Fomba fahandro tsotra nitondra fahombiazana ara-barotra : ny tantaranâi Agnes RABENORO
Misy ireo tantara somary tsy hanenoam-peo ety am-piandohana.
Tantara miainga ao an-dakozia, miaraka aminâny fomba fahandro tsotra, faniriana hivoatra ary herim-po lehibe.
Anisanâizany ny tantaranâi Agnes RABENORO.
Ankehitriny, izy no mpanorina sy Tale Jeneralinâny Cake Anya, orinasa mpamokatra mofomamy vita tanana izay efa hita eny aminâny toeram-pivarotana lehibe sy eny aminâny tobin-tsolika. Saingy talohanâizany dia niasa mafy tao anatinâny faharetana sy fahavononana nandritry ny taona maro izy.
Niainga taminâny faniriana hivoatra
Taminâny taona 2001, tsy mbola niresaka momba ny fananganana orinasa i Agnes.
Ny tao an-tsainy voalohany dia ny fitadiavana asa fivelomana, mba hahafahany mivelatra aminâny heriny manokana sy hananany fizaka-tena ara-bola.
Nitsiry tao an-tsainy ny hanamboatra sy hivarotra mofomamy vita aminâny voasary. Fomba fahandro tsotra nolovainy avy aminâny reny nitaiza azy, nefa fiandohanâny fiovana lehibe teo aminâny fiainany.
Nanomboka nivarotra izy. Tsy mbola nisy rafitra lehibe na fandaminana manokana. Ny faniriana hiasa sy hanangana zavatra ho azy no nanosika azy.
Io fanamboarana mofomamy io no niandohanâny orinasa Cake Anya.
Nivoatra tsikelikely ny asa
Rehefa nandeha ny fotoana dia nihanivelatra ny asany.
Taminâny 2005 dia niroso taminâny dingana ara-dalĂ na mba hanomezana lanja ny asany izy. Ary taminâny 2017 dia voasoratra ara-panjakana tao aminâny rejisitry ny varotra ny orinasa.
Tao anatinâizany taona maro izany dia niaina ny tena fiainanâny mpandraharaha izy : ny famokarana tsikelikely, ny fanatsarana ny vokatra sy ny fomba fiasa, ny faharetana na dia somary miadana aza ny fandrosoanâny asa.
Nitombo tsikelikely ny tinady. Nitombo ihany koa ny famokarana. Nanomboka niditra teo aminâny sehatra matihanina ny Cake Anya ka nipaka taminâny mpanjifa maro.
Niova ny fomba fijery
Taminâny taona 2023, nandray anjara taminâny fampiofanana nokarakarainâny PAMF ho anâireo vehivavy mpikambana ao aminâny « Association des Femmes Autoentrepreneurs de Madagascar (AFAM) » i Agnes. Taminâizay fotoana izay no nahafantarany voalohany anâny PAMF.
“Taorianâio fampiofanana io dia nanomboka nazava tamiko ny lalana hampandrosoana ny orinasako.”
Efa noresahina taminâizany fotoana izany ny fampindramam-bola ho anâny mpandraharaha sy orinasa, saingy nisafidy ny hiandry aloha izy. Nahatsapa mantsy izy fa mbola mila fotoana kely handinihana mba hampandrosoana ny orinasany aminâny sehatra lehibe kokoa.
Ny fotoana nanova ny zava-drehetra
Taminâny taona 2024, nandray anjara taminâny fifaninanana « Ampela mandrahara » i Agnes.  Fifaninanana natao ho anâireo vehivavy mpandraharaha izay miompana aminâny famolavolana drafitra ara-barotra na « business plan », ka izy no nivoaka ho mpandresy taminâizany.
Anisanâny mpitsara taminâizany fifaninana izany ny PAMF, izay efa tsy vaovao aminy intsony. Taminâity indray mitoraka ity dia tsapany fa efa vonona ny hiroso aminâny dingana ambony kokoa izy.
Nitombo ny asany, saingy tsy ampy intsony ny enti-manana hanampiana fitaovana sy hampitomboana ny renivola ilaina aminâny fampandrosoana ny orinasa. Nanapa-kevitra ary izy ny hangataka fampindramam-bola ho an’ny mpandraharaha sy orinasa ato aminâny PAMF.
Nandray an-tanana sy nanampy azy taminâny dingana rehetra ny ekipanâny PAMF, nanomboka taminâny fanomanana ny antontan-taratasy ka hatraminâny fanaraha-maso ny fivoaranâny orinasany. Izany fanohanana izany no nahafahany nampitombo ny famokarana sy nampandroso ny orinasany.
Ankehitriny dia efa anatinâny sehatra mahitanina ny Cake Anya. Lasa orinasa fantatry ny mpanjifa, ary amidy eny aminâny toeram-pivarotana lehibe sy eny aminâny tobin-tsolika ireo vokatra atolony.
Fahombiazana mihoatra noho ny orinasa
Mitohy hatrany ny fivoaranâny Cake Anya.
Saingy tsy miompana aminâny tarehiramika na ny fitomboanâny orinasa fotsiny ny tantaranâi Agnes.
Tantarana vehivavy iray nampivoatra tsikelikely ny tenany. Vehivavy iray nahavita nanova fomba fahandro tsotra ho lasa orinasa fantatry ny maro, ary ny finiavany no nitondra izany fahombiazana izany.
Tantara manasongadina ny asa fandraharahana tantananâny vehivavy izy ity, nefa tsy izay izany, fa maneho fivoarana eo aminâny fiainana.
Te hahafantatra ireo tantara hafa mahaliana ve ianao ? Jereo ato ny lahatsoratra hafa.