Mandeha haingana avokoa ny zava-drehetraa amin’izao fotoana izao. Mila valiny tsotra sy mora azo ny olona, nefa tsy voatery afaka mivezivezy sy miandry ela. Izany indrindra no mahatonga ireo tolotra nomerika ho be mpampiasa amin’ny fiainana andavanandro.
Ao anatin’izany indrindra no namoahan’ny PAMF vahaolana tsotra amin’ny alalan’ny finday, antsoina hoe chatbot AI-na izay azo ampiasaina amin’ny Messenger sy WhatsApp.
Mora ampiasaina, manampy anao amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza toerana misy anao rehetra AI-na.
AI-na : tolotra nomerika mora ampiasaina
Afaka mampiasa ny chatbot AI-na amin’ny Messenger sy WhatsApp ianao. Tsy mila mampiasa application hafa fanampiny intsony na manatona masoivoho.

Azonao atao ny :
- mijery ny solde-nao ;
- maka mini-relevé ;
- manao virement compte à compte ;
- manao « simulation » amin’ny findramam-bola sy fitehirizam-bola ;
- miresaka mivantana amin’ny « agent » ;
- mahita ireo masoivoho PAMF rehetra.
Izany rehetra izany no natao mba hanamorana ny fiainanao sy hahafahanao mikirakira ny kaontinao avy hatrany amin’ny findainao.
Fitandremana rehefa mampiasa ny chatbot AI-na
Tahaka ny fitaovana nomerika rehetra, mila mitandrina isika rehefa mikirakira ny tolotra. Satria mety hisy ihany koa ireo kaonty sandoka mampiasa Messenger sy WhatsApp.
Ireto avy ary misy fihetsika tsotra afaka manampy anao amin’ny fiarovana ny kaontinao.
1. Hamarino foana ny pejy ofisialy
Alohan’ny hanombohana resaka dia hamarino tsara fa tena pejy ofisialin’ny PAMF no iresahanao. Misy kaonty sandoka mety hitovy endrika amin’ny tena izy ka mety hampisavorovoro.

2. Tehirizo ho anao irery ny mombamomba anao
Tokony ho tazomina tsiambaratelo hatrany ny teny miafina, ny « code PIN », ny « code de validation (OTP) », ary ny momba ny kaonty manokana.
Raha misy hafatra voarainao mangataka ireo dia aleo tsy mizara na inona na inona na dia toa azo itokisana aza ny voalaza ao.
3.Mitandrema amin’ireo hafatra mampiahiahy
Raha maharay rohy tsy fantatra, fangatahana maika, hafatra hafahafa, dia makà fotoana foana hanamarinana izany. Raha misy fisalasalana dia ampiasao hatrany ireo tambazotra ofisialin’ny PAMF ao amin’ny Messenger sy WhatsApp.
4. Arovy ihany koa ny findainao
Ny fiarovana ny findainao dia fiarovana ny mombamomba anao ihany koa. Mampiasà teny miafina matanjaka, havaozy matetika ny applications-nao ary aza mampiasa finday na wi-fi tsy azo antoka.
Ny fahazarana tsara indrindra : mila mailo hatrany !
Andramo dieny izao ny tolotra !
Messenger sa WhatsApp? Anao ny safidy.
AI-na dia hita ao amin’ireo tambazotra roa ireo mba hanampy anao haingana, na aiza na aiza misy anao.
Tsy mila manova ny fahazaranao akory : sokafy fotsiny ny application fampiasanao dia mandefasa hafatra.