehibe ny minitra tsirairay amin’izao vanim-potoana izao. Rehefa lany fotoana amin’ny asa, ny fianarana ary ny andraikitra ao an-tokantrano, dia tena manan-danja ny fotoana kely hahafahana maka aina.
Anisan’ny tombony lehibe amin’ny fampiasana entona fandrehitra ny maha mora ampiasaina azy. Haingana kokoa ny fandrahoan-tsakafo ary azo ampiasaina avy hatrany. Tsy mila mandany fotoana mandrehitra afo kitay na arina na manomana ela be intsony alohan’ny handrahoana sakafo.
Izany fotoana voatahiry izany dia hahafahana mifantoka amin’ny zavatra hafa : hiarahana bebe kokoa amin’ny fianakaviana, hikarakarana asa, hialana sasatra na hankafizana fotoana milamina tsotra izao.
Filaminana bebe kokoa ao an-tokatrano
Mampilamina bebe kokoa ao an-trano ihany koa ny fampiasana entona fandrehitra. Madio kokoa ny lakozia, mihena ny setroka ary mihena ihany koa ny loto isan’andro.
Mitondra fiovana lehibe izany indrindra ho an’ireo tokantrano efa be zavatra atao isan’andro. Lasa mora kokoa, haingana kokoa ary mahafinaritra kokoa aza ny fanomanana sakafo.
Satria ny fiainana andavanandro mora kokoa dia manome fahasambara ho an’ny fianakaviana.

Tombontsoa azo tsapain-tanana
Ankoatra ny maha mora ampiasaina azy isan’andro, ny fampiasana entona fandrehitra dia mampihena ny fandaniana ao an-trano. Tsy izay ihany, fa mampihena ny setroka ao an-trano ary koa ny fampiasana arina na kitay rehefa mahandro.
Rehefa mandeha ny fotoana, ireo fahazarana vaovao ireo dia mety hisy vokany tsara eo amin’ny tontolo iainana.
Indraindray, ireo vahaolana tsotra indrindra no mitondra fahazarana tsara kokoa eo amin’ny fiainana andavanandro.
Ity ny vahaolana ho anao
Indraindray dia mety ho sarotra ny fahazoana entona fandrehitra, indrindra noho ny resaka tetibola na fitaovana ilaina. Izany indrindra no antony anoloranay vahaolana tsotra miaraka amin’i Vitogaz.
Efa tafiditra anatin’ny tolotra ny « bouteille à gaz » sy ireo fitaovana ilaina rehetra hanombohana mampiasa izany ao an-trano.
Afaka misitraka ity tolotra ity avokoa na ireo mponina an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Manatona ny masoivohonay avy hatrany raha te hahazo izany sy safidio ny fomba famerenam-bola mety aminao.
Azo aloa tsikelikely hatramin’ny 12 volana izany, mba hahafahanao mandroso moramora sy am-pilaminana.
Ka inona ary no andrasanao ?