m-kajy : nanome loka ireo mpanjifa mendrika indrindra

Rehefa tafahaona ny teknolojia sy ny fahatokisana, dia miteraka tantara tsara ho ankalazaina.

Tamin’ny taona 2025, mpanjifa an’arivony no nisafidy ny tolotra ara-bola nomerika m-kajy, izay iarahanay miasa amin’ny Orange Money.
Nindrana sy nanao tahiry tamin’ny alalan’ny findainy izy ireo, ary nametraka fitokisana taminay isan’andro.

Te hisaotra azy ireo izahay noho izany. Tsy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny alalan’ny fanomezana.

Fanolorana loka tao anatin’ny fangaraharahana

Amin’ny maha mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny « microfinance » anay dia manome lanja ny fampianarana ara-bola izahay. Ny tanjonay dia hanampy ireo mpanjifa hitantana ny volany amin’ny fomba mahomby, toy ny fanaovana tahiry, ny findramam-bola sy famerenam-bola.

Nandritra ny taona 2025, maro ireo lalao nokarakarainay hanomezana valisoa ireo mpanjifa mavitrika indrindra : ireo izay nitahiry vola tamin’ny Tahiry Be, ary ireo izay nindrana vola ka nandoa izany ara-potoana.

Notanterahina ny zoma lasa teo ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa mavitrika sy tsara vintana tamin’ireo lalao. Izany dia notontosaina niaraka tamin’ny mpiara-miasa eo anivon’ny Orange Money ary natao teo ambany fanaraha-mason’ ireo tompon’andraikitra misahana ny lalao na « Commissaire aux jeux ».

Samy manana ny tantarany ireo olona tsara vintana nandritry ny lalao : tao ireo nanana varotra tiana hampandrosoina, na filàna maika tsy maintsy vahana, na koa tanjona manokana tratrarina.

Ho anay, ny fikarakarana ny mpanjifa dia tsy teny filamatra fotsiny, fa asa ataonay amin’ny andavanandro.

Mahazo fanomezana rehefa mindram-bola amin’ny m-kajy

Satria fitia mifamaly ny fifampitokisana, dia nomenay fanomezana ireo mpanjifa nindrana sy nandoa ara-potoana.

Mahazo ticket hosahirana ireo mpanjifa ka mpandresy roa no voasarika ka nahazo :

🥇 Samsung Galaxy S25 Ultra ny voalohany
🥈 Smart TV 50’’ ny faharoa

Raha tsiahivina, ny tolotra m-kajy dia hahafahanao mindram-bola amin’ny findainao amin’ny fotoana rehetra.

• Voaray eo noho eo ny fangatahanao 
• Tonga avy hatrany ao amin’ny kaonty Orange Money ny vola nindraminao
• Afaka mindrana hatramin’ny 3 500 000 Ariary ianao

Mila vola maika ve ianao sa misy tetikasa tianao hatomboka ?

Mindràma vola amin’ny m-kajy !

Mahazo tombiny rehefa mitahiry vola amin’ny Tahiry Be

Nomenay loka ihany koa ireo mpanjifa nanao tahiry tsy tapaka tamin’ny Tahiry Be, ilay tolotra fitehirizam-bolan’ny m-kajy.

Ny tanjonay tamin’ny lalao dia ny hanamafisana ny fahazotoan’ny olona hitahiry vola mba hitsinjovana ny hoaviny.

Mpanjifa efatra nahatoky no samy nahazo 200 000 Ariary avy.

Fa nahoana no maro no misafidy an’i Tahiry Be ?

• Zanabola hatramin’ny 9 %, isan’ny tsara indrindra
• Tahiry azo atao amin’ny finday, tsy mila manatona masoivoho
• Mety ho an’ny mponina an-tanàn-dehibe tsy te ho lany fotoana anaty filaharana
• Manampy ireo any olona ambanivohitra sahirana amin’ny fitaterana
• Afaka misafidy ny fe-potoana hitehirizana vola : 1 volana, 3 volana na 6 volana

Amin’izao fotoana izao, mora, azo antoka ary azo atao na aiza na aiza ny mitahiry amin’ny finday.

🚀 Ary raha ianao no mpandresy manaraka ?

Ato amin’ny PAMF, mino izahay fa mendrika omena valisoa ny fitokisan’ny mpanjifa :

  • Ny fitahirizam-bola tsy tapaka.
  • Ny findramam-bola sy famerenana izany ara-potoana

Zava-dehibe aminay ianareo mpanjifa mavitrika.

Ianao koa, atombohy dieny izao ny findramam-bola sy fitahirizana amin’ny m-kajy.

Araho ato ireo dingana amin’ny fisoratana anarana !

PAMF sy MADAUTO manamora ny fahazoana fiara sy kodiarandroa

Eto Madagasikara, ny fananana fiara na kodiarandroa (moto) dia tsy haitraitra fotsiny ihany. Fitaovana ilaina ho an’ny fivezivezena sy amin’ny asa izany. Ho an’ny olona maro, na olon-tsotra na mpandraharaha, mbola sakana lehibe ny fahazoana famatsiam-bola ho an’ny fiara sy kodiarandroa.

Mba hamaliana izany filàna izany indrindra no nipoiran’ny fiaraha-miasan’ny PAMF sy MADAUTO. Ny tanjona dia ny hanamorana sy hanafainganana kokoa ny fahazoana fiara na kodiarandroa. Tsotra ny vahaolana omenay ary natao hanohanana ireo tetikasa rehetra.

Tolotra mifanaraka amin’ny hetahetanao

Ity fiaraha-miasa ity dia manolotra vahaolana mifanaraka amin’ny filan’ny tsirairay. Na mpiasa, na mpandraharaha mahaleo tena, na tompon’orinasa ianao, dia mora kokoa ny ny fisitrahana ireo fiara sy kodiarandroa ao amin’ny MADAUTO.

Tsotra ny vahaolana omenay : manome tolotra fampindramam-bola sy manamora ny fahazoana misitraka fiara na kodiarandroa am-pitoniana. Natao ho mazava sy fohy ny dingana arahana, mba hanatanterahanao ny vinanao am-pilaminana.

Vahaolana tsotra sy azo antoka hahazoana fiara sy kodiarandroa

Noho ity tolotra ity, lasa mora sy haingana ny dingana arahana raha te hahazo fiara sy kodiarandroa. Afaka manao ny fangatahana avy hatrany eny amin’ny toeram-pivarotan’ny MADAUTO ianao. Anatin’ny fotoana fohy ny fikarakarana ary voaaro kokoa ny mpanjifa mandritr’izany fotoana izany.

Afaka misafidy malalaka ny fiara na kodiarandroa mety aminao ianao. Misy tompon’andraikitra mandray an-tananao ny fangatahanao sy manampy anao amin’ny fikarakarana rehetra. Satria ny fahafahamponao no imasoanay.

Manamafy ny fandraisany anjara ho an’ny fampiatiana ara-bola sy ny fandrosoana maharitra ny PAMF sy ny MADAUTO amin’ny alalan’ity fiaraha-miasa ity. Ny fahazoana fampindramam-bola ho an’ny fiara sy kodiarandroa dia fitaovana tena ilaina hanampiana ny olon-tsotra sy ny mpandraharaha hampivoatra ny fiainany sy ny asany isanandro.

Te hanamora ny fahazoana fiara na kodiarandroa ve ianao ?
Mifandraisa aminay raha mila fanampim-panazavana ianao.

PAMF Academy : Fifanaraham-piaraha-miasan’ny PAMF sy ny ESCM Business School

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny PAMF ny fanamorana ny fampidirana ireo tanora eo amin’ny sehatry ny asa. Ho fanohizana ny asa efa natombokay tamin’ny « programme d’alternance » dia miara-miasa amin’ny ESCM Business School izahay ankehitriny anatin’ny fandaharanasa « PAMF Academy ». Izao fiaraha-miombon’antoka vaovao izao dia mampifandray ny lafiny fampianarana, ny fidirana an-tsehatra eo anivon’ny orinasa, ary ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra.

Fiaraha-miasa stratejika hanohanana ireo tanora

Ny PAMF sy ny ESCM Business School, izay sekoly ambony manofana momba ny fitantanam-bola, dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa miompana amin’ny « programme d’alternance ». Izao fandaharanasa izao dia anatin’ny « PAMF Academy » ary natao hampiarahana ny fampianarana sy ny fampiharana, mba hizarana fahazai-manao matihanina sy mahomby eo amin’ny sehatry ny asa ho an’ireo mpianatra.

Notanterahana anio teny amin’ny foiben’ny ESCM Business School ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana, izay hitondra hitondra voka-tsoa ho an’ny mpianatra sy ny tontolon’ny asa amin’ny ankapobeany. Afaka hidite eo amin’ny sehatry ny asa amim-pahatokisan-tena sy amim-pahasahiana arak’izany ireo tanora noho ity fiaraha-miasa ity.

Fandaharanasa feno mampifandray ny fampianarana sy ny asa matihanina

Ireo mpianatra manomana Master (efa manana ny mari-pahaizana Licence) no hisitraka ity fandaharanasa ity. Mandritry ny « programme d’alternance » dia hanaraka lalam-piofanana mampifandray ny fampianarana ara-pedagojika omen’ny ESCM Business School sy ny fampiharana mivantana eo anivon’ny PAMF izy ireo.

Horaisinay eto anivon’ny PAMF ireo mpianatra ireo mandritry ny roa volana ary hiditra an-tsehatra amin’ny tontolon’ny « microfinance », izay fototry ny asanay. Hisy mpitantsoroka hiahy sy hizara traikefa amin’izy ireo mba hampivelatra ny fahaiza-manao amin’ny asa.

Ity « programme d’alternance » ity dia novolavolaina mba hampivoatra ny fahaiza-manaon’ny mpianatra sy hanomanana ny fidirany amin’ny tontolon’ny asa. Fahaiza-manao izay mifanaraka tanteraka amin’ny filan’ny tsenan’ny asa amin’izao fotoana izao.

👉 Te hahafantatra bebe kokoa momba ny fandaharanasanay ho an’ny tanora ve ianao ? Jereo ato ireo hetsika ataonay ho fampiroboroboana ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny asa !

Miasa ato amin’ny PAMF : manorina ny hoavinao ara-kasa

Ny miasa ato amin’ny PAMF dia tsy hoe manana asa fotsiny.
Rehefa miasa ato ianao dia tafiditra ao anatin’ny vondrona izay manome lanja ny maha-olona sy mino fa ny fahombiazan’ny asa dia avy amin’ny olona ao aminy. Ao ambadiky ny asa rehetra ataonay sy ny vokatra hita maso aterak’izany eny ifotony, dia misy olona miasa am-pahavitrihana isan’andro hanatanteraka ny vinan’ny PAMF.

Soatoavina sy kolotsaina iombonana

Ny soatoavin’ny PAMF no voizinay amin’ny asa ataonay isan’andro. Izany dia miorina amin’ny fanajana, ny fifampitokisana ary ny fiaraha-miasan’ny tsirairay ato aminay. Tsy teny filamatra fotsiny ihany ny fiaraha-miasan’ny ekipa, fa zava-misy iainanay isan’andro, na any amin’ny masoivoho izany na any amin’ny foibe.

Manome lanja ny hevitry ny tsirairay izahay ary mamporisika ny fandraisan’anjaran’ny rehetra amin’ny fanatrana ny tanjona. Manome sehatra ihany koa ahafahan’ny tsirairay maneho ny talentany.

Fampivoarana ny fahaiza-manao sy ny asa

Zava-dehibe ho anay ny fampivoarana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa. Ny fanofanana dia singa manan-danja hanampiana ny tsirairay hivoatra, hianatra bebe kokoa ary hanatsara ny traikefany.

Amporisihina ihany koa ny fandrosoana eo amin’ny asa amin’ny alalan’ny fahazoana andraikitra vaovao sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao. Azonao atao tsara ny mitombo sy mandroso miaraka amin’ny PAMF.

Miasa amin’ny sehatry ny microfinance mba hitondra fiovana

Ny miasa amin’ny sehatry ny microfinance dia manampy ny olona sy ny fianakaviana amin’ny fanatsarana ny fiainany.  Ato amin’ny PAMF, mandray anjara mivantana amin’ny fampianarana ara-bola ny ekipanay, ary ny manohana ireo mpandraharaha, ny olon-tsotra ary ny fianakaviana amin’ny alalan’ireo tolotra marobe ato aminay.

Ny asa ataon’ny tsirairay dia manampy ny olona amin’ny fanatanterahana tetikasa, ny fampandrosoana ary ny fanatsarana ny fiainan’ny olona maro. Io lafiny maha-olona io no manamafy ny fanoloran-tenanay isan’andro.

Orinasa mametraka ny maha olona ho laharam-pahamehana

Ny miasa ato amin’ny PAMF dia midika ho miditra ao amin’ny orinasa iray mino ny mpiasany, manohana azy ireo ary miara-mandroso aminy. Orinasa iray miezaka hatrany hanatsara ny fomba fiasany sy ny tontolo iasany.

Satria ny herinay dia ny ekipanay.

PAMF, Stronger together !

👉Te ho isan’ny ekipanay ve ianao ?
Jereo ireo tolotr’asa rehetra ato amin’ny tranokala ary mandefasa antotan-taratasy dieny izao !

Ny andraikitray amin’ny fampidirana ireo tanora eo amin’ny sehatry ny asa

Mihoatra lavitra noho fandraisana ireo tanora hanao fizaranasa na asa fotsiny ihany ny fanamorana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa. Miseho amin’ny fanofana sy fampitana fahaiza-manao izany mba ahafahan’ireo tanora miditra eo amin’ny sehatra matihanina. Mandray anjara mavitrika amin’izany lafiny izany izahay ary manamora fampidirana ireo mpianatra sy ireo tanora vao nahazo diplaoma eo amin’ny tontolon’ny asa.

Fanofana amin’ny alalan’ny fampiharana amin’ny alalan’ny « programme d’alternance »

Noforonina manokana ny fandaharan’asa alternance mba hanamorana ny fidiran’ny tanora amin’ny sehatry ny « microfinance »

Mandritry ny enim-bolana dia miditra an-tsehatra amin’ny asan’ny eny anivon’ny masoivohonay ireo tanora misitraka ity fandaharan’asa ity. Miara-miasa amin’ireo mpiasa za-draharaha izy ireo, mampivelatra ny fahaiza-manaony, mahafantatra ny zava-misy eny an-kianja ary manamafy ny fahafahany mahazo asa.

Tamin’ny taona 2025, tanora 10 no nandray anjara tamin’ity fandaharan’asa ity ary tafiditra ho mpiara-miasa avokoa izy ireo rehefa vita ny fiofanana.

Fampivoarana ny fahaiza-manao amin’ny alalan’ny « programme d’incubation »

Satria misy ireo mpianatra mila sehatra manokana hivelarana, dia nametraka ny « programme d’incubation » izahay, izay mifanaraka amin’ny fivoaran’ny tontolon’ny asa ankehitriny.

Misy ny sokajy miompana amin’ny sehatry ny teknolojia (IT) sy ny fitantanam-bola ara-kajy mirindra (finance digitale) izay iarahana amin’ny « Mention Informatique et Technologie » ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny IT University ary ny Oniversite ASJA. Ao ihany koa ny fandaharanasa momba ny asa fampindramam-bola madinika miaraka amin’ny sampana EGS (Economie, Gestion, Sociologie).

Ireo sokajy ireo dia manolotra fanofanana, fanaraha-maso (mentorat) ary fidirana eo amin’ny sehatra matihanina ho an’ny tanora, mba hanamorana ny fidiran’izy ireo eo amin’ny tontolon’ny asa.

Tamin’ny taon-dasa, tanora 7 no nandray anjara tamin’ity fandaharanasa ity ary niditra ho mpiasa raikitra tato amin’ny orinasa.

Ny fizaranasa : dingana voalohany mankany amin’ny asa

Mandray mpianatra mizatra asa avy amin’ny sehatra samihafa amin’ny amin’ny oniversitem-panjakana sy tsy miankina izahay isan-taona. Ny fizaranasa dia dingana lehibe hahazoana traikefa voalohany sy hanamafisana ny fahafahana mahazo asa.

Tamin’ny taona 2025, mpianatra nizatra asa 23 no noraisinay, ka 5 tamin’izy ireo no tafiditra ato amin’ny PAMF rehefa vita ny fizaranasa.

Fihaonana mivantana amin’ireo tanora

Miezaka hatrany izahay manakaiky ireo tanora mba hanamorana ny fidiran’izy ireo amin’ny sehatry ny asa. Izany indrindra no antony andraisanay anjara matetika amin’ireo hetsika maro samihafa toy ny « salons de recrutement et d’orientation », mba hihaonana mivantana amin’izy ireo sy hiresahana momba ny hoaviny. Anisan’ireo hetsika ireo ny « Journées portes ouvertes » nokarakarain’ny Fakiolte EGS, ny « Salon de l’étudiant » tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny herinandron’ny fitarihana tao amin’ny « Institut Supérieur des Sciences », ary ny « Forum Stages » niarahana tamin’ny ISCAM Business School.

Fandraisana anjara tamin’ny « Forum Stages » nokarakarain’ny ISCAM Business School

Ny 30 janoary lasa teo, dia nandray anjara tamin’ny « Forum Stages » izahay. Izy ity dia hetsika nokarakarain’ny ISCAM Business School mba hampifandraisana ny mpianatra, ny tanora vao nahazo diplaoma ary ny orinasa. Nisy ny fifanakalozana niaraka tamin’ireo tanora nandritr’io fotoana io ka nampahafantatra momba ny asa eo amin’ny sehatry ny « microfinance » izahay ary koa ireo fandaharanasanay. Ny fahaliana sy ny fahavonon’izy ireo dia manamafy zavatra iray: vonona ny hivoatra sy hiditra eo amin’ny sehatry ny asa ny tanora.

Mpianatra ve ianao na tanora vao nahazo diplaoma? Andao hiara-hanangana ny hoavinao ara-kasa. Alefaso mivantana eto amin’ny tranokala ny fangatahanao raha maniry ho isan’ny ekipanay ianao.

Fifampiarahabana tratry ny taona 2026

Fotoana manan-danja tokoa ny fiandohan’ny taona: fotoana mahafaly hifamorian’ny rehetra, hisaintsainana ny ho avy, sy hamaritana ny lalana hombana. Niara-nikorana avokoa ireo mpiara-miasa rehetra teo anivon’ny foibe sy ny masoivoho nandritr’ity lanonana fifampiarahabana tratry ny taona 2026 ity.

Tsy lanonana tsotra fotsiny ihany io fihaonana io, fa fotoana iray hanamafisana ny fihavanana, hanasongadinana ny fandraisana anjaran’ny ekipa tsirairay ary hankalazana ny ezaka sy ny lalana efa nodiavinay niaraka.

Nosokafana tamin’ny lahateny ny lanonana. Izany no natao mba hampitana hafatra fankasitrahana, sy hampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny firaisankin’ny rehetra amin’ny fanatrarana ny tanjona iombonana.

Ankoatra ny fanaovana jery todika, dia nozaraina nandritr’ity lanonana ity ihany koa ny vina ho an’ny taona vaovao. Nozaraina tamin’ny rehetra ny tari-dalana stratejika lehibe ho an’ny taona 2026, miaraka amin’ ireo tanjona mazava :

  • Hitondra zava-baovao hatrany eo amin’ny tontolon’ny fampindramam-bola sy fitehirizam-bola
  • Hanamafy ny fifandraisana amin’ny mpanjifa
  • Hitondra fiantraikany maharitra ho an’ny mpanjifa sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra.

Ity lanonana fandraisana firariantsoa ity no manamarika ny fiandohan’ny taona 2026 izay irintsika ho feno fahombiazana sy hifantoka tanteraka amin’ny maha-olona.

Torohevitra 5 manampy anao hitantana tsara ny teti-bola amin’izao fiandohan’ny taona izao

Taona vaovao, fanapahan-kevitra vaovao… ary fotoana tsara handaminana indray ny teti-bola.

Zava-dehibe ny fitantanana tsara ny vola mba hanombohana ny taona 2026 am-pitoniana.

Ireto misy torohevitra 5 tsotra sy mahomby hanampy anao hitantana tsara ny teti-bolanao amin’izao fiandohan’ny taona izao.

1. Diniho aloha ny toe-bolanao

Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra dia makà fotoana hijerena ny vola miditra sy ny vola mivoaka. Rehefa mazava aminao izany dia ho mora kokoa ny mahafantatra ny fandaniana ataonao sy hisoroka ny fandaniana tsy ampoizina.

2. Mametraha tanjona azo tanterahina

Mametraha tanjona ara-bola mazava: mety ho fampihenana ny fandaniana sasany, fampitomboana ny tahiry na fanomanana tetikasa iray. Ny teti-bola voalamina tsara dia miankina amin’ny safidy mazava sy mifanaraka amin’ny zava-misy iainanao.

3. Ataovy laharam-pahamehana ny tahiry

Ny fitahirizam-bola dia tsy safidy fotsiny fa fahazarana tsara tokony apetraka. Na dia vola kely angonina matetika aza dia manampy hiantoka ny hoavianao ara-bola. Ny fanokafana kaonty tahiry ato amin’ny PAMF dia manampy anao hampitombo ny volanao sy hanatanterahanao ny tetikasanao.

4. Ampiasao am-pahendrena ny fampindramam-bola

Fitaovana iray mampivoatra ny fiainana ny fampindramam-bola raha ampiasaina tsara. Ny tolotra findramam-bola omenay dia manampy anao hanatanteraka ny tetikasanao, sady miantoka ny fifandanjan’ny teti-bolanao.

5. Misafidiana tolotra ara-bola mifanaraka aminao

Manamora ny fitantanana vola isan’andro ny tolotra ara-bola tsotra sy mora ampiasaina. Afaka manampy anao hanara-maso ny fandaniana izany, handamina ny tahiry ary hitantana ny volanao.

Jereo ato ireo vahaolana nomerika atolotray hanampy anao hitantana tsara kokoa ny volanao.

Ny fitantanana tsara ny teti-bola amin’izao fiandohan’ny taona izao dia manampy anao hametraka fototra matanjaka ho an’ny taona iray manontolo.

Milamina kokoa ny toe-bolanao mandritry ny taona rehefa mandamina tsara ny teti-bola ary mampiasa tolotra sy fomba mahomby hitantana vola ianao.

👉 Te hitantana amin’ny fomba mahomby ny teti-bolanao sy ny tetikasanao amin’ity taona 2026 ity ve ianao ?

Araho ato ireo torohevitra omenay ary jereo ao ireo vahaolana ara-bola mifanaraka amin’ny fiainanao andavanandro.

Tolotra nomerika manamora ny fitantanam-bola

Amin’izao fotoana izao dia mandeha haingana avokoa ny zava-drehetra. Toy izany koa ny fitantanam-bola. Manoloana ny fivezivezena, ny filaharana lava ary ny adidy isan’andro, dia samy mitady vahaolana tsotra, mora ampiasaina ary azo antoka isika rehetra.

Vaovao tsara ! Nohon’ny fivoaran’ny teknolojia ara-bola dia mora kokoa ny fisitrana ny tolotra ara-bola nomerika.

Izahay ato amin’ny PAMF dia namorona tolotra nomerika mba hanamorana ny fiainanao andavanandro. Toy ny WhatsApp/Messenger banking miaraka amin’ny chatbot “AI-na”, ny application mobile “Net-tsara”, ary koa ny Wallet To Bank sy Bank To Wallet, izay manampy anao hitantana ny volanao na aiza na aiza misy anao.

Chatbot AI-na manampy anao amin’ny fitantanam-bola amin’ny andavanandro

Ny fampiasana ny chatbot « AI-na » dia toy ny manana mpanolotsaina ara-bola ao anaty findainao, vonona hanampy anao amin’ny fotoana rehetra, tsy mila miandry ny fisokafan’ny masoivoho.

Amin’ny alalan’ny Messenger sy WhatsApp, ny chatbot AI-na dia ahafahanao :

  • mijery ny vola ao amin’ny kaontinao
  • maka « mini-relevé »
  • mamindra vola amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny kaonty PAMF
  • manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
  • miresaka mivantana amin’ny tompon’andraikitra
  • mijery ireo masoivoho PAMF rehetra

Mitsitsy fotoana kokoa, tsy mila mandeha any amin’ny masoivoho, ary mbola afaka manara-maso tsara ny volanao. Tsy izay ihany fa tsotra kokoa ny fikirakirana ny chabot AI-na.

Ny application mobile Net-tsara manamora ny fitantana ny toe-bolanao

Saika atao amin’ny finday avokoa ny zavatra rehetra amin’izao fotoana izao. Toy izay ihany koa ny fitantana ny toe-bola.

Ny application mobile Net-tsara dia ahafahanao:

  • mijery ny vola ao amin’ny kaontinao amin’ny fotoana rehetra
  • maka « mini-relevé »
  • mamindra vola amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny kaonty PAMF
  • manao « simulation » momba ny fampindramam-bola sy ny tahiry
  • mijery ireo masoivoho PAMF rehetra

Afaka manara-maso tsara ny toe-bolanao amin’ny fotoana tena rehetra ianao amin’ny alalan’ity tolotra nomerika ity ary mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa.

Izany no tanjon’ny tolotra ara-bola nomerika: manamora sy manafaingana fitantanam-bola ho an’ny olona rehetra.

Ny tombontsoa amin’ny fampiasana Wallet to Bank sy Bank to Wallet

Sarobidy tokoa ny fotoana amin’ny fiainana andavanandro. Tsy ilaina intsony ny mandany fotoana amin’ny fivezivezena.

Amin’ny alalan’ny tolotra Wallet To Bank sy Bank To Wallet, dia lasa mora sy haingana kokoa ny famindrana vola.

  • Bank to Wallet
    Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty PAMF mankany amin’ny Orange Money-nao ianao ao anatin’ny fotoana fohy.

→ Tsotra, haingana ary tsy mila mivezivezy.

Ho tonga avy hatrany ao amin’ny kaontinao ny vola. Natao indrindra raha mila maka vola, mandoa vola maika na mila vola tampoka ianao.

Tsindrio fotsiny ny : #144#42#

  • Wallet to Bank
    Afaka mandefa vola avy amin’ny kaonty Orange Money na MVola mankany amin’ny kaonty PAMF-nao ianao.

Azonao atao amin’ny finday avokoa raha mila mandefa vola ao amin’ny kaonty ianao, na te hanampy ny tahirinao na koa hanao famerenam-bola ao amin’ny kaonty PAMF.

→ Tolotra 100% nomerika sy azo antoka, natao hanamorana ny fiainanao andavanandro.

Raha mampiasa Orange Money : tsindrio ny #14415*6#
Raha mampiasa MVola : tsindrio ny #1111823#

Ireo vahaolana ireo dia mampiseho tsara ny fivoaran’ny tolotra ara-bola nomerika, amin’ny fanomezana tolotra azo antoka sy mora ampiasaina.

Hamoray ny fomba fitantanam-bolanao miaraka amin’ireo tolotra nomerikanay !

Alaivo ao amin’ny App Store na Playstore ny application mobile Net-tsara

Ampiasao ny chatbot AI-na amin’ny Messenger sy Whatsapp

Antony 3 tokony hanokafanao kaonty fitahirizam-bola ato amin’ny PAMF

Te hanana hoavy milamina kokoa ve ianao, nefa tsy te hanasarotra ny fiainanao ? Ny kaonty fitahirizam-bola dia fomba tsotra sy mora hahafahanao manatanteraka ny tetikasanao.
Ato amin’ny PAMF, mpisehatra lehibe amin’ny sehatry ny « microfinance » eto Madagasikara, ny fitahirizana dia fomba tsotra manampy anao  hanomana ny hoavinao ara-bola.

1. Fitahirizana azo antoka ho an’ny tetikasanao rehetra

Ny fanokafana kaonty fitahirizam-bola dia manampy anao hiaro ny volanao. Ato amin’ny PAMF, voaaro tsara ny vola apetrakao ary afaka mitahiry am-pahatokisana ianao.

Misy karazana kaonty fitahirizana maro azonao isafidianana ao amin’ny masoivoho :

  • « Epargne classique » : tsotra sy azon’ny rehetra atao ;
  • « Epargne Avenir Enfant – Education » hanomanana ny hoavin’ny zanakao ;
  • « Epargne Tahiry-Nakà » sy « Epargne Boost Affaire » ho an’ny mpandraharaha, olon-tsotra ary orinasa ;
  • « Epargne Femme Plus » natokana ho an’ny vehivavy ;
  • « Epargne Retraite Plus » hanomanana ny fisotroan-dronono ;
  • « Epargne Logement » hananganana ny tranonao amin’ny hoavy.

Misy kaonty fitahirizana mifanaraka amin’ny filanao hatrany na tetikasa maika na lavitra ezaka no tianao ho tanterahana. Tsy izay ihany fa tsotra ny fitehirizam-bola eny amin’ny masoivoho PAMF ary manampy anao hampivoatra amin’ny tetikasanao.

2. Zana-bola tsara indrindra hampitomboana ny volanao

Tsy fitahirizana fotsiny ihany ny kaonty ato amin’ny PAMF fa mampitombo ny volanao ihany koa. Zana-bola hatramin’ny 7,5% be izao no atolotray eny amin’ny masoivoho, izay anisan’ny zana-bola tsara indrindra. Na kaonty tahiry tsotra na tahiry mandritry ny fotoana voafetra no safidianao, dia mitombo hatrany ny volanao. Mandroso kokoa makany amin’ny tanjonao sy ny nofinofinao rehefa mazoto mitahiry vola.

3. Fitahirizana tsotra sy mifanaraka amin’ny filanao

Tsotra ny dingana arahana raha te hitahiry vola eny amin’ny masoivohonay. Vonona hatrany ireo ekipanay hanampy anao hisafidy ny kaonty fitahirizam-bola mifanaraka amin’ny fidiram-bolanao sy ny tanjonao.

Ho anao tanora, ray aman-dreny, mpandraharaha, na orinasa te hisitraka fitahirizam-bola azo antoka, manatona ny masoivohonay. Manana tolotra mifanaraka amin’ny tetikasanao izahay ary vonona handray anao.

Ahoana no atao raha te hanokatra kaonty fitahirizam-bola ?

Tsotra be :
👉 Sokafy mivantana eto amin’ny tranokalanay
NA
👉 Manatona ny masoivoho PAMF akaiky anao