
Ny findramam-bola dia ahafahana manitatra ny asa fivelomana sy ny orinasa na koa manatanteraka tetikasa iray. Saingy tsy mifarana amin’ny fahazoana ny findramam-bola ny fahombiazana. Zava-dehibe ihany koa ny fahaizana mandamina tsara ny famerenam-bola.
Raha mahay mitantam-bola tsara ianao dia ho mora kokoa ny mamerim-bola ara-potoana, sy misoroka ny fahatarana ary manana tetibola mirindra.
Ireto ary misy fahazarana 5 hanampy anao aminâny famerenam-bola.
1. Omano tsara ny tetibolanao mialohan’ny findramam-bola
Alohan’ny anaovana fangatahana aminâny findramam-bola dia ilaina ny mandinika raha mifanaraka amin’ny fidiram-bolanao ny vola tokony haverina.
Fantaro mialoha ny vola miditra sy mivoaka isan-bolana, mba hahafahanao mametraka tetibola mifanaraka amin’ny toe-bolanao.
Rehefa voalamina mialoha ny fandaniana dia mora kokoa ny manaja ny fotoana famerenam-bola ary mitantana tsara ny vola.
2. Aza miandry daty farany vao mamerim-bola

Mety hitondra fahasahiranana na adin-tsaina ho anao raha miandry ny fe-potoana farany no mamerim-bola.
Raha vao misy vola eo am-pelatananao dia afaka mandoa ampahany sahady aminâny vola tokony averina ianao, mba hampihena izany tsikelikely. Manamora ny fitantanana ny teti-bola izany ary maivana kokoa ny famerenam-bola rehefa tonga ny daty voatondro.
Ho an’ireo mampiasa ny tolotra nomerika m-kajy, dia afaka mamerim-bola anatinâny 30 andro. Afaka mandoa aminâny ampahany ihany koa rehefa misy vola ao amin’ny kaonty Orange Money, fa tsy voatery hiandry ny daty farany.
3. MampiasĂ tolotra nomerika manamora ny famerenam-bola
Aminâizao fotoana izao, manamora tanteraka ny fitantanana ny kaonty sy ny findramam-bola ny fampiasana ireo tolotra nomerika.
Ho an’ny findramam-bola eo anivonâny masoivoho PAMF, dia azo atao amin’ny finday avy hatrany ny famerenam-bola aminâny alalanâny Wallet to Bank, hiarahana aminâny Orange Money na MVola. Tsy mila manatona masoivoho intsony ianao ary tsy mila mandany fotoana.
Mba hahafahanao mampiasa an-kalalahana ireo tolotra nomerika dia tsara raha manavao tsy tapaka ny mombamomba anao any amin’ny masoivoho, indrindra ny laharan’ny findainao. Izany dia manamora ny fampiasana ireo tolotra nomerika sy ny fahazoana ireo fampahafantarana rehetra ilaina momba ny kaontinao.

4. Tantano tsara ny teti-bolanao
Tsy ny famerenam-bola ara-potoana ihany no zava-dehibe, fa ilaina koa ny manara-maso tsy tapaka ny vola miditra sy mivoaka.
Ho an’ny mpandraharaha dia manampy amin’ny fitantanana tsara ny vola miodina amin’ny asa izany. Ho an’ny olon-tsotra kosa, ny fananana kaonty fitahirizam-bola dia manampy hiatrehana ireo fandaniana tsy ampoizina sy hanohizana ny fandoavana ara-potoana.
5. Mifandraisa hatrany amin’ny masoivohonao
Mety hisy fotoana tojo olana tampoka izay mety hisy fiantraikany aminâny famerenam-bola. Amin’izay fotoana izay dia tsara ny manatona haingana ny masoivohonao.
Miresaha avy hatrany aminâny tomponâandraikitra misahana ny kaontinao mba hahazoanao torohevitra sy vahaolana mifanaraka amin’ny toe-javatra misy anao.
Izahay ato amin’ny PAMF manome tantsoroka ireo mpanjifanay amin’ny fomba fitantanam-bola, mba hahafahan’izy ireo manatratra ny tanjony.
Raha fintinina
Ny famerenam-bola am-pilaminana dia miankina amin’ny fahazarana tsotra : mandamina tsara ny tetibola sy fitantanam-bola, miomana mialoha amin’ny fandoavana, ary mampiasa ireo tolotra nomerika.
Ny PAMF dia manohana ireo mpanjifa manomboka amin’ny famatsiam-bola ka hatramin’ny famerenam-bola.
Liana aminâny torohevitra ara-bola hafa ve ianao ? Araho hatrany ireo torohevitra zarainay hanampy anao hitantana tsara ny volanao isan’andro.