
Aminâizao fotoana izao dia mandeha haingana avokoa ny zava-drehetra. Toy izany koa ny fitantanam-bola. Manoloana ny fivezivezena, ny filaharana lava ary ny adidy isanâandro, dia samy mitady vahaolana tsotra, mora ampiasaina ary azo antoka isika rehetra.
Vaovao tsara ! Nohonâny fivoaranâny teknolojia ara-bola dia mora kokoa ny fisitrana ny tolotra ara-bola nomerika.
Izahay ato aminâny PAMF dia namorona tolotra nomerika mba hanamorana ny fiainanao andavanandro. Toy ny WhatsApp/Messenger banking miaraka aminâny chatbot âAI-naâ, ny application mobile âNet-tsaraâ, ary koa ny Wallet To Bank sy Bank To Wallet, izay manampy anao hitantana ny volanao na aiza na aiza misy anao.
Chatbot AI-na manampy anao aminâny fitantanam-bola aminâny andavanandro
Ny fampiasana ny chatbot « AI-na » dia toy ny manana mpanolotsaina ara-bola ao anaty findainao, vonona hanampy anao aminâny fotoana rehetra, tsy mila miandry ny fisokafanâny masoivoho.
Aminâny alalanâny Messenger sy WhatsApp, ny chatbot AI-na dia ahafahanao :
- mijery ny vola ao aminâny kaontinao
- maka « mini-relevé »
- mamindra vola aminâny kaonty PAMF mankany aminâny kaonty PAMF
- manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
- miresaka mivantana aminâny tomponâandraikitra
- mijery ireo masoivoho PAMF rehetra
Mitsitsy fotoana kokoa, tsy mila mandeha any aminâny masoivoho, ary mbola afaka manara-maso tsara ny volanao. Tsy izay ihany fa tsotra kokoa ny fikirakirana ny chabot AI-na.
Ny application mobile Net-tsara manamora ny fitantana ny toe-bolanao
Saika atao aminâny finday avokoa ny zavatra rehetra aminâizao fotoana izao. Toy izay ihany koa ny fitantana ny toe-bola.
Ny application mobile Net-tsara dia ahafahanao:
- mijery ny vola ao aminâny kaontinao aminâny fotoana rehetra
- maka « mini-relevé »
- mamindra vola aminâny kaonty PAMF mankany aminâny kaonty PAMF
- manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
- mijery ireo masoivoho PAMF rehetra
Afaka manara-maso tsara ny toe-bolanao aminâny fotoana tena rehetra ianao aminâny alalanâity tolotra nomerika ity ary mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa.
Izany no tanjonâny tolotra ara-bola nomerika: manamora sy manafaingana fitantanam-bola ho anâny olona rehetra.
Ny tombontsoa aminâny fampiasana Wallet to Bank sy Bank to Wallet
Sarobidy tokoa ny fotoana aminâny fiainana andavanandro. Tsy ilaina intsony ny mandany fotoana aminâny fivezivezena.
Aminâny alalanâny tolotra Wallet To Bank sy Bank To Wallet, dia lasa mora sy haingana kokoa ny famindrana vola.
- Bank to Wallet
Afaka mandefa vola avy aminâny kaonty PAMF mankany aminâny Orange Money-nao ianao ao anatinâny fotoana fohy.
â Tsotra, haingana ary tsy mila mivezivezy.
Ho tonga avy hatrany ao aminâny kaontinao ny vola. Natao indrindra raha mila maka vola, mandoa vola maika na mila vola tampoka ianao.
Tsindrio fotsiny ny : #144#42#
- Wallet to Bank
Afaka mandefa vola avy aminâny kaonty Orange Money na MVola mankany aminâny kaonty PAMF-nao ianao.
Azonao atao aminâny finday avokoa raha mila mandefa vola ao aminâny kaonty ianao, na te hanampy ny tahirinao na koa hanao famerenam-bola ao aminâny kaonty PAMF.
â Tolotra 100% nomerika sy azo antoka, natao hanamorana ny fiainanao andavanandro.
Raha mampiasa Orange Money : tsindrio ny #14415*6#
Raha mampiasa MVola : tsindrio ny #1111823#
Ireo vahaolana ireo dia mampiseho tsara ny fivoaranâny tolotra ara-bola nomerika, aminâny fanomezana tolotra azo antoka sy mora ampiasaina.
Hamoray ny fomba fitantanam-bolanao miaraka aminâireo tolotra nomerikanay !
Alaivo ao aminâny App Store na Playstore ny application mobile Net-tsara
