Ny hoe mitahiry vola dia tsy hoe mametraka vola fotsiny ihany. Fomba iray hanatanterahana ny tetikasanao sy hiantohana ny hoavinao izy io. Lasa haingana sy mora kokoa ho an’ny rehetra ny manokatra kaonty tahiry nohon’ny tolotra nomerika izay ataonay. Afaka manao izany avy hatrany amin’ny alalan’ny solosaina na amin’ny findainao ianao amin’izao fotoana izao !
Inona no tombony azo amin’ny fanokafana kaonty amin’ny tranokala ?
Ny kaonty fitehirizam-bola dia manampy anao hampitombo ny volanao am-pilaminana. Na olon-tsotra ianao na mpandraharaha, manampy anao hiomanana amin’ny tranga tsy ampoizina, hanatanteraka ny tetikasa, na hanangona renivola tsikelikely ny fitehirizam-bola.
Mitsitsy fotoana kokoa ny manokatra kaonty fitehirizam-bola amin’ny aterineto. Tsy mila taratasy sy dingana marobe. Afaka mijery sy mampitaha ny tolotra misy ianao, misafidy izay mifanaraka amin’ny filànao, ary miroso avy hatrany amin’ny fanokafana kaonty PAMF.
Soraty ny lelavola tianao tahirizina sy ny fe-potoana mety aminao. Miseho eo avy hatrany ny zana-bola azonao ary afaka manitsy ny teti-kasanao arak’izany ianao. Avy eo, tsindrio ny “Ouvrir un compte” hanombohana ny fangatahanao. Ao anatin’ny dingana vitsy monja dia misokatra ny kaontinao.
Nataonay ho fohy sy mora ny dingana arahana mba hahafahan’ny rehetra misitraka tolotra fitehirizam-bola azo antoka. Afaka manokatra kaonty am-pitoniana ianao ary miasa ho anao ny volanao.
Anatin’ny fianakaviana maro, misy lohahevitra iray mbola zara raha resahina: ny vola. Indraindray resahina amin’ny feo malefaka izy io, ary matetika aza tsy resahina mihitsy. Toy ny hoe lohahevitra saropady na tsy tokony horesahina. Kanefa, ao ambadik’io fahanginana io dia matetika misy fanontaniana sy fisalasalana… ary indrindra koa faniriana hahatakatra bebe kokoa.
Ary ahoana raha ovaina izany ?
Alaivo sary an-tsaina anie ny fotoana hahafahana miresaka malalaka momba ny tetibola, ny tahiry na koa ny safidy ara-bola. Resaka tsotra, nefa manampy ny tsirairay hahafantatra ny fomba fitantanam-bola isan’andro.
Izany indrindra no tanjon’ny Global Money Week 2026, hetsika iraisam-pirenena natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola. Amin’ity taona ity, mazava ny lohahevitra : « Andao hahasahy hiresaka momba ny vola ».
Satria raha ny marina, tsy tokony ho fady ny miresaka vola. Ny fifampizarana, ny fanontaniana ary ny fianarana no manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ho an’ny hoavintsika ara-bola.
Maninona no zava-dehibe ny miresaka momba ny vola ?
Mampiasa vola foana isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro : rehefa miantsena, rehefa mandoa faktiora, na rehefa mitahiry vola ho an’ny tetikasa iray. Kanefa, anatin’ny tokantrano maro dia mbola vitsy ny miresaka momba azy.
Tsy hoe tsy mahaliana ny resa-bola, fa tsy nampianarina hiresaka momba izany isika. Lasa lohahevitra ialàna na avela mangina fotsiny.
Kanefa indraindray dia resaka tsotra monja dia afaka manova ny fomba fijerintsika. Rehefa manomboka miresaka vola ny fianakaviana iray, dia misy fahalalana sarobidy ampitaina.
Mianatra tsikelikely ny ankizy fa ny vola tsy natao holaniana fotsiny ihany, fa mila tantanana amim-pitandremana. Mianatra mandamina fandaniana, misoroka ny fividianana tampoka, ary mieritreritra ny tahiry ho an’ny ho avy.
Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy lohahevitra saropady intsony ny vola. Lasa fitaovana manampy antsika hitantana tsara kokoa ny volantsika.
Ny fanabeazana ara-bola, lakilen’ny hoavy mamiratra
Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hahafantatra bebe kokoa ny fomba fiasan’ny vola. Manampy ihany koa izy io hananganana fiarovana ara-bola ho an’ny hoavy.
Ny dingana voalohany dia ny fanaraha-maso ny fandaniana. Rehefa fantatra izany dia mora kokoa ny mandamina ny tetibola sy ny tahiry.
Na dia tahiry kely aza dia mety hitondra fiovana lehibe. Afaka manampy hiatrehana toe-javatra tsy ampoizina izy ireny, ary manampy koa amin’ny fanatanterahana tetikasa.
Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hitantana ny vola amin’ny fomba mahomby kokoa ary handray fanapahan-kevitra mazava.
Manana anjara toerana lehibe, ho an’ny firenena maro, ny « microfinance » amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra ara-bola.
Tafiditra anatin’izany ny tahiry, ny fampindramam-bola ho an’ny tetikasa, na koa ny fanomezana torohevitra ara- bola. Manampy ny fianakaviana sy ny mpandraharaha hitantana tsara ny volany izy ireo arak’izany.
Amin’ny maha mpisehatra amin’ny fampiatiana ara-bola, ny PAMF dia handray anjara mavitrika amin’ny fankalazana nhy Global Money Week 2026.
Hisy hetsika maro hotanterahina amin’izany : toy ny fanentanana any amin’ny toerana isan-karazany, lahadinika, fifanakalozan-kevitra, ary hetsika hanentanana ny olona hiresaka bebe kokoa momba ny fanabeazana ara-bola sy ny fitantanana vola.
Araho akaiky ny fankalazana ny Global Money Week 2026 !
Jereo eto ireo vaovao rehetra zarainay mba hahafantaranao ireo hetsika, torohevitra ary fanentanana hozarainay mandritr’ity fankalazana natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola ity.
Amin’izao fotoana izao dia mandeha haingana avokoa ny zava-drehetra. Toy izany koa ny fitantanam-bola. Manoloana ny fivezivezena, ny filaharana lava ary ny adidy isan’andro, dia samy mitady vahaolana tsotra, mora ampiasaina ary azo antoka isika rehetra.
Vaovao tsara ! Nohon’ny fivoaran’ny teknolojia ara-bola dia mora kokoa ny fisitrana ny tolotra ara-bola nomerika.
Izahay ato amin’ny PAMF dia namorona tolotra nomerika mba hanamorana ny fiainanao andavanandro. Toy ny WhatsApp/Messenger banking miaraka amin’ny chatbot “AI-na”, ny application mobile “Net-tsara”, ary koa ny Wallet To Bank sy Bank To Wallet, izay manampy anao hitantana ny volanao na aiza na aiza misy anao.
Ny fampiasana ny chatbot « AI-na » dia toy ny manana mpanolotsaina ara-bola ao anaty findainao, vonona hanampy anao amin’ny fotoana rehetra, tsy mila miandry ny fisokafan’ny masoivoho.
Amin’ny alalan’ny Messenger sy WhatsApp, ny chatbot AI-na dia ahafahanao :
manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
miresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra
mijery ireo masoivoho PAMF rehetra
Mitsitsy fotoana kokoa, tsy mila mandeha any amin’ny masoivoho, ary mbola afaka manara-maso tsara ny volanao. Tsy izay ihany fa tsotra kokoa ny fikirakirana ny chabot AI-na.
Ny application mobile Net-tsara manamora ny fitantana ny toe-bolanao
Saika atao amin’ny finday avokoa ny zavatra rehetra amin’izao fotoana izao. Toy izay ihany koa ny fitantana ny toe-bola.
Ny application mobile Net-tsara dia ahafahanao:
mijery ny vola ao amin’ny kaontinao amin’ny fotoana rehetra
manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
mijery ireo masoivoho PAMF rehetra
Afaka manara-maso tsara ny toe-bolanao amin’ny fotoana tena rehetra ianao amin’ny alalan’ity tolotra nomerika ity ary mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa.
Izany no tanjon’ny tolotra ara-bola nomerika: manamora sy manafaingana fitantanam-bola ho an’ny olona rehetra.
Ny tombontsoa amin’ny fampiasana Wallet to Bank sy Bank to Wallet
Sarobidy tokoa ny fotoana amin’ny fiainana andavanandro. Tsy ilaina intsony ny mandany fotoana amin’ny fivezivezena.
Amin’ny alalan’ny tolotra Wallet To Bank sy Bank To Wallet, dia lasa mora sy haingana kokoa ny famindrana vola.
Bank to Wallet Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny Orange Money-nao ianao ao anatin’ny fotoana fohy.
→ Tsotra, haingana ary tsy mila mivezivezy.
Ho tonga avy hatrany ao amin’ny kaontinao ny vola. Natao indrindra raha mila maka vola, mandoa vola maika na mila vola tampoka ianao.
Tsindrio fotsiny ny : #144#42#
Wallet to Bank Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty Orange Money na MVola mankany amin’ny kaonty PAMF-nao ianao.
Azonao atao amin’ny finday avokoa raha mila mandefa vola ao amin’ny kaonty ianao, na te hanampy ny tahirinao na koa hanao famerenam-bola ao amin’ny kaonty PAMF.
→ Tolotra 100% nomerika sy azo antoka, natao hanamorana ny fiainanao andavanandro.
Raha mampiasa Orange Money : tsindrio ny #14415*6# Raha mampiasa MVola : tsindrio ny #1111823#
Ireo vahaolana ireo dia mampiseho tsara ny fivoaran’ny tolotra ara-bola nomerika, amin’ny fanomezana tolotra azo antoka sy mora ampiasaina.
Hamoray ny fomba fitantanam-bolanao miaraka amin’ireo tolotra nomerikanay !
Alaivo ao amin’ny App Store na Playstore ny application mobile Net-tsara
Te hanana hoavy milamina kokoa ve ianao, nefa tsy te hanasarotra ny fiainanao ? Ny kaonty fitahirizam-bola dia fomba tsotra sy mora hahafahanao manatanteraka ny tetikasanao. Ato amin’ny PAMF, mpisehatra lehibe amin’ny sehatry ny « microfinance » eto Madagasikara, ny fitahirizana dia fomba tsotra manampy anao hanomana ny hoavinao ara-bola.
1. Fitahirizana azo antoka ho an’ny tetikasanao rehetra
Ny fanokafana kaonty fitahirizam-bola dia manampy anao hiaro ny volanao. Ato amin’ny PAMF, voaaro tsara ny vola apetrakao ary afaka mitahiry am-pahatokisana ianao.
« Epargne Tahiry-Nakà » sy « Epargne Boost Affaire » ho an’ny mpandraharaha, olon-tsotra ary orinasa ;
« Epargne Femme Plus » natokana ho an’ny vehivavy ;
« Epargne Retraite Plus » hanomanana ny fisotroan-dronono ;
« Epargne Logement » hananganana ny tranonao amin’ny hoavy.
Misy kaonty fitahirizana mifanaraka amin’ny filanao hatrany na tetikasa maika na lavitra ezaka no tianao ho tanterahana. Tsy izay ihany fa tsotra ny fitehirizam-bola eny amin’ny masoivoho PAMF ary manampy anao hampivoatra amin’ny tetikasanao.
2. Zana-bola tsara indrindra hampitomboana ny volanao
Tsy fitahirizana fotsiny ihany ny kaonty ato amin’ny PAMF fa mampitombo ny volanao ihany koa. Zana-bola hatramin’ny 7,5% be izao no atolotray eny amin’ny masoivoho, izay anisan’ny zana-bola tsara indrindra. Na kaonty tahiry tsotra na tahiry mandritry ny fotoana voafetra no safidianao, dia mitombo hatrany ny volanao. Mandroso kokoa makany amin’ny tanjonao sy ny nofinofinao rehefa mazoto mitahiry vola.
3. Fitahirizana tsotra sy mifanaraka amin’ny filanao
Tsotra ny dingana arahana raha te hitahiry vola eny amin’ny masoivohonay. Vonona hatrany ireo ekipanay hanampy anao hisafidy ny kaonty fitahirizam-bola mifanaraka amin’ny fidiram-bolanao sy ny tanjonao.
Ho anao tanora, ray aman-dreny, mpandraharaha, na orinasa te hisitraka fitahirizam-bola azo antoka, manatona ny masoivohonay. Manana tolotra mifanaraka amin’ny tetikasanao izahay ary vonona handray anao.
Ahoana no atao raha te hanokatra kaonty fitahirizam-bola ?
Les fêtes approchent, et avec elles l’envie d’acheter de belles choses et de réaliser de nouveaux projets. Pour rester dans cette ambiance joyeuse, il est essentiel de bien gérer son prêt et d’adopter une bonne gestion financière. Que vous ayez un prêt personnel, un crédit professionnel ou un nouveau financement accordé par votre établissement financier, quelques bonnes pratiques peuvent vous aider à profiter pleinement de la saison festive et surtout sans pression !
1. Planifiez vos dépenses
Les fêtes peuvent vite faire grimper les dépenses : cadeaux, repas, déplacements, événements… Pour éviter les surprises, établissez un budget clair dès le départ.
Listez toutes vos dépenses prévues et classez-les par priorité.
Intégrez vos échéances de prêt dans ce budget pour respecter votre délai de remboursement.
Réservez une petite marge pour les imprévus (il y en a toujours pendant les fêtes !).
Une bonne organisation permet non seulement de préserver un bon équilibre, mais aussi de mieux profiter des célébrations sans stress.
2. Choisissez le financement adapté à vos besoins
Si vous envisagez de demander un financement supplémentaire pour la période festive ou pour lancer une activité liée aux fêtes, prenez d’abord le temps de comparer les offres disponibles.
Pour un besoin personnel : un prêt à la consommation peut être la solution idéale.
Pour des projets entrepreneuriaux : un crédit professionnel (PME, commerce et services) peut vous aider à saisir les opportunités du moment.
Vérifiez toujours les conditions de prêt, les taux, et les modalités offertes par votre établissement financier.
Optez également pour des services financiers numériques comme « m-kajy ». Un service en partenariat avec Orange Money, qui vous permet d’emprunter directement via votre téléphone, à tout moment et n’importe où, et surtout sans paperasse.
Un financement bien choisi vous accompagne, sans vous alourdir.
3. Entretenez une bonne relation avec votre établissement financier
Les fêtes sont une période pleine de surprises ! Pour cette raison, maintenir un bon échange avec votre établissement financier peut vraiment faire la différence.
Informez-vous sur les options de flexibilité liées au délai de remboursement.
Vérifiez les solutions possibles en cas d’imprévu et demandez des conseils pour améliorer votre gestion financière.
Restez transparent : c’est la clé pour maintenir une bonne relation avec votre établissement financier.
Ainsi, une bonne communication vous évite la pression et vous aide à garder vos engagements.
Bien gérer un prêt pendant les fêtes, c’est avant tout une question d’équilibre et d’anticipation. Avec un budget clair et un bon suivi, vous pouvez célébrer sereinement tout en respectant vos engagements.
La transformation numérique est en train de redéfinir notre rapport à la microfinance. Aujourd’hui, les solutions digitales permettent d’accéder plus facilement aux services financiers, d’épargner à son rythme et d’obtenir un prêt digital en quelques minutes. Cette évolution offre un véritable gain de temps, mais surtout une nouvelle forme de proximité avec les institutions financières. À la PAMF, nous avons choisi d’en faire une priorité : mettre le digital au cœur de l’expérience client, tout en conservant l’accompagnement et la confiance qui nous caractérisent.
m-kajy : épargner et emprunter depuis son téléphone
Parmi les avancées majeures, notre service « m-kajy » est devenu une solution incontournable pour tous ceux qui souhaitent gérer leur argent sans contraintes. Ce service 100% numérique, développé en partenariat avec Orange Money, permet d’épargner et d’emprunter directement depuis son mobile. Disponible 24h/7j, sans frontières géographiques, m-kajy offre une liberté totale pour gérer son budget où que l’on soit.
Par ailleurs, l’épargne digitale n’a jamais été aussi simple grâce à deux offres adaptées aux besoins de chacun : • Tahiry Be, notre épargne bloquée accessible via « m-kajy », permet de sécuriser son argent tout en bénéficiant d’un taux d’intérêt très attractif allant jusqu’à 7% net. • Tahiry, plus flexible, offre une épargne illimitée avec un taux d’intérêt de 4,5% net par an, idéale pour mettre de côté progressivement.
Notre dernière nouveauté « l’épargne automatique » vient renforcer cette dynamique. Cette fonctionnalité permet de programmer un montant et une fréquence d’épargne via Orange Money. Une fois paramétrée, l’épargne se fait toute seule, de façon régulière, sans effort et en toute sécurité. C’est une solution idéale pour atteindre ses objectifs sans y penser chaque jour.
Ainsi, grâce à ces innovations, « m-kajy » place l’épargne digitale et le prêt digital à portée de tous, tout en renforçant l’inclusion financière.
Un écosystème digital complet avec net-tsara et AI-na
La proximité digitale ne s’arrête pas à « m-kajy ». La PAMF propose également des outils simples et accessibles pour permettre à chacun de gérer son compte sans se déplacer : l’application mobile « Net-tsara » et le « Chatbot banking AI-na ».
Grâce à ces deux canaux, les utilisateurs peuvent consulter leur solde en temps réel, effectuer des virements compte à compte et simuler un prêt ou une épargne en quelques secondes, ce qui facilite considérablement leur gestion financière au quotidien.
Notre chatbot AI-na, disponible sur Messenger et WhatsApp, offre un accompagnement plus personnalisé. En effet, en plus des fonctionnalités énumérées précédemment, il permet de discuter instantanément avec un agent, de poser des questions, de demander de l’aide ou encore d’obtenir des informations. Une assistance continue qui renforce encore plus la proximité entre la PAMF et ses clients.
Le digital, un levier d’inclusion et de confiance
L’essor de la finance digitale ouvre aujourd’hui une nouvelle ère pour la microfinance. En combinant « m-kajy, « Net-tsara » et « AI-na », la PAMF propose des solutions simples, accessibles et adaptées au quotidien. Le digital rapproche la microfinance de ses utilisateurs, réduit les distances et permet à chacun de gérer son argent avec plus d’autonomie, de flexibilité et de confiance.
Explorez ici nos solutions digitales et financières !
Rehefa mitahiry vola dia tsy midika akory hoe tsy maintsy mihafy. Ny zava-dehibe dia ny fahazarana tsara sy ny fanarahana fitsipika tsotra izay afaka mitondra fiovana lehibe.
Nohon’ny fisian’ny tolotra ara-bola nomerika sy ireo tolotra fitahirizam-bola isan-karazany, dia afaka manomana ny hoaviny ara-bola ny tsirairay nefa tsy misy fanerena.
Na dia vola kely apetraka isam-bolana aza dia afaka mitondra fiovana lehibe rehefa mandeha ny fotoana.
Ankoatra izany, miaraka amin’ny Wallet to Bank sy ny tahiry amin’ny finday, dia mbola mora kokoa izany satria afaka mitantana ny tahirinao mivantana amin’ny findainao ianao, amin’ny fotoana mety aminao.
2. Mametraha tanjona mazava
Ny mitahiry vola tsy misy tanjona dia toy ny mandeha an-dranomasina tsy misy tari-dalana.
Noho izany dia zava-dehibe ny mametraka drafitra mazava: mety ho fialantsasatra, fanorenana trano, na tahiry ho an’ny ankizy.
Manampy anao hitazona ny fahavononana izany ary hahita mazava ny vokatr’ireo ezaka ataonao ianao.
Rehefa mametraka tanjona azo tanterahina anatin’ny fe-potoana voafaritra ianao dia lasa zavatra mampientanentana ny fitahirizam-bola vola fa tsy fanerena.
3. Araho maso ireo fandaniana madinika
Indraindray ireo fandaniana madinika isan’andro no mety hampihena be ny teti-bola : kafe isan-maraina, sakafo aterina, na famandrihan-toerana tsy ampiasaina intsony.
Rehefa fantatrao ireo fandaniana ireo dia afaka mampihena izany ianao ka tehirizanao ny vola.
Nous utilisons des cookies pour vous garantir la meilleure expérience sur notre site web. Si vous continuez à utiliser ce site, nous supposerons que vous en êtes satisfait.