Tolotra nomerika manamora ny fitantanam-bola

Amin’izao fotoana izao dia mandeha haingana avokoa ny zava-drehetra. Toy izany koa ny fitantanam-bola. Manoloana ny fivezivezena, ny filaharana lava ary ny adidy isan’andro, dia samy mitady vahaolana tsotra, mora ampiasaina ary azo antoka isika rehetra.

Vaovao tsara ! Nohon’ny fivoaran’ny teknolojia ara-bola dia mora kokoa ny fisitrana ny tolotra ara-bola nomerika.

Izahay ato amin’ny PAMF dia namorona tolotra nomerika mba hanamorana ny fiainanao andavanandro. Toy ny WhatsApp/Messenger banking miaraka amin’ny chatbot “AI-na”, ny application mobile “Net-tsara”, ary koa ny Wallet To Bank sy Bank To Wallet, izay manampy anao hitantana ny volanao na aiza na aiza misy anao.

Chatbot AI-na manampy anao amin’ny fitantanam-bola amin’ny andavanandro

Ny fampiasana ny chatbot « AI-na » dia toy ny manana mpanolotsaina ara-bola ao anaty findainao, vonona hanampy anao amin’ny fotoana rehetra, tsy mila miandry ny fisokafan’ny masoivoho.

Amin’ny alalan’ny Messenger sy WhatsApp, ny chatbot AI-na dia ahafahanao :

  • mijery ny vola ao amin’ny kaontinao
  • maka « mini-relevé »
  • mamindra vola amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny kaonty PAMF
  • manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
  • miresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra
  • mijery ireo masoivoho PAMF rehetra

Mitsitsy fotoana kokoa, tsy mila mandeha any amin’ny masoivoho, ary mbola afaka manara-maso tsara ny volanao. Tsy izay ihany fa tsotra kokoa ny fikirakirana ny chabot AI-na.

Ny application mobile Net-tsara manamora ny fitantana ny toe-bolanao

Saika atao amin’ny finday avokoa ny zavatra rehetra amin’izao fotoana izao. Toy izay ihany koa ny fitantana ny toe-bola.

Ny application mobile Net-tsara dia ahafahanao:

  • mijery ny vola ao amin’ny kaontinao amin’ny fotoana rehetra
  • maka « mini-relevé »
  • mamindra vola amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny kaonty PAMF
  • manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
  • mijery ireo masoivoho PAMF rehetra

Afaka manara-maso tsara ny toe-bolanao amin’ny fotoana tena rehetra ianao amin’ny alalan’ity tolotra nomerika ity ary mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa.

Izany no tanjon’ny tolotra ara-bola nomerika: manamora sy manafaingana fitantanam-bola ho an’ny olona rehetra.

Ny tombontsoa amin’ny fampiasana Wallet to Bank sy Bank to Wallet

Sarobidy tokoa ny fotoana amin’ny fiainana andavanandro. Tsy ilaina intsony ny mandany fotoana amin’ny fivezivezena.

Amin’ny alalan’ny tolotra Wallet To Bank sy Bank To Wallet, dia lasa mora sy haingana kokoa ny famindrana vola.

  • Bank to Wallet
    Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny Orange Money-nao ianao ao anatin’ny fotoana fohy.

→ Tsotra, haingana ary tsy mila mivezivezy.

Ho tonga avy hatrany ao amin’ny kaontinao ny vola. Natao indrindra raha mila maka vola, mandoa vola maika na mila vola tampoka ianao.

Tsindrio fotsiny ny : #144#42#

  • Wallet to Bank
    Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty Orange Money na MVola mankany amin’ny kaonty PAMF-nao ianao.

Azonao atao amin’ny finday avokoa raha mila mandefa vola ao amin’ny kaonty ianao, na te hanampy ny tahirinao na koa hanao famerenam-bola ao amin’ny kaonty PAMF.

→ Tolotra 100% nomerika sy azo antoka, natao hanamorana ny fiainanao andavanandro.

Raha mampiasa Orange Money : tsindrio ny #14415*6#
Raha mampiasa MVola : tsindrio ny #1111823#

Ireo vahaolana ireo dia mampiseho tsara ny fivoaran’ny tolotra ara-bola nomerika, amin’ny fanomezana tolotra azo antoka sy mora ampiasaina.

Hamoray ny fomba fitantanam-bolanao miaraka amin’ireo tolotra nomerikanay !

Alaivo ao amin’ny App Store na Playstore ny application mobile Net-tsara

Ampiasao ny chatbot AI-na amin’ny Messenger sy Whatsapp

Findramam-bola amin’ny finday : ahoana no atao raha te hindram-bola am-pilaminana amin’ny «m-kajy» ?

Rehefa manakaiky ny fety dia mihamaro ny zavatra atao : ny fiomanana, ny fandaniana isan-karazany, ary indraindray misy koa ny tranga tsy ampoizina. Amin’ireny fotoana ireny dia afaka manampy betsaka ny findramam-bola haingana mba hitazonana ny filaminan’ny teti-bola.

«m-kajy» dia vahaolana tsotra, 100% amin’ny alalan’ny finday, hahafahanao mindram-bola sy mitanitana ny volanao am-pilaminana.

«m-kajy»: fampindramam-bola amin’ny finday manamora ny fiainanao

Tolotra 100% nomerika novolavolaina miaraka amin’ny Orange Money ny «m-kajy». Tsy mila mandeha any amin’ny masoivoho intsony na mameno taratasy lava, fa amin’ny ny findainao avokoa ny dingana rehetra.

Afaka mindrana hatramin’ny 3 500 000 Ar ianao, ary manana 30 andro hamerenana ny vola.

Vahaolana mety tsara izany raha mila vola maika, misy tetikasa haingana misy tanterahina, na te hanamboatra teti-bola.

Tsotra ny dingana arahana :

  • Mila manana kaonty Orange Money ianao
  • Miditra amin’ny tolotra «m-kajy»
  • Manao ny fangatahana findramam-bola
  • Ary tonga avy hatrany ao amin’ny findainao ny vola

Ny mampiavaka ny tolotra dia noho izy mora ampiasaina. Raha misy fanamboarana maika, faktiora mila aloa haingana, na tetikasa tsy afaka miandry : m-kajy no vahaolana haingana sy azo antoka mety aminao. Izany indrindra no fanambin’ny « microfinance » amin’ny fanomezana tolotra nomerika: mora ampiasaina ary mifanaraka amin’ny filànan’ny rehetra isan’andro.

Nahoana no tena ilaina mandritra ny fety ny «m-kajy» ?

Ny fotoanan’ny fety dia mitondra fifaliana, saingy matetika koa mitombo tampoka ny fandaniana. Amin’izay fotoana izay dia afaka manampy anao ny «m-kajy» mba tsy hanakorontana ny teti-bolanao.

Tena manampy anao mandritry ny fety ny « m-kajy » satria :

  • Mamaha haingana ireo olana tsy ampoizina: fanomezana hadino, dia aleha tampoka, na fikarakarana farany atao.
  • Manala ny ahiahy : mindrana ny vola ilainao amin’ny fotoana ilainao.
  • Manampy anao hankafy ny fety am-pitoniana: tsy mila manahy ny toe-bolanao.
  • Azo ampiasaina amin’ny ora rehetra isanandro (24h/7) : na amin’ny andro fety na amin’ny andro alina aza dia afaka mandefa fangatahana ianao.

Ahoana no hidirana amin’ny tolotra «m-kajy»?

Tsotra ny fidirana amin’ny «m-kajy», ary izany indrindra no mahatonga azy ho mora ampiasaina.

Ireto avy ny dingana arahina raha te hisoratra anarana amin’ny m-kajy :

  1. Midira ao amin’ny menu Orange Money
  2. Tsindrio #144#41# amin’ny findainao na ampiasao ny application Max It
  3. Ampidiro ny laharan’ny karapanondronao
  4. Mahazo SMS ianao rehefa mivaly ny fangatahanao

Haingana, mora ary azo antoka ny fampiasana ny tolotra « m-kajy ». Ao anatin’ny fotoana fohy dia afaka mahazo fampindramam-bolamifanaraka amin’ny fiainana andavanandro ianao.

👉 Te hahafantatra bebe kokoa momba ny tolotra «m-kajy» ve ianao?

Jereo eto ny antsipiriany rehetra ary fantaro ireo safidy rehetra misy !