Fambolen-kazo 2026 : Mamboly hazo anio hiarovana ny ampitso

Nivoaka ny 25/02/2026

Ny fambolen-kazo dia hetsika tsotra. Saingy rehefa averina in’arivony izany, dia lasa hery lehibe ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampihenana ny entona karbonina avoakantsika.

Ny fambolen-kazo dia asa mivaingana ho fiarovana ny tontolo voajanahary. Tsy izay ihany fa manatsara ny fahavokaran’ny tany ary mitondra fampandrosoana maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.

Ambatomalaza : miaro ny tany, manohana ny fiarahamonina

Tao Ambatomalaza, olona manodidina ny 500 — mpiasa, fianakaviana, mpikambana ao amin’ny Vondrona Tahiry Ifotony (Groupement d’Epargne Communautaire) ary mponina eny an-toerana — no niray hina hiaro ny tany fambolena sy ny tontolo voajanahary eo an-toerana.

Niara-niasa tamin’ny vondrom-piarahamonina Ismaili sy ny Organisation de Soutien pour le Développement Rural à Madagascar (OSDRM), zana-kazo 4 000 no novolena, ahitana frêne sy karazana hazo mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny tany ao an-toerana.

Satria miankina amin’ny fambolena ny fiainan’ny mponina ao an-toerana, dia mitana anjara toerana lehibe ny fanarenana ala :
• manatsara ny fahavokaran’ny tany
• mampihena ny fihotsahan’ny tany
• miaro ny voly

Natomboka tamin’ny taona 2021 ity fandaharanasa ity, ary efa nahafahana namboly hazo maherin’ny 20 000 tany amin’ny faritra dimy manerana an’i Madagasikara. Nahazoana vokatra tsara izany satria manodidina ny 90 % ny taha-pahaveloman’ny hazo, noho ny fanaraha-maso iarahana amin’ny fiarahamonina eny an-toerana.

Mitohy ny fiaraha-mientana any amin’ny faritra

Nitohy manerana ny nosy ny hetsika, tamin’ny fambolena hazo fihinam-boa, frêne, akasia ary mantaly, voafidy araka ny filàn’ny faritra tsirairay.

• Faritra Avaratra : Antsohihy, Befandriana ary Marovoay – hazo manodidina ny 1 000 no novolena
• Faritra Andrefana : Mahajanga, indrindra tao Marohogo – nambolena zana-kazo vaovao
• Faritra Atsimo : Antsirabe sy Fianarantsoa – nitohy ny asa fanarenana ala

Ireo hetsika ireo dia notanterahina niaraka tamin’ny ireo Vondrona Tahiry Ifotony, fikambanana any an-toerana, tompon’andraikitram-panjakana ary ny mponina.

Raha atambatra, hazo maherin’ny 8 000 no novolena nandritra ity hetsika ity. Izany dia maneho fahavononana mazava sy maharitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Andao tohizana ny asa !

Ny fambolen-kazo dia tsy hetsika indray mandeha fotsiny. Fiaraha-mientana maharitra izy io, izay mitombo lanja isaky ny misy mandray anjara.

Ny fiarovana ny tontolo iainana dia paikady hiarovana sy hanatsarana ho an’ny hoavin’ny taranaka rahatrizay.

Andao hanohy ny ezaka efa natao !