
Ny mpandraharaha madinika dia sahy manova hevitra iray ho lasa loharanom-bola ary vonona hampivelatra ny asany na varotra ataony. Nohon’ny fisian’ny tolotra findramam-bola maro samihafa anefa dia maro no manontany tena hoe : inona no fampindramam-bola mety indrindra amin’ny tetikasako ?
Ireto misy torohevitra 5 manampy anao hisafidy ny tolotra findramam-bola mety aminao.
1. Fantaro mazava ny antony ilanao findramam-bola
Alohan’ny hangatahana fampindramam-bola dia makà fotoana hamaritana mazava ny tanjonao.
Inona no tetikasa tianao hotanterahina ? Te hividy fitaovana vaovao ve ? Te ampitombo ny tahirin’entana amidy ? Sa hanombohana asa vaovao mety hampitombo ny vola miditra ?
Ny findramam-bola dia tokony hifanaraka amin’ny tanjonao ary tokony hanampy amin’ny fampiroboroboana ny asanao.
2. Ampitahao ireo tolotra findramam-bola misy
Maro ireo tolotra natao ho an’ny mpandraharaha madinika, izay azonao sitrahana arakaraky ny haben’ny tetikasanao sy ny fivoaran’ny asanao.
Ny findramam-bola madinika dia mety amin’ny tetikasa kely, ary ny tolotra PME kosa dia afaka manohana tetikasa lehibe kokoa.
Makà fotoana hampitahana ny lelavola azo hindramina, ny fepetra famerenam-bola ary ny faharetan’ny fampindramam-bola. Izany dia manampy anao hisafidy ny tolotra tena mifanaraka amin’ny asanao.
3. Tombano ny fahafahanao mamerim-bola
Mialohan’ny anaovana findramam-bola dia ilaina ny mandinika ny toe-bolanao mba hahafantaranao ny fahafahanao mamerina ny vola.
Diniho ny vola miditra, ny fandaniana ary ny faharetan’ny asanao mba hahazoana antoka fa ho zakanao tsara ny famerenam-bola.
Ny findramam-bola voafidy tsara dia tokony hampandroso anao sy hanampy anao hampivelatra ny asanao am-pitoniana.
4. Saino ny fomba hampiasana ny vola
Rehefa misafidy tolotra ianao dia tsara ny manana fomba fijery stratejika. Tokony ho ampiasaina amin’ny fomba voahevitra ny vola, mba hampivelatra ny asanao.
Ohatra amin’izany ny fividianana fitaovana manatsara ny famokarana na ny fampitomboana tahirin’entana alohan’ny vanim-potoana be mpanjifa.
Raha ampiasaina amin’ny fandaniana tsy mifandray amin’ny fivoaran’ny asa kosa ny vola dia mety hanahirana anao ary hanakana ny fitomboan’ny asanao.
5. Misafidiana mpiara-miombon’antoka ara-bola azo antoka
Ankoatra ny lelavola azo hindramina na ny tahan’ny zana-bola dia zava-dehibe ny misafidy mpiara-miombon’antoka mahafantatra ny zava-misy sy ny fanamby iainan’ny mpandraharaha madinika.
Izahay ato amin’ny PAMF dia manolotra tolotra findramam-bola mifanaraka amin’ny filàn’ny mpandraharaha madinika. Tsy voafetra ny vola azo hindramina fa arakaraky ny tetikasanao ary afaka mamerim-bola hatramin’ny 36 volana ianao.
Tsy mijanona amin’ny fanomezana tolotra fotsiny izahay. Mandray an-tananao anao ny ekipanay : mihaino ny tetikasanao, manazava ny fepetra rehetra, ary manampy anao hisafidy ny vahaolana mety indrindra aminao.
Ampiroboroboy ny asanao !
👉 Tsidiho ny masoivoho PAMF akaiky anao na antsoy ny 643 hahafahanao misitraka tolotra findramam-bola hampivoatra ny asanao.