
Rehefa tafahaona ny teknolojia sy ny fahatokisana, dia miteraka tantara tsara ho ankalazaina.
Taminâny taona 2025, mpanjifa anâarivony no nisafidy ny tolotra ara-bola nomerika m-kajy, izay iarahanay miasa aminâny Orange Money.
Nindrana sy nanao tahiry taminâny alalanâny findainy izy ireo, ary nametraka fitokisana taminay isanâandro.
Te hisaotra azy ireo izahay noho izany. Tsy aminâny teny fotsiny, fa aminâny alalanâny fanomezana.
Fanolorana loka tao anatinâny fangaraharahana
Aminâny maha mpisehatra eo aminâny tontolonâny « microfinance » anay dia manome lanja ny fampianarana ara-bola izahay. Ny tanjonay dia hanampy ireo mpanjifa hitantana ny volany aminâny fomba mahomby, toy ny fanaovana tahiry, ny findramam-bola sy famerenam-bola.
Nandritra ny taona 2025, maro ireo lalao nokarakarainay hanomezana valisoa ireo mpanjifa mavitrika indrindra : ireo izay nitahiry vola taminâny Tahiry Be, ary ireo izay nindrana vola ka nandoa izany ara-potoana.
Notanterahina ny zoma lasa teo ny fanolorana ny loka ho anâireo mpanjifa mavitrika sy tsara vintana taminâireo lalao. Izany dia notontosaina niaraka taminâny mpiara-miasa eo anivonâny Orange Money ary natao teo ambany fanaraha-masonâ ireo tomponâandraikitra misahana ny lalao na « Commissaire aux jeux ».
Samy manana ny tantarany ireo olona tsara vintana nandritry ny lalao : tao ireo nanana varotra tiana hampandrosoina, na filĂ na maika tsy maintsy vahana, na koa tanjona manokana tratrarina.
Ho anay, ny fikarakarana ny mpanjifa dia tsy teny filamatra fotsiny, fa asa ataonay aminâny andavanandro.
Mahazo fanomezana rehefa mindram-bola aminâny m-kajy
Satria fitia mifamaly ny fifampitokisana, dia nomenay fanomezana ireo mpanjifa nindrana sy nandoa ara-potoana.
Mahazo ticket hosahirana ireo mpanjifa ka mpandresy roa no voasarika ka nahazo :
đ„ Samsung Galaxy S25 Ultra ny voalohany
đ„ Smart TV 50ââ ny faharoa
Raha tsiahivina, ny tolotra m-kajy dia hahafahanao mindram-bola aminâny findainao aminâny fotoana rehetra.
âą Voaray eo noho eo ny fangatahanao
âą Tonga avy hatrany ao aminâny kaonty Orange Money ny vola nindraminao
âą Afaka mindrana hatraminâny 3 500 000 Ariary ianao
Mila vola maika ve ianao sa misy tetikasa tianao hatomboka ?
MindrĂ ma vola aminâny m-kajy !
Mahazo tombiny rehefa mitahiry vola aminâny Tahiry Be
Nomenay loka ihany koa ireo mpanjifa nanao tahiry tsy tapaka taminâny Tahiry Be, ilay tolotra fitehirizam-bolanâny m-kajy.
Ny tanjonay taminâny lalao dia ny hanamafisana ny fahazotoanâny olona hitahiry vola mba hitsinjovana ny hoaviny.
Mpanjifa efatra nahatoky no samy nahazo 200 000 Ariary avy.
Fa nahoana no maro no misafidy anâi Tahiry Be ?
âą Zanabola hatraminâny 9 %, isanâny tsara indrindra
âą Tahiry azo atao aminâny finday, tsy mila manatona masoivoho
âą Mety ho anâny mponina an-tanĂ n-dehibe tsy te ho lany fotoana anaty filaharana
âą Manampy ireo any olona ambanivohitra sahirana aminâny fitaterana
âą Afaka misafidy ny fe-potoana hitehirizana vola : 1 volana, 3 volana na 6 volana
Aminâizao fotoana izao, mora, azo antoka ary azo atao na aiza na aiza ny mitahiry aminâny finday.
đ Ary raha ianao no mpandresy manaraka ?
Ato aminâny PAMF, mino izahay fa mendrika omena valisoa ny fitokisanâny mpanjifa :
- Ny fitahirizam-bola tsy tapaka.
- Ny findramam-bola sy famerenana izany ara-potoana
Zava-dehibe aminay ianareo mpanjifa mavitrika.
Ianao koa, atombohy dieny izao ny findramam-bola sy fitahirizana aminâny m-kajy.







