Fomba fahandro tsotra nitondra fahombiazana ara-barotra : ny tantaran’i Agnes RABENORO

Nivoaka ny 03/07/2026

Fomba fahandro tsotra nitondra fahombiazana ara-barotra : ny tantaran’i Agnes RABENORO

Misy ireo tantara somary tsy hanenoam-peo ety am-piandohana.

Tantara miainga ao an-dakozia, miaraka amin’ny fomba fahandro tsotra, faniriana hivoatra ary herim-po lehibe.

Anisan’izany ny tantaran’i Agnes RABENORO.

Ankehitriny, izy no mpanorina sy Tale Jeneralin’ny Cake Anya, orinasa mpamokatra mofomamy vita tanana izay efa hita eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe sy eny amin’ny tobin-tsolika. Saingy talohan’izany dia niasa mafy tao anatin’ny  faharetana sy fahavononana nandritry ny taona maro izy.

Niainga tamin’ny faniriana hivoatra

Tamin’ny taona 2001, tsy mbola niresaka momba ny fananganana orinasa i Agnes.

Ny tao an-tsainy voalohany dia ny fitadiavana asa fivelomana, mba hahafahany mivelatra amin’ny heriny manokana sy hananany fizaka-tena ara-bola.

Nitsiry tao an-tsainy ny hanamboatra sy hivarotra mofomamy vita amin’ny voasary. Fomba fahandro tsotra nolovainy avy amin’ny reny nitaiza azy, nefa fiandohan’ny fiovana lehibe teo amin’ny fiainany.

Nanomboka nivarotra izy. Tsy mbola nisy rafitra lehibe na fandaminana manokana. Ny faniriana hiasa sy hanangana zavatra ho azy no nanosika azy.

Io fanamboarana mofomamy io no niandohan’ny orinasa Cake Anya.

Nivoatra tsikelikely ny asa

Rehefa nandeha ny fotoana dia nihanivelatra ny asany.

Tamin’ny 2005 dia niroso tamin’ny dingana ara-dalàna mba hanomezana lanja ny asany izy. Ary tamin’ny 2017 dia voasoratra ara-panjakana tao amin’ny rejisitry ny varotra ny orinasa.

Tao anatin’izany taona maro izany dia niaina ny tena fiainan’ny mpandraharaha izy : ny famokarana tsikelikely, ny fanatsarana ny vokatra sy ny fomba fiasa, ny faharetana na dia somary miadana aza ny fandrosoan’ny asa.

Nitombo tsikelikely ny tinady. Nitombo ihany koa ny famokarana. Nanomboka niditra teo amin’ny sehatra matihanina ny Cake Anya ka nipaka tamin’ny mpanjifa maro.

Niova ny fomba fijery

Tamin’ny taona 2023, nandray anjara tamin’ny fampiofanana nokarakarain’ny PAMF ho an’ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny « Association des Femmes Autoentrepreneurs de Madagascar (AFAM) » i Agnes. Tamin’izay fotoana izay no nahafantarany voalohany an’ny PAMF.

“Taorian’io fampiofanana io dia nanomboka nazava tamiko ny lalana hampandrosoana ny orinasako.”

Efa noresahina tamin’izany fotoana izany ny fampindramam-bola ho an’ny mpandraharaha sy orinasa, saingy nisafidy ny hiandry aloha izy. Nahatsapa mantsy izy fa mbola mila fotoana kely handinihana mba hampandrosoana ny orinasany amin’ny sehatra lehibe kokoa.

Ny fotoana nanova ny zava-drehetra

Tamin’ny taona 2024, nandray anjara tamin’ny fifaninanana « Ampela mandrahara » i Agnes.  Fifaninanana natao ho an’ireo vehivavy mpandraharaha izay miompana amin’ny famolavolana drafitra ara-barotra na « business plan », ka izy no nivoaka ho mpandresy tamin’izany.

Anisan’ny mpitsara tamin’izany fifaninana izany ny PAMF, izay efa tsy vaovao aminy intsony. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tsapany fa efa vonona ny hiroso amin’ny dingana ambony kokoa izy.

Nitombo ny asany, saingy tsy ampy intsony ny enti-manana hanampiana fitaovana sy hampitomboana ny renivola ilaina amin’ny fampandrosoana ny orinasa. Nanapa-kevitra ary izy ny hangataka fampindramam-bola ho an’ny mpandraharaha sy orinasa ato amin’ny PAMF.

Nandray an-tanana sy nanampy azy tamin’ny dingana rehetra ny ekipan’ny PAMF, nanomboka tamin’ny fanomanana ny antontan-taratasy ka hatramin’ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny orinasany. Izany fanohanana izany no nahafahany nampitombo ny famokarana sy nampandroso ny orinasany.

Ankehitriny dia efa anatin’ny sehatra mahitanina ny Cake Anya. Lasa orinasa fantatry ny mpanjifa, ary amidy eny amin’ny toeram-pivarotana lehibe sy eny amin’ny tobin-tsolika ireo vokatra atolony.

Fahombiazana mihoatra noho ny orinasa

Mitohy hatrany ny fivoaran’ny Cake Anya.

Saingy tsy miompana amin’ny tarehiramika na ny fitomboan’ny orinasa fotsiny ny tantaran’i Agnes.

Tantarana vehivavy iray nampivoatra tsikelikely ny tenany. Vehivavy iray nahavita nanova fomba fahandro tsotra ho lasa orinasa fantatry ny maro, ary ny finiavany no nitondra izany fahombiazana izany.

Tantara manasongadina ny asa fandraharahana tantanan’ny vehivavy izy ity, nefa tsy izay izany, fa maneho fivoarana eo amin’ny fiainana.

Te hahafantatra ireo tantara hafa mahaliana ve ianao ? Jereo ato ny lahatsoratra hafa.